Tsy miafina amintsika fa mirongatra ny fanorenana karazam-piangonana eto Madagasikara. Raha ny fivavahana kristianina fotsiny no raisina. Fa tsy aty amintsika ihany fa ny any Amérika Latina iny koa dia tsy misy ny mahasamihafa azy amin’ny fisehoany aty amintsika. Mahavariana izany ary mam-pametraka fanontaniana maro. Ohatra hoe : inona no mahatonga izany. Moa ve tsy ampy ny efa nisy teto teo aloha ary be mpanaraka ihany koa. Ny fivavahana kristianina dia fantatsika fa ireo misionera avy any Eoroapa no nitondra azy taty.  Misy koa ny fivavahana Silamo izay tonga niaraka tamin’ireo izay nifindra monina taloha taty Madagsikara na dia tsy re loatra aza ny momba azy taloha. Ary tao koa ny fivavahan-dRAZANA izay efa nisy taloha elabe.

Na inona na inona ireo fivavahana ireo dia marihina fa misy fandaminana ao amin’ireo izay manaraka an’izy ireny. Ny fandaminana voalohany dia ny ao an-tokatrano ary ny raim-pianakaviana no mitarika izany matetika. Ao izany no tena manomboka koa ny fiainam-bavaka na fiainam-panahy. Rehefa tafavory maromaro dia mila ary mampiasa  toerana ohatra ny : trano fiangonana, mosquée, synagoga , ary hafa koa. Ny an’ny Silamo dia misy ny  Imam izay mpitarika izany. Tsy voasakana ny hivavaka any an-tokan-tranony ny fianakaviana iray. Ary ny jiosy dia ao amin’ny Synagoga no miangona ary ny mpitarika dia antsoina hoe  Rabony. Ary ny raim-pianakaviana isan-tokatrano dia mananana adidy lehibe amin’izany fiaraha-mivavaky ny fianakaviana izany. Ho an’ny kristiana dia ny mpitandrina, na pastora, na pretra. Ireo fivavahana 3 ireo dia mampiasa ny Boky izay hahitana karazana soratra mitovy na dia tsy ny rehetra aza.   Ny « Thorah » an’ny Jiosy,  ny « Coran » an’ny Silamo ary ny « Baiboly » ny an’ny kristianina. Tsy ho kasihantsika aloha ny fivavahana Silamo sy Jiosy na dia tena mahaliana aza ny fahafantarana azy ireo. Heveriko aloha amin’ny maha-kristianina manao izao fandaharana izao dia ny miatrika ny maha-kristianina aloha. Ny antony dia tsara ny fahafantarana tsara ny an’ny tena ary mbola hanana fotoana isika hijerena ny an’ny hafa any aoriana. Izay koa ny tsy iresahako  ny amin’ny fivavahana amin’ny Razana na dia tena ilaina aza izany fa mbola ho atao izany. Ary mahaliana ahy tokoa.

Voalazako teo aloha fa misy ny mpitarika fivavahana ary ilaina izany mba ho fandaminana. Ary izy ireny koa dia mitombo an’isa araka ny isan’ny olona manaraka ilay finoana iraisana.  Ny iantsoana azy ireny dia ny hoe : maopera, pretra, frera,mpitandrina, pastora, pasitera, presbytera ny an’ny anglikana.  Noho izany dia ilaina ny fananana mpitarika araka ny tokony ho izy. Maro dia maro ny maniry ho mpitandrina na pretra na presbytera. Maro ny  fiangonana misokatra atsy sy aroa indrindra ny an’ny protestanta.  Marihina aty amboalohany fa tsy manana isa eto am-pelatanana aho fa raha mitodika ny lasa kosa aho dia 1/2 mponina  ary an keviny eo amin’ny ¼ ny protestanta ary ¼ ny  katolika orthodoxe.Fa ny isan’ny mponina koa dia mitombo ankehitriny.

Fa andeha aloha iresaka momba ny mpitarika na mpitondra fivavahana kristianina aloha satria tsara ny mahafantatra ny an’ny tena vao miresaka ny an’ny hafa hoy aho teo aloha . Eo amin’izay maha-protestanta aloha izany satria  zava-dehibe amiko ny fahafantarana sy mamakafaka ny an’ny tena. Manana foto-pinoana iraisana mantsy ny karazana protestanta ary ireto avy no anarana hilazana azy ireny : ireto ihany aloha no lazaina eto fa mbola misy hilazana azy any aoriana : Loterana, réformé, évangelique,  adventista, batista,ny anabatista, ny assemblée de Dieu, ny Pentecotista. Samy manana ny mpitandrina azy avy  izy ireo isam-piangonana . Ilaina ve izany ? Eny no valiny satria ny mpitandrina dia mifanerasera be amin’ny olona sy ny manodidina azy. Ny mpitandrina ao amin’ny fiangonana iray izay mety misy mpiangona 200 na 300 dia ny mpitandrina irery ihany no manao asa matihanina ao amin’ilay fiangonana. Fa ny sisan’izay dia olona manao asa an-tsitrapo.  Tahaka ny diakona izay miara-miasa amin’ny mpitandrina avy amin’ireo no voatendry ho filoham-piangonana raha toa ka tsy ny mpitandrina no mandray io toerana io, ao koa ny mpitantsoratran’ny fivoriana izay mitahiry an-tsoratra ny fivoriana rehetra amin’ny fivorian’ny diakona sy ny fivoriam-be. Andraikitra lehibe io satria ao no hahitana ny tantaran’ny fiangonana eo an-toerana any aoriana. Misy ny manao an’ireny io ho tandrevaka, nefa tena sarobidy ny soratra voatahiry. Ao koa  ny mpitahiry ny vola  voaray ao amin’ny fiangonana : rakitra sy vokatra, ao koa ny ho mpitarika ny sampana samihafa izay maro. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia voadidina olona maro izay miara-miasa an-tsitrapo amin’ny mpitondra ao amin’ny  fiangonana iray.  

Ho jerena manokana izany :

Ny mpitandrina, na pretra, na presbytera  rehetra izay mitondra fiangonana dia tokony nandrato fianarana teny amin’ny toeram-panomanana mifanandrifu azy ireny , ao ny sekoly pastoraly, ny kolejy teolojika, ny fakiolté na ny université eo amin’ny toerana niaviany na any amin’ny firenena ivelany… Maharitra 3 taona ny fianarana raha kely. Rehefa dinihina dia tsy ampy izany amin’izao fotoana androntsika izao. Aty Frantsa dia tsy afaka mitondra fiangonana ianao raha tsy efa nahazo ny baccalauréat en théologie : io tany amin’ny taona 1960 tany izay niova anarana taty aorina ka lasa Maitrise en théologie 1970 . Fa izao dia efa niova ho Master 2 izany tamin’ny 2000. Ary nahavita tsara ny lahatsoratra famaranana ny taom-pianarana izay hanohanana lohateny iray . Izany hoe nohalavaina ny fotoam-pianarana sy  ny fahaizan’izay mikasa ny hitondra fiangonana. Inona no anton’izany : satria ny mpiangona na ny olona mifanerasera amin’ny mpitandrina dia tsy ny ao am-piangonana ihany fa na ivelan’ny fiangonana aza. Tsy hoe mamaky ny Baiboly dia faranana amin’ny vavaka dia vita. Fa asa lehibe ny asan’ny mpitandrina. Ka mila fahafantarana zavatra maro. Ohatra fotsiny izao : raha jerena ara jeografia. Inona avy ireo anaran’ny Tanana hita ao amin’ny Baiboly ary niova toa inona izay amin’izao fotoana.

Na dia ny Baiboly aza no fototry ny boky hampiasaina dia tsy ampy izany fa mila boky fanampiny hafa. Ohatra ahoana ny fahafantaran’ny fandehan’ny fiainana tamin’ny andron’i Abrahama, na tamin’ny andron’i Farao, na tamin’ny toerana nisy an’i Jesosy tamin’ny fotoan’andro nahavelomany. Ahoana ny fomba fiainan’ny olona tamin’izany. Mila boky tantara na sosiolojia izany. Io teny Teolojia izay mahamaika ny sasany ary  mahasosotra ny sasany hafa dia mifono taranja maro izay tsy maintsy alalinina   teolojia izany hoe : ahoana ’ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra. Ny fitaovana voalohany dia ny Soratra Masina amin’ny Baiboly. Ny dikan’ny Baiboly mantsy dia : Boky : miisa marobe. Ary io boky io dia tsy voatery hoe ny mpivavaka kristianina ihany no mahazo mikasika azy fa ny olona rehetra. Satria toy ny boky rehetra mitahiry zavatra marobe izay mifangaroharo : ao ny kolon-tsaina isan-karazany niainan’ireo  firenena samihafa voatanisa  ao, ny ekonomia, ny politika, ny fahasalamana, ny fiaraha-monina, ny fambolena, hatramin’ny haingo  ary maro samihafa. Ka boky tsy tonga dia hoe tonga dia hivavahana fa boky mitantara ny zavatra niainana tamin’ny toerana voafaritra sy tamin’ny taona voafaritra.

Fa avy eo vao natao fototra hisintonana  ny fivavahana kristianina hahitana avy amin’ny alalan’ny soratra ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona sy nametraham-panontaniana ny amin’i Jesosy izay niaina tao anatin’ny tantara sy Jesosy Kristy izay voalaza tao aorian’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Havahako tsara ireo mba hampanontany antsika hoe inona izany. Jesosy dia ilay Andriamanitra tonga nofo. Nefa koa nandalo ny fahafatesana. Fa rehefa natsangan’ny Fanahin’Andriamanitra izy vao lasa Jesosy Kristy no hiantsoana azy izay tsy hitan’ny masontsika intsony. Jesosy dia hitan’ny mason’ireo mpiara belona taminy, Jesosy Kristy tsy hita maso. Izay no hitandremana amin’ny vavaka ataon’ ny maro tsy mijanona ilay « Jesosy » dia olombelona tahaka ahy sy ianao fa Jesosy Kristy no Andriamanitra na zanak’Andriamanitra ary tsindrina tsara fa ny Fanahin’Andriamanitra no nampitsangana azy tamin’ny maty. Tsara ny hahafantarana izay tena inoan’ny kristianina. Isaky ny 1mn isika dia « Jesosy ô, Jesosy ô » tsy misy farany.

Tsy ampy anefa ny Baiboly fa mila mampiasa koa ireo boky izay hahitana fanazavana ny tantaran’ireo firenena maro hita ao amin’ny ao amin’ny Baiboly. Ohatra fotsiny ahoana ny fiovaovan’ny saritany  misy ny toerana nivezivezn’i Jesosy tao amin’ny Testamenta vaovao. Tahaka izany koa ny dian’i Paoly tany Asia minora. Ny lalana nodiavin’ny hebreo niainga tany Egypta ka niafara tany an-tany Kanana. Moa ve ny hebreo ihany izay niova ho Zanak’Isrely no olona na firenena ao amin’ny Baiboly. Ny zava-dehibe iray koa dia ny hahitana tantara maro sy vonoan’olona izay hodiana tsy hita. Maro ny olona ripaky ny fahafatesana rehefa tao anatin’ny ady . Tsy miafina amintsika izany rehefa mamaky Baiboly. Inona no lesona azontsika avy amin’izany. Noho izany dia tokony hahavaky boky fanadiadina mihoatra ny iray ao anatin’ny herinandro ny mpitarika fivavahana raha tena vonona hiofana amin’ny asan’ny mpitondra fivavahana fa tsy hanao hoe : ny anay ny Baiboly ihany. Ka lasa toa ny boky majika ny Baiboly.

 Ilaina mahafantatra zavatra maro isika mpitondra fiangonana. Tsy azontsika atao fotsiny hoe amena, dia entina amam-bavaka ianao. Ohatra misy olona voadoam-pahoriana. Eo ilaina ny fahafantarana ny psycholojia fa tsy hoe : ekeo fotsiny re fa Andriamanitra mahalala izay mahasoa. Tahaka ny safosafontsika ilay fahorian’ilay mana-manjo na marary mafy dia tapenana amin’ny hoe : mivavaha re. Ary mahatonga tsy hahitan’ny olona fanazavana satria ianao mpitarika aza tsy afaka manampy ilay voadonam-pahoriana na ilay marary.  Ary maro dia maro ny milaza ho mpaminany tonga eto amin’ny firenentsika ka milaza fa izy no hanavotra an’i Madagasikara. Ny tena mpaminany tsy miambo amin’izany mihitsy ao amin’ny Soratra Masina hita ao anatin’ny Baiboly.

Miato eo isika fa dia hitohy amin’ny manaraka ny fhevitra hafa momba ny mpitondra fivavahana .

I Julia Darsot no nanoratra

Misaotra anao izay namaky hatrami’ny farany ary mametraka ny mandrapanoratra indray