» Fifandraisany amin’ny iray amin’ny Didy folo »
MAHALASA eritreritra ny zava-mitranga eran-tany eo amin’ny toetra sy ny fihetsiky ny olombelona. Maro no mitady ny antony nahatonga olana eo amin’ny fiainana sy ny vaha-olana entina amin’izany.
Maro ny fitaovana entina handinihina izany : sosiolojia, filozofia,fifanakalozan-kevitra, soratra isan-karazany, tantara isan-karazany sy ny sisa….Ny ohatra ho raisiko dia avy ao amin’ny Baiboly aloha. Ny antony dia satria boky iray izay feno tantara isan-karazany ao. Ary toa heverina ho angano aza. Maro koa ny mpanoratra eran-tany nandray hevitra sy fanadiadina tao. Ary azo dinihina amin’izao andro hiainantsika izao.
Ny rehetra dia samy afaka mamaky ny Baiboly fa tsy voafetra ho an’ny kristiana irery. Hita ao ny toe-zavatra mahafaly, mampalahelo ary koa mampivarahotsana.
Hita ao koa ny fijotran’ny tantaran’ny firenena hebreo, izay atao koe hoe Isaraelita, ary koa Jiosy miaraka amin’ireo firenena nifandray taminy. Ao koa ny tantaran’olon-malaza na tsara na ratsy ny asany teo amin’ny fiainana.
Misy zavatra tsy voalaza ao amin’ny Baiboly. Tahaka ny hoe : Raha hanokona vary aho dia toa izao no fanao azy. Na hoe andeha hanasa lamba dia toa izao no fanao. Araka izay zavatra nisy tamin’ny fotoana nanoratana azy no fitaovana ao. Diso fihevitra manko izay manao hoe : » voalaza ao daholo ny zavatra rehetra « .
Eny am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafaran’ny boky dia ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona ary ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olombelona no misoritra. Anisan’ny tokony am-pieritreritra io.Ka manontany aho hoe : Fa ahoana moa ny fifandraisan’ny olona tany aloha tany.Indrindra ity lazaina hoe « fihavanana ». Ahoana no mba hilazan’ny Baiboly azy ? Tsy hilaozan’izay tsy nisy olana, na fifandirana, eny fa vonon’olona aza tamin’ny fianakaviana. Nikorontana ny mpivady, ny ray sy reny amin’ny zanany, ny mpiray tam-po, ny mpifanolo-bodorindrina, ny mpiray tanana, ny mpiray firenena, ny vahiny sy ny tompo tany, ny mahantra sy ny mana-karena, ny mpino sy tsy mpino, sy ny tsy voatanisa.
Tsy hilaozan’izay hahitana tantara mahakivy sy mampalahelo ao amin’ny Baiboly. Ary aiza Andriamanitra tamin’izany fotoana izany hoy isika ? Nilaozany ve ny fianakaviana ? Nilaozany ve ny firenena ?
Imbetsaka aho no nahare hoe : « Avelao any ny resaka Baiboly fa mankaleo. Raha misy Andriamanitra dia tsy ho toy izao ny fiainan’ny olombelona. » Misy ny olona mijoro sy matahotra an’Andriamanitra ange. Ary manaja ny fahamarinana. Saingy indrisy, ao ny manao tsinontsinona ny hafa ka mikorisa ho amin’ny fahaverezana.
Ka izay no nahatonga ny lohateny hoe « Angano ve » ? Satria ny angano dia tsy raisina ho tena nisy fa toy ny tantara foronina. Eny natao am-pieritreritra nefa dia asakasak’izay mandray azy. Nefa koa mety ho tantara marina fa namboarina ny filazana azy.
Diniho ny » Tantaran’i Kaina sy Abela ».Genesisy toko faha -4 andininy 1- 15
Ny anarana hoe Kaina dia midika hoe »Efa nahazo zazalahy tamin’Andriamanitra aho ». Izany hoe na dia niteraka azy aza i Eva dia tsy tompony. Satria raha tsy tao Andriamanitra dia tsy nisy Kaina.
Abela kosa dia midika hoe « Fofon’aina », « malaky manjavona ». Izany hoe « tsy maharitra fa miserana ».
Asa raha izany no tsy naha ela velona an’i Abela fa maty tanora izy. Mampalahelo kosa ny zavatra nataon’i Kaina ka mifandraika amin’ny fitenenana hoe « raha maty aho matesa rahavako ». Asa raha an’ny malagasy manokana io na tsia. Fa misy koa ilay hoe » après moi le déluge ». Tsy lavitra izany io fomba fiteny io.
Kaina sy Abela dia mpirahalahy mpiray tam-po.Ary tokony hifankatia. Nefa dia nampalahelo ny tantarany satria novonoin’i Kaina i Abela. Tany an-tsaha tany amin’ny mangingina tany no nanaovany izany. Noheveriny mantsy fa tsy ho hita izany. Izay ilay hoe « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha ».
Kanjo rehefa tonga Andriamanitra nanontany azy hoe » Aiza ny rahalahinao » dia angamba natahotra ihany Kaina satria toa hafahafa ity navaliny « izaho angaha no mpiambina ny rahalahiko ».
Mialoha izany dia niteny taminy Andriamanitra hoe » Maninona no manjombona ny tarehinao ry Kaina ». Izany hoe : hita taratra teny ammin’ny tarehiny fa nisy zavatra nampiady saina an’i Kaina tao. Maro ny nandray an’io tantara io ka namerina azy ho tantara amin’ny boky iray, na atao fampisehona an-dapy hazo. Ka nomena ny lohateny mifanakaiky amin’ny hoe « Ny feon’ny fieritreretana, na ny mason’i Kaina »….
Variana ny mpamaky ny boky ary miteny irery avy eo. Gaga ny mpijery sy mpihaino ny tantara ka manao hoe » Mampitsanga-mbolo izany tantara izany. Rahalahiny izao dia novonoiny ! « .
Ny nahatonga an’i Kaina toa izao dia tsy faly izy satria tsy nankahasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra nataony. Ary nataon’Andriamanitra izy hoe « raha tsara ange ny nataonao tsy hitanondrika ianao ». « Fa tokony hitraka aza » hoy ny teny ao amin’ny Baiboly. Tsy sahy nijery an’Andriamanitra i Kaina satria fantany fa marina izay voalaza.
Fanampin’izany dia voalaza fa afaka nanohitra sy nanapaka ny fihetsiny i Kaina. Saingy indrisy nodiany tsy nisy izany ka dia iny izy namono an’i Abela satria feno fialonana ny fony. Tokony mba niova izy nefa dia tsy nety.Navelany hiditra tao am-pony ny fahatezerany.
Alehony nanohy ny ratsy ihany toa izay hiaiky ny fahadisoany. Na dia hihafara amin’ny famonona aza izany.
Io tantaran’i Kaina io dia mampiseho fa tompon’andraikitra amin’izay ataony i Kaina. Ary tahaka izany koa ny olombelona tsirairay. Afaka mandrara ny ratsy tsy ho tafiditra ao amin’ny sainy sy ny fony izany raha tiany. Kanefa ny làlan-dratsy no noraisiny.
Tantara mampalahelo io an’i Kaina. Tsy nety niova fo izy ka tafiditry ny ratsy ny sainy. Meloka ary nitondra fangirifirina vokatr’izany. Efa nahare tantara toa izany ianao sy izaho. Ary asa na inona no lesona noraisina tamin’izany.
Matoa voarakitra ara-tsotra izany tantatra izany dia ny hilazana amin’ny mpamaky ny hitandremana. Ary hamisavisa ny tsy hateraky ny fialonana. Satria fahafatesana no hiafaran’izany. Nahoana ary no any am-piandohana ny amin’ny fisokajina ny Baiboly dia io no tantara naseho voalohany. Azo napetraka lavidavitra ihany izany satria ny « Genesisy » na dia hoe « Fiandohana » aza no dikany dia tsy izy no boky voasotratra voalohany.
Simba ny fifandraisan’i Kaina sy Abela noho ny fialonana. Maty ilay zandry malala. Misy ady lehibe izay tokony ho resen’ny olombelona dia ny fialonana, ny fahatezerana. Io no mahatonga sain-dratsy. Ary miteraka vonon’olona aza. Tsy misy fifaliana ny fiainan’ny olona toy izany satria na andro na alina dia manenjika azy ny asa nataony teo amin’ny famonona na dia mody miseho hoe : tsy raharahiny izany.
Ny tantara eto dia mampiseho fa tsy azo nafenina izany. Efa ela ange io tantara io nefa dia voarakitra mandrakizay mba hampitandrina ny mpamaky. Hoy ny malagasy hoe « aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra ».Tsy hita izay nolazain’ny ray amandreniny fa nangina. Mafy loatra tokoa ka tsy nahaloam-peo.
Anjaran’ny mpamaky tsirairay ny mandajalanja fa ny tantara izay heverina ho angano ao amin’ny Baiboly dia tena nisy, ary mbola nisy. Nolazaina izany mba tsy hiverenany intsony. Fa saingy mbola ao ny madihy doha ka manakipy ny masony ary manohy ny asa ratsiny. Rahovina vao hiova fo. Enga anga anie ka tsy ho tara loatra. Fa mafy ny nanjo an’i Kaina. Tsy angano ange io ê !
Halaviro ary esory ny fo lontika fa mangidy ho an’izay tratran’izany.
Comments by Julia DARSOT