Dia indro aina vao
Izay natory ela tao
No injao nitroatra foana
Tao anaty zava-poana
Dia nanerana ny tany
Sy nanala ny tomany

Ka hatramin’ny hazo nianjaka
Fa niseho ho natanjaka
Niady tamin’ny ririnina
Nefa tsy nahavita inona
No indro koa nahazo hery
Ka nanomboka nampiery
Ireo taolana tavela
Tamin’ny ady naharitra ela.

Fa ny aina izay ho ahy
Hampitraka ny fanahy
Dia avy Aminao ry Ray
Aina hanangana indray.
Ka ny rombakin’ny fasana
Dia ho foana sy ho lasana

Amena !