TENY ho vakiana
Isaia 25.6-9
Filipiana 4.12-20
Matio 22.1-14
Zava-manaitra hatrany ny fampakaram-bady. Tomefy olona ny lalana rehetra alehan’ny mpanambady Tsy ho azy roa nifampakatra ihany fa ho an’ny fianakaviana sy ny ray aman-dreny. Ary satria zava-dehibe dia tsy maintsy misy hatrany ny sakafo. Miova tsy sahala amin’ny sakafo an-davan’andro izany ary nokojakojana ery.
Eto amin’ity fanoharana ity dia miresaka fanasana, sakafo fampakarambady ny zanaky ny mpanjaka Jesosy. Izany hoe : fanasana tsy manam-paharoa no noresahany. Noho ny halehiben’ny fanasana dia tsy maintsy betsaka ny nasaina, hanim-pito loha ny sakafo. Raha ataotsika indray mijery ny tantara nambaran’i Jesosy dia misy karazany telo ny olona hanatrika, na nanatrika ny fanasana.
Ny voalohany dia ireo heverina fa olo-manakaja. Satria olona ambony dia navahana tamin’ny rehetra ka hanana anjara amin’ny fanasana fampakaram-bady. Raha ny tokony ho izy dia voninahitra tsy misy ohatr’izany. Ny mahagaga sy manaitra anefa dia voalazn’i Jesosy fa nandaha ireto nasaina ireto. Zavatra roa no mety ho antony.
Ny voalohany dia tsy nisy vidiny taminy ilay fanasana. Angamba aza nahasosotra azy ny nasaina tamin’io fanasana io. Misy antony hafa mitranga eo amin’ny fiainany mbola heveriny fa ambony no io fanasana io. Lasa lavitra izany ka dia nisy tezitra mihitsy ka namono izay nirahina hanasana azy ireo ho ao amin’ny fanasana. Nefa ve ry havana tsy toa izany tokoa ny zavatra mitranga amin’izao fotana izao. Manasa ahy ho amin’ny fanasan’ny Tompo. Dia hoy aho : « Aiza ary ny fotoana mba hialako sasatra. Ny herinandro manontolo dia ny asa foana no mameno ny fianako io alahady io no mba hipetrahako dia mbola handeha ho any am-piangonana indray ve aho ? » Na koa hoe : » Io no fotoana natokanay mianakavy mba hitsangatsanganana » Na ny hoe alina manontolo dia tany amin’ny alim-pandihizana izahay, tena tsy azo nialana mihintsy ny tany satria ny lehibenay no nikarakara azy koa tsy ho tratra intsony ny ho any am-piangonana, sy ny sisa…
Ny faharoa dia tsy misy hajany taminy ny mpanasa. Raha mba nisy fanajana ny mpanjaka izay nanasa azy mantsy tamin’ireo nasaina ireto, dia tsy handaha ny hanatrika ny fanasana akory izy ireo. Na dia eo aza ny fahasahiranana dia tsy maintsy halamina izany satria olona ambony loatra no manasa. Na dia ao aza izay mety tsy fitiavana na tsy fahakasitrahana ny fanasana dia tsy jerena izany satria omena hajany ilay mpanasa. Moa tsy toa izany koa isika. Toa tsy misy vidiny amitsika intsony Andriamanitra. Rehefa miakatra ny farim-piainan’ny olona dia mihena koa eo aminy Andriamanitra. Ho any am-piangonana ve ? Tena mety hahafinaritra izany satria mety hifankahita amin’ny namana maro. Saingy indro kely iza indray amin’izao andro iainantsika izao no mbola hilaza fa misy izany Andriamanitra izany. Mba tsy hilazana fa voalemn’ny fivavahana ny tena dia tsy mandeha intsony any am-piangonana.
Ny karazan’olona faharoa dia ireo izay nasaina hameno ny trano rehefa tsy tonga ny nasaina. Izao no voalazan’ny Filazantsara araka an’i Matio ; « Dia hoy izy tamin’ny mpanompony : Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy mendrika. Koa mankanesa hianareo any amin’ny sampanan-dàlana, ary izay hitanareo any amin’ny sampanan-dàlana, dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady. Dia nivoaka ho any amin’ny làlana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara ; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. » Izany hoe raha atambatra dia ny olona rehetra tsy misy avakavaka no nasaina hiditra ao amin’ny fanasana. Natao indrindra ho an’ny Jiosy ity fanoharana ity, dia ireo Jiosy tsy nanaiky an’i Jesosy ka nanome toerana ho an’ny jentilisa . Nefa koa ve tsy misy teny tian’i Jesosy hatao amitsika. Dia isika izay efa natsoina nefa dia mandaha indraindra mba tsy hilaza hoe mandaha mazàna. Tsaroana eto ny tenin’i Jesosy hoe : Ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no hialoha lalana anareo anya m-paradisa. Fa koa misy lesona tian’i Jesosy ambara amitsika. Moa indrindray tsy fiangonana natao ho an’ny mana-karena, na mana-pahaizana, na ny madiodio ny fiangonana misy antsika. Jesosy anefa manasa ny rehetra tsy misy an-kanavaka.
Ny karazan’olona fahatelo dia : ilay lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Na dia niantso ny rehetra ho amin’ny fanasany aza ny mpanjaka dia misy fenitra ihany tsy maintsy tanterahana. Eto dia ny mitondra ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Ny fijerena ity lehilahy dia maharikoriko ny rehetra satria hita ho tsy niomana ho amin’ny fanasana izy. Marina fa ho an’ny rehetra ny famonjena fa kosa mila zavatra avy amitsika koa dia ny fiovana. Tsy maintsy mitafy ny fiainan’ny olom-baovao vao tafiditra ao amin’ny fanasana.
Koa iza amin’ireo karazan’olona ireo isika. Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra. Manasa ny rehetra Izy. Nefa mila koa fahavononana avy amitsika ny fanasana hataony.
Comments by Laza RAFENONIRINA