Genesisy 18 : 16 – 33

Mifanipaka amin’ny zavatra teo aloha (Gen. 18:1-15)  no mitranga.( Jereo: 8/3/2010)

16 Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an’i Sodoma ; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.

• Ny lehilahy dia ireo noheverina ho anjely avy namangy an’i Abrahama sy Saraha  nilaza fa hiteraka Saraha afaka herin-taona- Fantatra sahady ny toerana alehan’izy ireo : Sodoma. Hanao veloma azy ireo i Abrahama. Heverina fa vita ny asa nandefasana azy ? Natao ialoha lalàna an’Aa koa izy ireny.

Andriamanitra miady saina ?

17 Ary ny Tompo Andriamanitra nanao hoe : Hafeniko amin’i Abrahama va izay ataoko ?

Manontany tena Aa. Miasa saina Aa? Inona no zavatra hafeniny ao? Mandinika tsara  Aa vao manapa-kevitra. Tena akaiky an’i Abrahama Izy ka toa sarotra ny tsy hizara ny fikasany.

18 Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahina ny firenena rehetra ambonin’ny tany.

Nanao fandaharana  lehibe ho an’ny taranak’i Abrahama Aa. Firenena lehibe sy mahery.Maro ny firenena nefa dia Abrahama no nosinganina eto. Miangatra ve Aa ? Na izany aza dia voatahy koa ny firenen-kafa noho ny firenen’i Abrahama.Tsy misy fanavakavahana.

19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ireo ny làlan’ny Tompo Andriamanitra hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’i Abrahama izay nolazainy taminy.

Ny làlan’Aa dia : ny marina sy mahitsy .Nanana andraikitra Abrahama hampita izany hatra izany. Adidy tsy azo ialana.

Nahare zavatra mahajenda Aa

20 Ary hoy ny Tompo Andriamanitra : Ny fitarainan’i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;

Inona ny fitarainana sy fikonainainana ? Ny zavatra miseho isan’andro eo amin’ny fiainan’ny vahoaka. Mahamenatra, mamoafady, maharikoriko. Efa nahita olona nitaraina ? Tsy mahaleo-peo intsony fa zara raha afaka miteny. Lalina ny fahoriam-panahy ao anaty. Fahantrana ara-panahy. Sodoma sy Gomora , tanàna kely anankiroa nefa dia nalaza tamin’ny faharatsiana. Niodina tamin’Aa ary nanompo aa hafa.Ny fahotana: dia ny tsy finoana an’Andriamanitra ka heverina fa ho azo atao na dia ny ratsy indrindra aza.

21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia, ary raha tsy izany dia ho fantatro.

tsy natanty intsony Aa ka avy hijery. Satria noheverina ho lavitra ve Aa ka tsy mahita ny zava-miseho? Mampahatsiaro ireo anjelin’Aa nidina sy niakatra ny tohatr’i Jakoba. Tsy zakan’Aa intsony ny fitarainana ?

Fisarahana tamin’ireo lehilahy.

22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra.

Sodoma no tanjona ho azy ireo. Fantatr’i Abrahama fa teo koa Aa (satria nijanona …). Natahotra Abrahama ny amin’ny fihetsik’Aa ka niandry izay ho lazainy? tsy miafina amin’Abrahama ny miseho ao Sodoma fa mody tsy mahita. Io no zava-doza.

►Aa indray no toa mibebaka

23 Dia nanatona i Abrahama ka nanao hoe: haringanao miaraka amin’ny meloka ve ny marina ?

• Fantatr’i Abrahama fa tena tsy mety tokoa ny zavatra mitranga ao an-tanàna.nefa sarotra ny milaza izany.

24 Angamba  hisy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao ? :

Ady varotra voalohany

25 Sanatria Anao raha hanao  toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka; ka ny marina atao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany ! Tsy hitsara ny marina va ny mpitsara ny tany rehetra? .

• Mitovy daholo ve ny olona rehetra ao an-tanàna. Ny marina mitondra ny heloky ny tsy marina. Aa dia nitsara araka ny fahamarinana hatrany . Hiova ve Izy?

26 Ary hoy ny Tompo Andriamanitra : raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny

27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe : Indro, koa efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:

28 Angamba ho latsaka dimy ny diman-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy ? Ary hoy Izy:tsy handringana Aho raha mahita dimy amby efa-polo ao.

Toa nanjaikojaiko  Abrahama fa sarotra ny raharaha !

29 Dia mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no hita ao. Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no  ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. Natahotra Abrahama sao tezitra Aa.

31 Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho : Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy tsy mba handringana Aho noho ny roa-polo.

32 Ary hoy izy : Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy : tsy mba handringana Aho noho ny folo.

Hatramin’ny folo araka ny voalaza eto dia hamindra fo Aa. Nahita sa tsia ?  Efa tena mihoatra ny loha ny fiainan’ny mponina tao ka tsy nahita olo-marina ny Tompo Aa  tao. Ahoana no hiafaran’izy ity. Very Sodoma sy Gomora !

33 Dia lasa nandeha ny Tompo Andriamanitra, rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ny fonenany

Lasa ary Andriamanitra.Nanana faharetana ary niala nenina.  Lasa koa Abrahama.

^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^^

Ny teny hoe: • Jehovah dia soloina “Tompo Andriamanitra”. Izay no mifanaraka amin’ny famakiana ny tenin’ny Soratra Marina amin’ny teny hebreo. Tsy tononina mantsy io anarana io ho fanajana an’Andriamanitra mba tsy hanonon’ azy be fatany. Ny mpamaky ny Baiboly hebreo dia manova azy amin’ny hoe “Adonaï ”. Tsy misy koa ny zanatsoratra  e, o, a noho izany dia sarotra tononina. Zavatra nampina taty aoriana ireny.

Ny mpandray anjara eto amin’ity tantara ity :

Ireny lehilahy ireny: and: 16 sy  22 –Ireo ilay  namangy an’i Abrahama ka handeha hamonjy fonenana hafa.

Ny Tompo Andriamanitra : and: 17, 19, 20, 26, 33

Abrahama: and: 16, 18, 23, 33

Andriamanitra soratana hoe « Aa » rehefa miverina matetika.

Henjana ny asan’i Abrahama fa izy ny manomboka sy mamarana ny tantara eto, and 16 sy 33.