Jaona 20 : 19-23

Fiafina sy fihafenana no mitranga rehefa mikorontana ny tany hipetrahana. Ny tahotra sao ho vonoin’ny hafa. Toy izany koa no nanjo ny mpianatra. Nitaintaina. Ho tradoza eto ve? Iza no hanavotra ? Ho afaka amin’ny fahatezeran’ny olona ve? Ao ny mpanararaotra ny ampitombo korontana. Misy faly amin’izany.

Nefa ao anatin’izany koa no nahitana fahagagana. Ny an’ny mpianatra  dia ny nisehon’i Jesoa Kristy nitenenany hoe “Fiadanana ho aminareo”.

Zava-dehibe izany. Vao tsy ela no nenjehina sy nampijalina ho faty nefa dia manonona ny fiadanana. Jesoa izay natao ho ota nefa tsy nanota. Fa nitondra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny nanombohona Azy  teo amin’ny  hazofijaliana dia toy ny fiaiken-keloka. Niafara tamin’ny fahafatesana. Natahotra tokoa ny mpianatra sao dia hiharan’izany. Fa tsy izay no izy. Indro ilay Tompo niseho tamin’izy ireo nanonona fiadanana.

Maro koa ankehitriny ny kristiana rehefa mifanoratra dia mihindra io teny hoe “ho aminareo anie ny fiadanana”.  Mahafinaritra izany, nefa toa tsy hita ilay fiadanana. Indraindray lasa fomba fotsiny. Tsy tsapa eo amin’ilay miteny azy akory ny herin’izany teny izany. Raha tsy resy lahatra ny amin’ny finoana izany teny izany dia tsy mandaitra na haverina tsy miato aza.  Fa fampandrianadrisa  fotsiny.

Tsy  ampy ihany ve ny fiadanana voalaza sy torina hatramin’izay? Ny fiadanan-tsaina no tiana ho lazaina eto. Maro ny tsy mahatsapa izany amin’izao fotoana izao. Maro rehefa mihiratra vao maraina ny masony dia efa feno ahiahy.

Noho ny  vaovao atsy sy aroa hany ka  tsy mahatoky ny ho avy. Ny malaza amin’ireny ny fitotongan’ny firenena izay difotry ny trosa. Ahoana no hiafarana? Lasa nahantra tampoka ny vahoaka. Ny mosary any amin’ny tany maro izay lazaina fa mahantra nefa tokony hahavelona ny tenany raha ny harena ao ambanin’ny taniny no jerena. Ny aretina miteraka fahafatesana malaky izay aretina vaovao. Misy olona toa ny taolana sisa. Ankoatr’izany loza manjo vokatry ny toe-tany. Ny tany misy ady moa dia tsy lazaina intsony. Milofika eo anatrehan’ny mpandroba ny maro amin’ny fampiasana herisetra isakarazany. Aiza ny fiadanana amin’izany rehetra izany. Nefa izany koa no hiaraha miaina amin’izao tontolo izao. Misavoritaka ny saina. Maro no mamoy fo.

Tsy misy fiadanana raha tsy misy famelan-keloka. Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy fiaiken-keloka. Tsy misy fiaiken-keloka raha tsy ny tena aloha no mahatsiaro an’izany. Tsy misy fiaiken-keloka raha tsy misy fitiavana. Io no tena sarotra . Tsy misy fiadanana raha ny fadisoan’ny hafa ihany no hita ka manamarin-tena isan’andro ny tena.

Lasa ny fotoana  tamin’ny andron’ny mpianatra hoe nahita an’i Jesoa izy ireo. Nandre ny teniny izy ireo.

Fa ankehitriny dia ny hafatra mifandimby no handrenesana izany ho an’ny kristiana. Nefa na dia tsy kristiana aza dia misy mahatsapa izany fiadanana ao am-po izany. Maro ny mitomany mahita ny fahoriana mianjady ary mahatsiaro marary ara-batana sy ara-tsaina.

Ny mpianatra no voalohany nahare sy nandray ny fiadanana nomen’ny Tompo. Koa inona no antony tsy hanaovan’ny kristiana maro any amintsika izany.Hita amin’ny adim-pianakaviana maro noho ny antony maro.  Fa mitahiry an-dolompo. Asa izay nianarana tany amin’ny fampianaram-pinoana tany. Fa mahalasa eritreritra sa natao hisehona fotsiny ka lasa nampirefarefa ny fiainany amin’ny tany. Mihevitra ho feno fiadanana kanjo  mangidy ny ao anaty.

Raha nomena anao ny fiadanana ka tsy mbola mahatsiaro izany ianao. Dia mianara izany. Esory ny saina ratsy mitarika sy manodina anao tsy hiaina amin’izany fifaliana izany.Antenaina fa vonona amin’izany ianao. Hoy pasitera Daniel Ralibera tamin’ny fotoana naha-mpianatra ahy teny amin’ny Kolejy Ivato  1974 : “Mbola misokatra ny varavarana hitorina ny fiadanan’ny Tompo ho an’ny Malagasy. Sarobidy izany. Asa raha tsapan’ny vahoakan’Andriamanitra. Fa rehefa tonga ny fotoana hikatonan’izany dia asa raha mbola afaka hijoro ny kristiana ka ho marina eo amin’ny fitondran-tenany sy ny teniny.” Mahalasa fisainana !

Tsy lavitra ny Fiadanan’ny Tompo raha sokafanao ny varavaran’ny fo.