TENY HO VAKIANA

ISAIA 61 : 1-2, 10-11

I TESALONIANA 5 : 16-24

JAONA 1 6-8, 19-28

Miditra amin’ny alahady fahatelon’ny Advento isika anio. Ny advento moa dia iray volana, izany hoe alahady efatra alohan’ny Krismasy. Ho an’ny kristiana malagasy, indrindra ho an’ny protestanta, dia resahina ihany ny momba ny advento saingy tsy fantatra loatra ny tena lanjany. Nefa eo no manomboka ny taona kristiana. Napetraka ireo alahady efatra ireo mba ho fiomanana mandray ny Krismasy. Dia hoy isika hoe : « Angaha moa mila fiomanana ny mandray ny krismasy ? » Toa ny milaza isika hoe : »Angaha moa mila fiomanana ny mandray ny Tompo  ? »

Tamin’ity taona ity dia naompana tamin’ny tsy maha eo ny Tompo ny Advento. Ny Filazantsaran’i Marka izay voapetraka ho dinihina tamin’ny 1 desambra dia milaza fanoharana momba ny olona iray nandao ny tranony ary nametraka ny fananany tamin’ny mpanompony. Marka 13 : 33-37 Nitohy ny 8 deasambra izany ka nitakiana ny fiverenan’ny Tompo.

Nefa rehefa mandinika isika moa ve tsy tena tsaroana tokoa ny tsy maha eo ny Tompo. Eo tokoa ve Izy dia ho izao fahoriana be izao no hita eto amin’izao tontolo izao. Eo tokoa ve Izy dia ho hita be tahaka izao ny tsy fitoviana ka ny manana ihany no manana. Eo ve izy dia mivoatra be tahaka izao ny fanjakazakana atao ny mahery. Raha eo Izy dia miangatra Izy. Fa ny tena maha-lasa fisainana dia ny hoe sao dia tsy nisy mihintsy ary Izy, fa tsy hoe tsy ao fotsiny. Inona indray moa no ilana Azy, satria na eo Izy na tsy eo toa vita ihany ny fianan’ny olombelona.

Ho an’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa koa dia tsaroany tokoa izany tsy nahateo an’Andriamanitra izany. I Malakia no mpaminany farany ary hatramin’izay dia toa tsy niteny intsony Andriamanitra. Nony nitranga i Jaona Mpanao Batisa dia maika ny olona ka nanotany azy hoe : Hianao va no Kristy ? Tsotra ny valiny nomen’i Jaona : « Tsy izaho no Kristy fa… eto aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo …tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. » Jaona 1 : 26-27 . Hay Andriamanitra tsy lavitra antsika akory fa eo ihany Izy saingy tsy hitantsika na tsy fantatsika. Takony ny rendrarendran’izao tontolo izao Izy ka tsy hitantsika. Merenin’ny horakorak’izao tontolo izao isika ka tsy re intsony ny feony.

Nitohy ihany ny fanotaniana napetrakan’ny Jiosy :  » Elia va hianao  ?… Ilay Mpaminany va hianao ? » Valiny  : « Tsy izy aho… Fa iza ary hianao … Izaho ny feon’ny miantso mafy any an’efitra. » Jaona 1 : 20-23. Dia hoy isika angamba raha lazaina hoe Elia i Jaona Mpanao Batisa dia tsy marina izany fa ahoana kosa no tsy nanekeny ho ny Mpaminany. Mpahazo antsika ny manora-tena mazàna. Tsy hanotaniana akory dia maika ery hilaza ny hoe : Pasitera aho, Diakona aho sns… Angamba tsy misy maharatsy izany saingy takonantsika Andriamanitra ka isika no tiantsika haseho mialoha. Miteny matetika isika hoe : Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Saingy am-bava ihany izany indraindray.

Izay zava-dehibe tamin’i Jaona Mpanao Batisa dia ny iraka nomena azy dia ny hanamboatra ny lalan’i Jehovah. Rehefa tsy manaiky ny aroso mialoha isika dia tsy maintsy koa misaina ny hanatotosana ny iraka nampetraka tamintsika ny hanamboatra ny lalan’i Jehovah. Sy hanomana ny olona handray Azy amin’izao Krismasy izao.

Misy antokom-pinoana izay tsy mba mankalaza ny Krismasy, aminy mantsy dia tokony ho Krismasy foana ny andro rehetra satria tokony ho teraka foana isan’andro ao am-potsika Kristy. Raha izany dia tokony ho isan’andro ny iraka nomena antsika dia isika ilay manaiky ho ny feo miantso any an’efitra.