TENY ho vakiana
Jeremia 20.7-9
Romana 12.1-2
Matio 16.21-27
Efa tena mahazatra antsika angamba ny fanekem-pinoana ka tsy dia nanaitra antsika loatra ny firafitry ny teny ao aminy. Andeha anie averitsika kely izany e ! ka ny mikasika ny Zanaka no jeretsika : » Mino an’i Jesosy Kristy Zananilahy Tokana Tompotsika, izay notorotonina tamin’ny Fanahy Masina,naterak’i Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana… » Ny mahalasa fisaina dia ny fahitana fa tao aorinan’ny naterak’i Maria virjiny dia avy hatrany dia mitsambikina amin’ny hoe : »nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato. Toa hadinon’ny fanekem-pinoana ny elanelana tamin’ny ireo fotoana ireo. Nefa dia nisy telopolo taona mahery ny elanelana tamin’ireo. Ny hita dia toa notsindrin’ny fanekem-pinoana ny nijalian’ny Tompo ary ny nomeny toerana be ny fampijaliana nahazon’ny Tompo sy ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana.
Ny fijeretsika ny tantara voalazan’i Matio nalahatra ho toriana androany no mety hamaly izay mety ho fanotaniantsika. Vao avy nanao ny fanekem-pinoana manafinaritra i Petera : « Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona », no indro Jesosy milaza ny hijaliany, nolazainy fa : « hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna Izy, dia hovonoina ». Tamin’ny Petera koa misy banga tao. Ny Banga dia ny fahagagana betsaka nataon’i Jesosy. Ny noheveriny fa tsy mety dia ny handalovan’i Jesosy ireo voalazany ireo nefa Jesosy vao nekeny teo fa Zanak’Andriamanitra velona. Ny fihetsik’i Petera raha ny maha-olombelona dia tsy misy mahadiso mihintsy. Koa nahoana i Jesosy no niteny mafy azy. Vao teo izy no nolazain’i Jesosy fa ny vatolampy hanorenany ny Fiangonany. Izao anefa dia nolazainy fa vato manafitohina. Mbola mafy noho izany aza nantsoin’i Jesosy ho Satana Petera. Fa nahoana ? Raha mamaky ity tantara ity isika dia miverina ao an-tsaina ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy tany an’efitra. Nohezahan’i satana ny hamily an’i Jesosy tsy hanatanteraka ny nanirahan’ny Rainy Azy. Hitondra ny fahotan’ny olombelona no nanirahana Azy. Ary izany dia hiafara amin’ny fahafatesana. I Jesosy no tsy maintsy mandalo ny fahafatesana mba hisolo antsika. Takatry ny devoly izany ka nataony izay tsy hahatanteraka izany. Natorony lalana moramora Jesosy izay tsy mandalo fahafantesana araka ny nolazainy. Koa eto raha nilaza i Petera hoe : « Sanatria aminao izany, Tompoko ! Tsy ho aminao tokoa izany ». Ny tonga ao an-tsaina dia fomba iray indray entin’i satana hamilivily an’i Jesosy tsy hanatanteraka ny nanirahan’ny Rainy Azy. Noho izany tsy gaga isika raha avy hatrany Jesosy dia niteny hoe : « Mankanesa ato ivohoko, ry Satana ».
Izay ny an’i Petera fa mba ahoana kosa ny amitsika. Efa nandalo ny fampijaliana Jesosy. Efa nandalo ny fanomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy. Koa tsy mipetraka amitsika intsony izay nanjo an’i Petera hoy isika. Nefa ve izany tokoa. Na dia izaho kristiana ity aza indrindray. Na ianao kristiana io aza dia mieritreritra fa toa angano ihany izany. Amitsika koa misy banga ao izay fenoin’ny eitreritsika ka hoy isika hoe : » Tantara ihany natao hampihetsika ny sentosentotsika ny filazana ny fijaliana sy ny fahafantesan’i Jesosy. Izany hoe tiatsika ho foanana tsy hisy izany. Koa mitombona tsara ny fanekem-pinoana raha milaza ny hoe : »Nijaly raha nanapaka Pontio Pilato. » Ao amin’ny fanekem-pinoana dia anaran’olona roa ihany no voalaza ao dia ny an’i Maria virjiny sy ny an(i Pilato. Dia tsy nisy olona hafa ve ? no dia ny an’i Pilato no napetraka ao. Nilaina ny nisin’ny anaran’i Pilato mba anambara fa zava-nisy tokoa ny nanjo an’i Jesosy. Amin’ny teny frantsay dia reference historique ny fisian’i Pilato ao amin’ny fanekem-pinoana. Ny hoe : Pontio amin’ny teny Frantsay dia noe : Ponce. Ary Ponce dia avy amin’ny Pierre ponce vaolazan’ny mpitantara sasany fa naka pierre ponce mihitsy i Pilato nanasany tanana raha niteny izy hoe : »Afaka amin’ny ran’io Lehilahy marina io aho. »
Fa misy fisainana hafa koa mpahazo antsika ka mahatonga antsika hilaza hoe : » Satria Zank’Andriamanitra Jesosy, noho izany tsy dia mafy araka ny hita akory ny fijaliany. » Jesosy anefa mazàna mamerina ny maha_olombelona Azy. Ary hataoko ahoana tokoa moa no fino fa afaka mahatsapa ny manjo ahy Jesosy raha tsy nandalona nahatsapa ny hirfiry vokatry ny fampijaliana Azy Izy. Koa tsy azo kianina ny hoe nijaly voalazan’ny fanekem-pinoana fa tena nijaly tokoa Jesosy.
Ho famaranana dia nararaotin’ny Tompo ny resaka ka notarihiny ny sain’ny mpianany fa ny fanarahana azy dia mitaky fijaliana. Hoy Izy : Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany : Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy ? Noho ny fitiavany an’izao tontolo izao dia nanaiky hijaly Izy. Izay manaraka azy koa dia tokony hahay hitondra ny hazo fijaliany isan’andro. Ny hazo fijaliana no mariky ny fitiavana marina . Tahaka an’i Jesosy ny fitiavana marina dia ny mitia ny hafa ka mitady ny fahasambarany.
Comments by Laza RAFENONIRINA