Jaona 20 : 1 – 10

Nahoana kosa hoa ity Maria Magdalena no navelan’ny tapaka sy namana ary ny havana andeha irery ho eny am-pasana ? Ny andro anefa vao nihiratra.Toa tsy rotitra ny mpianatra izay nanaraka an’i Jesoa raha tsy nandre azy niteny hoe : “Nisy naka tao am-pasana ny Tompo. Tsy fantatra izay misy azy”.

Nahoana no tsy ho kivy ity ravehivavy ity ? Nanara-dia ny Tompo hatraiza hatraiza nefa dia tsy hahita ny fatiny akory.

Nihazakazaka i Petera sy ny mpianatra iray (tsy voalazany anarany).Tsy naharaka azy  Petera . Nilaozany. Tonga taloha teo amin’ny fasana ilay mpianatra. Tsy mbola sahy niditra tao izy.  Petera kosa niditra tsy nisalasala satria izy no heverina mahalala kokoa an’i Jesoa

Nahoana kosa hoa no tsy ho taitra sy diso fanatenana satria zavatra hafahafa no hita ao amin’ny fasana.Niala ny fatorana. Ny lamba teo an-dohan’i Jesoa dia voalamina tsara ery lavidavitra ery.

Izay vao niditra ilay mpianatra tsy fantatra anarana. Nahita ny zavatra teo izy ary dia nino. Tsy nametraka fanontaniana  tamin’i Petera. Tsy nisy resaka tamin’izy roa lahy. Tao anatin’ny fahanginana dia nino izy. Nahoana koa no hitabataba ao anaty fasana na dia mety hisy aza ny fahatairana.

Efa nanafatra koa Jesoa fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo aorian’ny nahafatesany. Saingy hadinon’ny mpianatra izany. Sarotra ho andrizareo koa tamin’izany fotoana izany ny manaiky ny zavatra mitranga. Satria akaiky sy haingana ny fandehan-zavatra.

Inona no nitranga tamin’ity mpianatra ity no tonga dia nino izy? Tsy misy valiny eto. Raha isika no teo amin’ny toerany inona no eritreritsika?

Raha io voalaza io dia velona Jesoa, nitsangana tamin’ny maty tokoa. Izay ny finoan’ny kristiana.

Azo lazaina fa nihintsana ny fatorana rehetra sy izay navesatra na nanangeja.

Raha velona miaraka amin’ny Tompo ny kristiana dia tsy maintsy mametraka ny fatorana rehetra. Ary mitsangana. Mandeha. Raha tsy izany dia mbola te-hifatotra ao anaty fasana ka fahafatesana no handrasana.

Marobe ny fatotra indrindra amin’izao fotoana izao: ny fanodikodinam-bola, ny halatra, ny famonona ary heverina ho toy ny fivelomana aza izany, ny mifoka rongony , ny mampijaly amin’ny fomba samihafa, ny fikasana ny hamaly faty, ny maneso, ny mifosa,ny mandatsa sy ny tsindrio fa lavo, ny manararaotra ny fahantran’ny hafa, ny lainga sy ny endrinkendrika , ny hompa, ny hatezerana, ny fivarotan-tena samihafa , ny risoriso, ny manao fandrika, ny manenjika fotsiny izao, ny faly amin’ny fahalavon’ny hafa, ny fampihorohorona, ny manodikodina ny sain’ny hafa ka mody atao hoe: tenin’Andriamanitra izany .Raha tsy miala izany dia mitoetra ao am-pasana.

Misy dia misy ny miaina sy mivelona amin’izany. Tsy iriny akory ny ho afaka ary lavitra azy ny saina mitady fiadanana sy fandriam-pahalemana. Ny masaka ao an-dohany ny fanakorontanana.

Nefa ny Zanak’Andriamanitra efa tonga hitady sy hamonjy izay voageza ka mialoka ao amin’ny fahafatesana.  Izay mino an’i Jesoa Kristy velona dia manafoana ho azy ireo fatotra voatanisa ireo. Fa raha tsy izay dia mifikitra ho amin’ny ratsy ka mamono tena no mamono ny fireneny. Lavitra ny fitiavana, ny famindrampo, ny hazavana, ny fahamarinana. Nahoana kosa no mikiry ao amin’ny fahajamban’ny fahafatesana? Maria Magdalena aza tao anatin’ny andro mbola nanginrandratsy ny nitady ny Tompo. Satria nitady famonjena. Fa nahoana kosa no misy mandà izany. Ny Tompo Andriamanitra tsy miangatra fa izay mitodika Aminy dia tsy laviny. Ary omeny fahafahana ho velona tanteraka ho tonga zanak’Andriamanitra koa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny Fanahy Masina hanampy anao ho amin’izany. Hangataho ary mivavaha. Fa velona tokoa ny Tompo. Tianao ve ny ho velona miaraka Aminy ?