TENY ho vakiana

2 Tantara 36.14-23

Efesiana 2.4-10

Jaona 3.14-21

Tamin’ny heriny dia hitatsika fa nanao fihetsika izay manambara fiovana be Jesosy. Ary izany no dikany ny nadroahany ny mpivarotra tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema.

Androany dia hiditra misimisy kokoa isika. Ary ho jerentsika izay hiseho satria ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia seho iray mikasika koa ny olombelona. Miankina amin’ny fandraisantsika ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany ny fahafatesantsika na ny fahavelomantsika. Manery antsika ny Tompo hifidy androany.

Niresaka tamin’i Nikodemosy momba ny fahaterahana indray Jesosy ary noraisiny tamin’izany ny momba ny menarana varahina izay natsangan’i Mosesy tany an’efitra. Ny menarana varahina dia natsangan’i Mosesy tany an’efitra raha nandripaka an’ny Zanak’Israely ny menarana afo, izay mijery ilay menarana varahana na dia voakaikitra aza dia velona. Nasehon’i Jesosy fa tandidon’ny hanombohana azy io menarana varahina io. Izay mijery an’i Jesosy maty teo ambony hazo fijaliana ka mino azy dia ho velona.

Izay no hafatra voalohany omen’ny Tompo antsika. Lehibe ny hafatra : » Izay olona manantena fa afaka hamonjy ny tenany irery dia ho faty, satria tsy misy famonjena ho azy raha tsy manampy azy ny Tompo. Ary izany na toa inona na toa inona fahaizany sy heriny »

Jesosy no fiasana nentin’Andriamanitra, tsy hoe hahatonga antsika tsy handalo fahafatesana fa kosa hahatonga izany fahafatesana izany ho fitana ho any amin’ny toerana tsaratsara kokoa. Izany no nahatonga an’i Jesosy niteny ireo teny malaza voarakitra eto amin’ity Filazantsara araka an’i Jaona ity hoe : »Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay »

Ary io fiainana tsaratsara io tsy zavatra nofinofisina fotsiny akory, i Paoly dia niteny hoe : » Koa tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjaka amin’ny olomasina sady akohonan’Andriamanitra » Ny fahazoana izany tsy noho ny zavatra nataotsika fa fanomezana maimaim-poana. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Jesosy dia hitsangana amin’ny maty koa isika. Ary mandram-piandry ilay fitana dia efa miaina dia eny izao ny fanjakan’ny lanitra isika

Koa anio raha manaiky hamohan’ny varavaran’ny fotsika isika ary hijery an’i Jesosy Kristy tahaka ny Zanak’Israely nijery ny menarana varahana ary miandry ny mazava izay hanova antsika raha izany dia ho hafa ny fiainantsika. Ho tsapatsika fa tsy ny asa hataotsika no zava-dehibe fisehon’ny faneketsika ny Tompo ihany izany fa ny Tompo no maha-mpanana anjara antsika amin’ilay fiainana vaovao.

« Tompo ô ! ataovy mahatsapa izahay fa izay mino Anao no manana ny fiainana mandrakizay ».