TENY HOVAKIANA

ISAIA 66 : 10-14

GALATIANA 6 : 14-18

LIOKA 10 :1-20

Raha mandinika ireto andininy natao ho torina ireto isika dia mahita fa tena toro-marika napetrak’i Jesosy ho an’ny ny Mpitory ny filazantsara. I Lioka dia ilay namana tsy nahafoy an’ i Paoly izay natsoina hoe Apostolin’ny jentilisa no nitantara izany eto.

Ny isan’ny hafatra dia ny hoe tsy natao fotsiny ho an’ny mpitandrina sy ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Fiangonana ny Filazantsara.. Tamin’ny fotoana nanoratan’i Lioka ity tantara ity dia betsaka ireo fiaraha-mivavaka tany amin’ny vohitra jentilisa. Nisy tamin’ireny fiara-mivavaka ireny izay tsy ny apostoly mivantana no namorina azy, fa vokatry ny nataon’ireo lehilahy sy vehivavy izay nivezivezy noho ny asa ary dia nanararaotra nitory an’i Jesosy. I Lioka dia manambara eto fa i Jesosy mihintsy no niavian’izany. Tsy naniraka ny roa ambin’ny folo lahy fotsiny Jesosy fa eto dia naniraka koa fito-polo lahy. Tsy natokana fotsiny ho an’ny Mpitandrina sy ny Mpitoriteny ny fitoriana ny Filazantsara fa anjaran’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo. Tsara marihina ihany fa ny Baiboly frantsay sasany ohatra dia nilaza ny isa roa ambin’ny fito-polo ary tsy nilaza hoe lehilahy daholo. Mino isika fa ho nisy vehivavy noho izany ny nirahina. Tsy afaka mialangalana noho izany ny kristiana rehetra fa tompon’antoka amin’ny fitoriana filazantsara na lahy izy na vavy.

Nafarana koa ny iraka fa tsy ilaina fisehoana loatra ny fitoriana ny filazantsara fa fiaraha-miasa. Nirahan’i Jesosy tsiroaroa ny iraka. Marina fa teo amin’ny lalàna jiosy dia nilaina ny nisin’ny olona iray izay ho vavolombelona amin’izay rehetra atao, nefa na dia izany aza dia zava-dehibe tamin’ny Tompo ny fiara-miasa.

Tsy tompon’ny asa velively ny iraka fa fiasana ihany izy. Nalefa hialoha lalana amin’ny tany izay halehan’I Jesosy hoy Lioka. Ny andraikitra napetraka amintsika noho izany dia tsotra dia tsotra nialoha lalana ihany. Ny asa dia Jesosy no ho tonga hanatotosa azy..

Hoy ny Tompo : » be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy ». Ny isa fito-polo dia efa betsaka, betsaka lavitra noho ny roa ambin’ny folo nefa dia nolazain’i Jesosy fa tsy ampy izany. Tokony hisy mpiasa hatrany hanampy. Nahita lavitra Jesosy ary mahafantatra tsara ny halehiben’ny asa. Ny fijinja ny vokatra dia saika hitatsika ao amin’ny Soratra Masina ary nentina nanambara ny andro farany Efa hatomotra ny farany ary dia betsaka ny olona tsy maintsy ho vonjena. noho izany mila mpiasa. Teo amin’ny tsy fisian’ny mpiasa ny valiny nomen’i Jesosy dia ny vavaka : »Mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra ». Tamin’i Jesosy ny famonjena tsy asan’olombelona fa an’Andriamanitra . efa nivavaka mba hisin’ny mpiasa hamory ny vokatra va isika ? Sa heveri,tsika fa manelingelina antsika ny fisin’ireny ka tsy hahazoantsika voninahitra.

Tsy nafenin’I Jesosy koa ny hamafin’ny asa, mety hihatra amin’ ny aina mihintsy. Hoy Izy : « Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny ambodia.” Ny mpianatra dia tahaka ny zank’ondry, tsy ondry afaka miaro tena akory fa zanak’ondry eo afovoan’ny andin’ambodia. Aoka anefa tsy ho raisina ara-bakiteny loatra izany. Samy tian’ny Tompo na ny mino na ny tsy mpino. Izay tiany ho lazaina dia mila azy Mpiandry isika hiaro antsika. Tandindon-doza foana ny Fiangonana ka handinika ny hoe : fankatoavana ny niantsoan’Andriamanitra antsika handeha hiasa.

Izay hita eto koa dia ny tsy fisian’ny toro-marika hentitra amin’ny fomba hitoriana na ny votoatin’ny zavatra ho lazaina. Izay nambarany dia ny tokony ho toetran’ny mpitory : ny fomba fitafiny, ny zavatra ho entiny, ny fomba fifandraisany amin’ny olona. Ny Iraka dia hitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fomba fiainany. Notsipiana eto koa ny mikasika ny fahantrana : « Aza mitondra kitapom-bola sy kitapom-batsy… » Izay tiany tsindrina dia ny hahafantaran’ny iraka fa tsy asan’olombelona ny asa fa an’Andriamanitra. Nambarany koa fa maika ny asa ka tsy tokony hitaredretra eny an-dalana ka ho lany fotoana amin’ny fifampiarahaba aza.

Tokony ho taratra eny amin’ny iraka koa ny fiadanana, ny hafaliana satria hitondra fiadanana no nanirahana azy. Ny Filazantsara koa ry havana dia natao hahazoantsika mapita fiadanana ho an’ny olona rehetra. Ary adidin’ny mpitory ny manambara izany. Ny olona hitoriana no mety mandray na tsy mandray izany.

Tsy natao koa hijerena tavan’olona ny fitoriana. Lasa lavitra ny ny nadidian’i Jesosy ireto iraka ireto izay saika Jiosy daholo, nefa eto Jesosy dia miteny hoe « Mihinana sy misotro izay rehetra omeny. » Mety hisy sakafo tsy madio ao nefa nasain’ny Tompo hanina Efa hita taratra sahady eto ilay filazana natao tamin’i Petera tany an-tampo-trano manao hoe : « Vonoy ka hano ». Sary ihany nefa nanambara ny tokony handraisana ny rehetra eny fa na dia ny jentilisa aza. Asa re fa indraindray ny samy kristiana aza tsy mety hifanatona. Iray Fiangonana, iray tanana, iray trano aza tsy afaka mifandray.

Niverina tam-pifaliana ireo iraka fitopolo. Tsy nisy nitantara ny zava-tsy nety loatra fa saika ny fahombiazana no voalaza betsaka. Nandresy ny ratsy saika izy rehetra ka na ny demonia aza nanaiky azy. Nisy indro kely anefa nambaran’I Jesosy tamin’ny fifaliany. Tsy voninahitra velively akory no tena zava-dehibe ka hirehareha noho ny fahombiazana fa ny fiara-miasa hahatanteraka ny fanjakan’Andriamanitra