Heverina fa efa fantatrao ihany ny atao hoe « KAREMY ». Tsara marihina fa iraisan’ny kristianina rehetra eran-tany tsy an-kanavaka araka ny Alimanaka litorjika.

Misy ny atao hoe « Fotoana litorjika » eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana eran-tany.

Toy izao izy io :

Ny Advento (Temps de l’Avent)

Ny Noely na ny Krismasy (Temps de Noël)

Ny Epifania (Temps de l’Epiphanie)

Ny Karemy (Temps de Carême)

Herinandro masina  (Temps de la Passion)

Ny Paska (Temps de Pâques ou temps pascal – ou Résurrection)

Ny Pentekoty  (Temps de Pentecôte ary no manomboka ny Temps de l’Eglise satrai teo no fahatsiarovana ny nilatsahan’ny Fanahy Masina (Asan’ny Apos.)

Ny mora hahafantarana ny fotoana indrindra raha miangona ianao ny Alahady dia mahita eo amin’ireo mpitondra fivavahana kristiana ny zioga ( ny étole) izay entiny ary mifanaraka amin’ny lokon’io ny fotoana diavina.

Raha mitondra loko zioga volom-parasy dia satria ao amin’ny fotoana hahatsiarovana ny fijalian’i Jesosy, ny fahafatesana izay nihatra taminy ary izany no hanaovan’ny mpitondra fivavahana io loko io rehefa fandevenana. Ny mena matetika dia fotoam-pifaliana toy ny Paska. Ny fotsy dia ny andron’ny Pentekosta ary azo entina amin’ny fotoana rehetra. Ny manga milaza ny krismasy satria raisina amin’ilay lokon-danitra…

Ny katolika, ny Loterana ary ny FJKM dia manao akanjo fotsy ny mpitondra fivavahana ary misy ilay zioga izay entina mankeo an-tratra sy ny atoka (Aty Madagasikara io) ary dia mazava ho azy ny antony hanaovana izao fotoam-pivavahana izao. Izay koa ny maha litorjika azy satria tsy hanao hira krismasy feno fifaliana ianao raha misy fahoriana amin’ny fotoam-pandevenana. Na ny hira fidina na ny vakiteny dia miafanaraka amin’ny Alimanaka litorjika fa tsy izay tiana akory no atao.  

Aty Frantsy ny Protestant reformé dia  mitondra akanjo pastoraly mainty kosa satria nanaraka an’i  Jean Calvin izay mpahay lalana ary nampianatra izany na dia nandalina ny  teolojia koa aza izy. Fa eo amin’ny tantaran’ny Fitsarana dia nisy ny  fanamelohana ho faty ilay mpajakavavy  Marie Antoinette. Ary ho an’ny mpisolovava dia fahatsiarovana azy ny fitondrana io akanjo mainty io. Noho i Calvin  nitarika ny REFORME dia nanaraka an’io ny Fiangonana any Frantsa.  Fa ny Loterana kosa any Frantsa dia nanaraka an’i Martin Luther izay «  moine » ary nanao akanjo fotsy anatiny. Ary tsy nitondra ny rebareba teo amboniny intsony  izay loko marron. Rehefa tonga ny Reforme izay notarihiny dia nalany ny teo ambony ary ny fotsy ihany no tazoniny ka mahatonga ny Pasitera Loterana  manao akanjo fotsy. Indraindray moa ny mpitondra fivavahana dia manampy haingo kely madinika izay tsy dia misy ilana azy.

Ny zava-dehibe dia ny ao anatin’ny fontsika no jeren’Andriamanitra.

Tsara ho fantatra fa ny REFORMA dia nasionaly izany hoe ny Firenena rehetra dia mety misy indro kely mahasamihafa azy fa ny fototra kosa dia iraisana.

Ny Karemy eo amin’ny Katolika dia misy ny fifadian-kanina. Ao koa aza ny azy ny mercredi des cendres.

Tsy misy fombafomba ataon’ny protestanta satria nitana ny ny fihetsika tsotra. Fa ny fanambarany ny fotoanan’ny Karemy dia amin’ny alalan’ny Teny satria Ny Teny na ny PAROLE no zava-dehibe. Noho izany dia manokana fivoriana hahazona mandinika hevitra, na famelabelarana , na fiaraha mivavaka, na famakiana teny etc … mifanaraka amin’ny Kareny.

Tamin’izay tany Montepellier tany amin’ny 1975 rizareo dia nanao conférence nantsoint  hoe mercredi des carêmes ary isak’Alarobia : dia nandinika ohatra momba ny «  Souffrance et douleur, , taona manaraka : avortement, taona manaraka : handicap visuel etsetra . Ny sasany dia samy manao amin’ny andro hahafahany. Tamin’izay tao Nancy nandritra ny 11 taona dia ireto no lohateny nifandimby : don d’organes, suicide, le secret, … satria mikasika izay misy tenan’ny olona na misy fijaliana ara-nofo na ara-panahy koa no atao. Ny divorce koa satria misy fijaliana ao, ny violence, ny soumission, être en prison …. Ary dia tonga daholo ny mpiangona, ny conférencier dia tsy voatery ho mpitandrina fa mety ho laika : dokotera, magistrat, procureur, professeur de lettre na sciences humaines. Matetika ho an’ny fiangonan-dehibe dia atao Table ronde hatrany. Misy ny manao fandaharana amin’ny Radio locale araka izay mahamety.

Hitanao izany fa samy manana ny azy ary tena mampanakarena. Izaho manokana dia nahita soa.

Ilaina ny mivavaka ary tena ilaina fa ilaina koa ny fanitaran-tsaina hahazona mamantatra hoe nahoana ity no izao. Ilaina ny fahafantarana ny Tantaram-piangonana, izay hafa noho ny Histoire des religion, ny archéologie sy ny hafa .

Jereo KOA fa ny bouddhisme, ny Hindhouisme, ny Islam,  dia manana ny calendrier litorjika azy manokana satria tsy mitovy ny fiandohan’ny Taona. Ny an’ny kristianina izao dia ny Alahady voalohany amin’ny Advento no fiandohan’ny tonon-taona kristianina (nouvel an chrétien).

Samia manadiady ary mamaky boky hanitarana ny fahalalana . Ilaina ny mamaky Baiboly fa tsara raha mamaky boky hafa koa.