JAONA 20 : 22

Efa diso hay loatra ny tantaran’ny Pentekostra araka izay hahitantsika ao amin’ny Asan’ ny Apostoly ; ka mazàna aza angamba indraindray toa heverina ho tsy misy zava-baovao ho fantarina intsony ao anatiny satria toa efa hay iteo zava-nitranga, hay ny zava-naterany teo amin’ny mpianatra, hay ny vokatra azo noho ny nilatsahan’ny Fanahy Masina, Na izany aza dia azo lazaina hatrany fa tant ara manana izay mahizy azy ny Pentekostra, satria manana ny tœrany eo amin’ny tantaran’ny famonjena.

Ny Apostoly Jaona anefa dia mitantara amin’ny fomba hafa ny tantaran’ny Pentekostra. Napetrany ho ny hariva ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no fotoana nandraisana ny Fanahy Masina.. Izay voalaza ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona toko 20 : 19-23 dia hahitantsika fijery hafa tsy dia mahazatra loatra nefa heverina fa tsara ihany ny mamakafaka azy izany.

Ny harivan’ny andro Pasaka dia tonga JESOSY niseho tamin’ny mpianatra izay nihidy aman-trano tao amin’ny efitrano ambony noho ny tahotra. Nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Efa notantaraina tamintsika izany tamin’ny Pasaka, izay asiantsika teny fotsiny dia ny hafaliana naterak’izany tamin’ny mpianatra.

Rehefa izany dia hoy JESOSY taminy : Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. Maniraka ny mpianatra Izy hamita ny asa nanirahan’ny Ray Azy, Jesosy aza nilaza mihintsy hoe lehibe noho ny nataony ny asa miandry ny mpianacra.

Na dia tsy voatantaran’i Jaona aza dia azo sainina ihany ny ahiahy nahazo ny mpianatra, manoloana izany havesatry ny asa nanirahana azy izany. Hilana hery izany ary inona ny hery entina manao izany asa izany afatsy ny herin’ilay nitsangana tamin’ny maty ka nandresy na dia ny fahafatesana aza. Izany no heverina ho nahatonga an’i Jaona hampitohy ny Pasaka sy ny Pentekostra.

Ary dia hoy ny fitantaran’ny Apostoly Jaona : « Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina » (Jaona 20 : 22)

Mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly manao hoe : « ary nisy feo tonga tampoka avy any andanitra, toy ny rivotra mahery mifofofo,  » Rivotra vaovao, fofonaina vaovao no nomena ny mpianatra. Raha milaza isika hoe : fofonaina dia mahatsiaro indrindra ny fâmoronana nanomezan’Andriamanitra ny fofonaina mahavelona. Olombaovao izany, olon’ny fanekena vaovao, nahazo hery nomen’ny Tompo azy, dia ny herin’ilay efa nitsangana tamin’ny maty ary manana ny fahefana rehetra amin’ny ratsy sy ny fahafatesana no tokony ho olona hanatanteraka ny asa nanirahan’ny Tompo azy. Notohizan’ i Jesosy ny teniny avy eo ka hoy Izy : » Raiso ny Fanahy Masina  » Toy ny nifanjohy ny fihetsiny sy ny teniny mba hanambara izany fanomezana ny Fanahy Masina izany.

Koa raha mankalaza ny fetin’ny Pentekostra isika dia ny fampitana indrindra ny hery nateraky ny firsangan’ny Tompo tamin’ny maty, no voalohany tsy maintsy himasoahana. Izany no asa lehibe miandry ny Fiangonana. Mila hery vaovao izany , mila aina vaovao, mila fahaterahambaovao.

Lehibe ny asa napetrakin’ny Tompo aminao. Efa nomena anao ny Fanahy Masina natolotry ny Tompo. Herin’ilay nitsangana tamin’ny maty, lelafo entina handoro ny tsy metinao rehetra izany, ary fofonaina hamelona anao ho Fiangonambaovao koa.