TENY HOVAKIANA

Asan’ny Apostoly 10.34-43

romana 6.3-11

LIOKA 24 : 14-35

Raha niezaka nitady ny toerana misy an’i Emaosy ny mpandinika dia nilaza fa misy toerana efatra afaka mamaly tsara ny misy azy any Palestina . Ary ireo raki-tsoratra hananana dia heverina ahafahana milaza fa 60 ka hatramin’ny 160 stadio miala an’i Jerosalema no mety misy azy. Toa manambara amintsika izany fa ny misy any Emaosy dia izay toerana niarahan’ny olona nadeha tamin’ny Tompo nefa tsy fantany. Ary moa tsy mazàna mihatra amintsika izany. Eo ankaikintsika mandrakariva Andriamanitra saingy tsy fantatsika,. Hoy Jaona Mpanao Batisa : « Eo aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo » Jaona 1 : 26.

Eny ry havako malala miaraka amintsika mandrakariva Jesosy, araka ny efa nolazainy, ambara-pahatonga ny fahataperan’ izao tontolo izao Matio 28 : 20 Ny Filazantsara no manambara amintsika androany fomba roa hahazoantsika mamantatra an’i Jesosy velona eny an-dalana ombantsika. Eo amin’ny fiainantsika indraindray dia misy ny fahakiviana, ny fahadisoam-panantenana. Mafy loatra mazàna ny fiainana ka toa teha-hikiaka isika hoe :  » Misy ihany ve izao Andriamanitra izao ?  » Nefa Jesosy tsy lavitra antsika. Eo Izy ao anatin’ny fahatsotsatsika sy ny fahalementsika aza izy. Mety ho mahafantatra betsaka ny momba an’i Jeosy isika saingy tsy tena mahalala Azy tanteraka. Noho izany dia toa miafina amintsika Izy. Toa ny nandao antsika mihintsy aza no iheverantsika azy. Kanefa dia eo Izy. Izy roa lahy nandeha ho any Emaosy ireto dia tena kivy tanteraka. Nefa dia tena nahafantatra an’i Jesosy. Fantany tsara fa avy any Nazareta Jesosy. Nambarany fa Mpaminany lehibe, mahery amin’ny teniny sy ny asany, nitory teny tetsy sy teroa, nanasitrana, nanao fahagagana, voaheloky ny mpisorona ho faty, nohomboina tamin’ny hazo fijaliana. Ary nanampy izany dia nambarany fa ny vehivavy namany dia nilaza fa foana ny fasana nandevenana Azy, nolazaina aza fa nahita anjely ireo vehivavy ireo izay nilaza fe velona Jeosy. Raha ny marina dia ny Filazantsara iray manontolo mihintsy no notantarainy. Koa nahoana no kivy ? inona no tsy ampy ? Ny Finoana. Hay tsianjery ny fanekem-pinoana fa tsy latsaka tao am-po. Jesosy niteny azy mafy hoe : « Ry adala sy votsa saina, ka tsy mino… » Moa ry havana tsy toy izany koa va isika indraindray, hany ka tampina ny masontsika ka tsy mahita an’i Jesosy.

Fantatry ny Tompo ny tsy ampy tamin’izy roalahy. Noho izany dia nilainy ny niara-nijery tamin’izy ireo ny Soratra Masina amin’ny fomba hafa. Nasehon’ny Tompo tamin’izy ireo ny tantaran’ny famonjena. Natombony tany amin’ny Mosesy izany ary nohezahany ny hahafantaran’izy roalahy an’ilay Famonjenan’Andriamanitra, maty ary nitsangana tamin’ny maty. Raha tsy fantatr’izy ireo izany na dia eo ankaiky aza ny Tompo mbola tsy ho hitany ihany. Ny fihezahantsika hamaky ny tenin’Andriamanitra, ka hitady ao anatin’izany Ilay maty nefa velona no fomba iray hahitantsika ny Tompo. Ny soratra Masina, tenin’Andriamanitra iainantsika no hisokafan’ny masontsika hahita ny Tompo eo akaikintsika. Izay ny fomba voalohany nasehon’i Jesosy.

Fa na izany aza tsy mbola nahafantatra ny Tompo ihany izy roalahy. Tsy nisokatra ny masony raha tsy efa nandray ny mofo Jesosy ary rehefa nisaotra dia namaky ny mofo ary nalotro azy izany. Lasa Ilay vahiny indray no tompo trano. Raha tsy avelantsika hanjaka ao an-tokatranontsika ny Tompo tsy hahita Azy isika. Raha mbola ataontsika ho filan-tsy mahita ihany izy, ka rehefa sahirana vao antsoina, tsy hahita azy isika. Hoy Jeosy : »Indro efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandodona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarany dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy ho amiko.  » Raha tsy miray tanteraka amin’ny Tompo isika, dia mbola tsy hahita Azy. Ny hangatahako dia ny hahazoanao hahita Azy.