TENY HOVAKIANA

ASAN’ NY APOSTOLY 1 : 1-11

EFESIANA 1 : 17-23

MARKA 16 : 15-20

Tafapetraka ao anelanelan’ny fetim-piangonana roa lehibe dia ny Paska sy ny Pentekostra ny Andro Fiakarana hany ka tsy dia hita loatra na adino mihitsy aza. Mazàna ny hahatsiarovana azy dia noho izy andro tsy fiasana. Tokony ho tsaroana anefa fa tena ao anatin’ny fanekem-pinoana kristiana ny fiakaran’i Jesosy tany an-danitra. Latsaka lalina loatra ao an-tsaina indraindray ny hoe fiakarana any an-danitra izay midika ho fisarahana maharitra amintsika olombelona hany ka toa alahelo no ateraky ny andro fiakarana. Ary izany isika ihany fa na ny mpianatra tamin’izany fotoana izany aza. Raha ny fandehan’ny zavatra niseho dia toa ny nametraka hafatra farany Jesosy, nampahery ny osa ara-pinona, nametrapetraka izay rehetra tokony hatao. Toa ny nilaza Jesosy : hoe « handeha Aho ka dia hapetrako aminareo ny zavatra rehetra. » Koa raha nakarina ho any an-danitra Izy dia mpianatra torovan’ny alahelo no nijery ny lanitra. Ny anjely no nanaitra azy ireo hoe : Ry lehilahy Galiliana nahoana no nijanona eto mijery ny lanitra hianareo .(Asa 1 : 11). Nefa tsy nijanona teo akory ny tenin’ny anjely fa ho izy « Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia ho avy indray… « 

Ny maro dia mieritreritra fa ilay fiverenana Jesosy faharoa no ambaran’ireo teny ireo. Ny mpandinika sasany kosa milaza fa manambara ny fisian’i Jesosy hafa indray amin’ny fiainantsika izany. Raha teto ambonin’ny tany Jesosy dia ny tenany ara-nofo no niainany hany ka olona vitsy ihany no afaka nifanatry taminy, fa nony niakatra tany an-danitra Izy dia lasa Mpanjakan’ ny tany sy ny lanitra. Ho izy ao amin’ny Filazantsaran’i Matio  » Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. » (Matio 28 : 18) Izany hoe tsy mijanona any an-danitra fotsiny araka ny niheverana azy Izy fa afaka manatrika antsika. Mitsofoka mihitsy amin’ny fiainantsika.

Misy hira iray ao amin’ny fihirana ARC en Ciel izay tena mahadika izany dia ny hoe : « Tu es là au coeur de nos vies et c’est Toi qui nous fait vivre » . Ao anatin’ny fiananay mihitsy Hianao Jesosy ary hianao no antony hahavelomanay. Tsy zavatra foronintsika io fa Jesosy mihitsy no milaza izany. Andeha ho jerentsika avy amin’ireto nataon’Jesosy ireto izany fanatrehany antsika izany « Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy » (Lioka 10 :16). « Raha misy roa na telo mivory amin’ny Anarako dia eo afovoany Aho  » Matio 18 : 19) « Araka izay nataonareo tamin’ireo rahalahiko madinika ireo dia efa nataonareo tamiko koa  » (Matio 25 : 40) sy ny teny maro hafa koa.

Raha izany dia tokony ho fifaliana lehibe no ateraky ny Andro Fiakarana satria fanambarana fa afaka manatrika antsika tanteraka ny Tompo ary eo akaikintsika mandrakariva. Ilay tombony azon’ny mpianatra tamin’ny fanatrehan’i Jesosy dia tombony azotsika koa satria manatrika antsika mandrakariva Jesosy..

Izay hita eto amin’ity filazantsaran’i Marka ity koa dia ny adidy napetraky ny Tompo. Raha ny filazantsarn’i Matio no jeretsika dia hita amin’ny toko faha 28 andininy faha 18 io fametrahana adidy io. Miverina maetetika ao amin’io andrininy io ny teny hoe « rehetra ». Hoy Jesosy : « Ataovy mpianatro ny firenena rehetra » Izany hoe tsy misy na dia olona iray aza tokony hipetraka ao ivelany ny famonjena fa samy ho ampoky ny fahasoavana daholo ny rehetra. Antoka lehibe ho an’ny olona rehetra io « Momba anareo mandrakariva  » hoy koa Izy izany hoe momba anreo amin’ny fotoana rehatra Izany hoe tsy misy na dia iray segondra aza tsy maha eo akaikitsika an’i Jesosy. Fanantenana lehibe ho atsinka izany « Izay rehetra nandidiko anareo » Izany hoe tsy misy asa azo avela fa ny olona mannotolo, dia olona saina, tena, fanahy ny nanirahan’ny Tompo antsika .

Rehefa niakatra tany an-danitra izany Jesosy dia afaka momba mandrakariva ny rehetra Izy. Ary raha miteny hoe momba antsika Izy dia tsy mahasaraka antsika mihitsy no dikan’izany.