Batisa iray

Ny sakramentan’ny Batisa dia hiainana ao amin’ny Fiangonana eran’izao tontolo izao. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no hanatanterahana izany.

Tsy misy ao amin’ny Baiboly ny teny hoe « sakramenta ».

Ny Fiangonana katolika dia manana sakramenta fito (7). Ireto avy : batisa, mariazy,fanosorana ny marary, ny ordinasiona,fivalozana,ekaristia,konfirmasiona.

Ny Fiangonana protestanta dia roa (2) ihany : ny batisa sy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Ny Fiangonana voalohany no nampiasa ny teny hoe sakramenta hilazana ireo asan’ny Fiangonana. Ny tantaran’ny kristiana voalohany dia ao amin’ireo epistily sy ny Asan’ny Apostoly no hahitana azy.

Iza no atao batisa ao amin’ny Fiangonana ?

Izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra. Tahaka an’ilay etiopiana niaraka tamin’i Filipo (Asan’ny Apostoly 8 : 26-40)

Misy ny Fiangonana  tsy manao batisa ny zaza na ny ankizy fa miandry an’izy ireny ho lehibe vao atao batisa. Ny antony dia heverina fa izay vao afaka manapakevitra ilay olona. Raha misy olona hafa vita batisa tany amin’ny Fiangonana hafa dia haveriny atao batisa indray.

Misy ny Fiangonana manao batisa ny zaza na dia vao teraka aza. Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana izany. Izy ireo no manatona ny mpitandrina na pretra mba hiara-manomana izany. Misy fifanakalozan-kevitra sy fampianarana. Ilaina ho fantatra koa ny antony hangatahan’ny ray aman-dreny batisa ho an’ny zanany. Ao amin’izany fotoana fiomanana izany dia ampahafantarina ny ray aman-dreny fa anjarany ny manazava amin’ny zanany ny antony nanaovana azy batisa. Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny zanany. Ny antony dia satria izy ireo no mahita ny zaza maharitra sy hipetrahany sy mamelona azy. Fa saingy ny mpitandrina sy ny pretra dia fotoana fohy ny hifaneraserany  amin’ny olona tsirairay.

Ny Fiangonana rehetra dia manao batisa ny olondehibe. Misy koa ny fanomanana amin’izany.

Misy olona izay somary sorena ny amin’ny fiomanana sy fampianarana. Heveriny fa fandaniana andro fotsiny izany. Misy ny milaza hoe : efa manolo tena ho an’Andriamanitra ka inona indray. Misy aza ny mahamaika azy rehefa misy  batisa dia ny fanaovana ny fanasana no mahavaky ny lohany. Ny olona antsoina, ny sakafo, ny akanjo …Mahafinaritra io. Fa tsy io ny zava-dehibe.

Inona no hampiasaina amin’ny fanaovana Batisa ?

Taloha dia naroboka tao amin’ny renirano izay atao batisa toa an’i Jesosy tao Jordana(Azo dinihina  ireto : Mat3 :13-17 ;Mar1 :9-11 ;Lio 3 : 21-22 ;Jao 1 : 29-34). Marihina fa ny batisan’i Jesosy dia batisa amin’ny maha-jiosy azy.

Ny kristiana voalohany koa dia nanao izany tao anaty renirano ; na koa nanorina toerana lehibe izay mety hahadifitra rano ny olona atao batisa.Mbola misy ihany izany manao toa izany ny fiangonana kristiana sasany.Tsy misy izay mahadiso izany rehefa tsara ny rano ka madio ary tsy hahatahorana fa mety hiteraka loza noho ny halalin’ny rano na mety ho safotry ny rano ny atao batisa na tsy hanimba ny fahasalamana satria mety hangatsika loatra.

Misy koa ny fanaovana batisa amin’ny fandrarahana rano eraky ny tanana eo amin’ny loha.

Misy koa fa vitsy any amin’ny tany hay tsy misy rano dia fasika no atao solon’ny rano .

Misy koa olona atao batisa satria mangataka izany izy fa efa tena lehibe amin’ny taona, na ao anatin’ny faharariana mafy. Tsy misy antony tokony handavana izany ka mbola hiandrasana fampianarana. Ny fihaonana sy fifampidinihina aminy dia ampy. Antenaina fa hahatsapa ny hetahetan’ilay olona ny mpitandrina na ny pretra.

Tsahivina fa ny batisa tsy hoe zavatra majika akory ka atao Batisa dia ho voavonjy. Fa satria efa nomena  ny famonjena ka izay no hanaovana batisa hankalazana ny fitiavan’Andriamanitra ilay olona.

Marihina fa ny   fianaran’ny ankizy ny Soratra masina ao amin’ny sekoly alahady na fianarana ho mpiray latabra amin’ny Tompo dia fanampina ny tsirairay hahatakatra ny antony hanaovana batisa sy ho fikolokoloina ny finoana.

Ny mampalahelo dia misy ireo Fiangonana izay tsy mitsodrano ny mpivady na dia efa vita soratra amin’ny fanjakana aza raha tsy vita batisa na efa mpandray ny fanasan’ny Tompo.Raha ny fiangonana protestanta no manao izany dia toa diso lalana satria mametraka ny fitsofandrano ny fanambadiana ho toy ny sakramenta. Raha izany no mitranga dia ilaina ny fandalinana tsara izany.

Misy koa ny maika  hanambady ka mangataka atao batisa malaky sy mianatra katekomena haingana ary tsy fantany akory ny heviny.Rehefa vita ny fitsofandrano dia hajanony ny fianarana katekomena . Izay no mampiseho fa tery vay manta fotsiny. Koa anjaran’ny mpitondra fiangonana sy ny diakona no mieritreritra.

Ny tsy fahafantarana ny hevitry ny batisa sy ny antony hanaovana azy no mahatonga ny olona hanome tsiny ny fivavahana, ny mpitondra fivavahana , na ny fiangonana rehefa tonga eo anatrehan’ny fahasahiranana izy .

Taloha dia nisy ny filazana hoe « batisa katolika sy batisa protestanta ». Raha misy aza protestanta manambady katolika dia natao batisa faharoa fa miova tanteraka manaraka ny finoan’ilay rangaha satria izay ny an’ny vadiny;.

Tahaka izany koa raha misy manambady protestanta dia manao batisa fanindrony satria izay ny finoan’ilay rangaha.Soa fa efa mihena ireo fomba ireo.

Olombelona no vadina fa tsy ny fivavahana akory.Satria ny fanerena olona iray hanaraka ny finoan’ny vadiny dia tsy ara-pilazantsara akory.Samy manaja ny azy sy ny an’ny vady.Mampanakarena ny fiainan’ny tokan-trano  aza ny tsy fitovina satria  afaka mifampiresaka sy mandalina miaraka ny mahasamihafa. Ny manenjana fa ny an’ny tena ihany no marina dia fahateran-tsaina, fitiavan-tena sy tsy ara-pilazantsara.

Aty Eoropa dia tsy misy intsony ny hoe « batisa katolika na batisa protestanta » fa batisa iray atao hoe « Batisa kristiana ». Akory ny hafaliako rehefa nampiharina io fitondrana io. Na dia naharitra taona maro aza ny fifanakalozan-kevitra sy fandalinana vao tonga amin’izany. Eo an-dalan’ny fandinihina izany koa ny Fiangonana katolika amin’ireo Fiangonana izay tsy manao batisa ny zaza. Mila faharetana, mila fahazavan-tsaina, mila fahendrena sy fanentren-tena. Tsy mora izany nefa dia entina amanbavaka mba ho tanteraka ny Batisa iray ho an’ny rehetra.Lavitr’ezaka nefa manantena fahatsarana.

Ho an’izay efa tafaroso amin’ny Batisa iray dia tsy tokony hitsara ny hafa. Fa miandalana ny fiovana. Na izany aza ny tsy fanekena ny Batisa iray ho an’ny rehetra dia miteraka fisarahana. Izay manohitra ny fijorona ho vavolombelon’ny Filazantsara.

Ny Matio 28 :19 « …Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batsisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina… »Izany hoe : tsy misy fanavakavahana .

1 Korintiana 12 : 13 … « … Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batisa antsika rehetra…. »

Izay no azoko avaly anao ilay nanontany ny amin’ny hoe « Batisa protestanta ». Izay tsy tokony ho tononina intsony satria iray ny Batisa.Misaotra indrindra.