1 Korintiana 15 : 19

« Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika ».

Manoratra taratasy lava be ho an’ny Korintianina i Paoly apostoly. Fa ity andininy faha 19 amin’ny toko faha15 ity no nanintona ahy amin’izao fotoanan’ny Paska izao.Tamin’izany fotoana izany dia nanana ny fahasahiranany ny mponina tany Korinto. Nisy ny nahantra, nisy ny mpanakarena, nisy ny mpanompo niaraka nipetraka tamin’ny tompony ary tsy nanana safidy.  Ary voalazan’i Paoly apostoly fa nisy tokoa ireo olona isan-karazany izay nandray ny Filazantsara notoriny. Naveririmberiny sy nohamafisiny ny amin’i Jesosy Kristy izay Zanak’Andriamanitra ary nanaiky ny ho faty teo ambony hazo fijaliana. Sarotra inoana tokoa izany satria nahoana io Jesosy io ny nanaiky izany nefa mamy koa ny miaina. Ka nanaraka sy nanaiky lalana izay tena sarotra. Sarotra satria io fahafatesan’i Jesosy io dia ny fanomboana azy teo amin’ny hazo fijaliana io dia fahadalan’Andriamanitra ny hiheveran’ny olombelona azy. Nefa kosa fahendren’Andriamanitra araka ny eritreritr’Andriamanitra. Satria fanavotana ny oloombelona izay nanalavitra sy nihodina tamin’Andriamanitra. Indrindra moa i Paoly dia milaza fa ny Andriamanitra nofidiny dia ilay « Andriamanitra tsy fantatra anarana ». Io dia marina satria ilay Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina dia toa izao no ilazana azy rehefa nambara tamin’i Mosesy « IZAHO ILAY IZY » (Eksodosy 3 : 14).

Fa raha mitodika amin’izao androntsika izao koa dia manana ny fahasahiranany izao tontolo izao. Indrindra ny ady amin’ny valan’aretina vaovao izay maha vaky loha ny manam-pahaizana mikarakara ny toe-pahasalaman’ny olombelona sy ny hafa. Nefa koa tsy hadinoina fa maro ny aretina izay mamono mahafaty mety ao anatin’ny fotoana fohy aza.

Ao koa ny filazana fa nanova zavatra maro eo amin’ny fiainan’ny olombelona ity aretina vaovao ity. Maro no tonga saina fa fohy ity fianana eto an-tany ity. Kay ny olona tsy tompon’ny ainy. Na tanora, na matanjaka aza dia mety ho solafaka noho io aretina io. Samy miezaka daholo ny mitady lalana mba hahatsara ny fiainana. Ary dia hita ireny toro-hevitra isan-karazany momba ny sakafo hohanina, ny fitondran-tena izay tokony ho hatsaraina, ny fiarovan-tena amin’ny vaksiny  Sns … Mirongatra koa etsy an-danin’ny fitoriana ny Filazantsara mba hampaherezana ny olona izay mandray izany. Misy aza ny misandoka. Ary rehefa ao anatin’ny aretina moa ny olona dia sahirana ny amin’izay atao.

Fa ho an’izay mino dia mahay manavaka ny mpisandoka sy ny tena mitory an’Andriamanitra. Na dia ao aza ny fahasarotan’ny fiainana dia fantatry ny mpino izany. Moa tsy i Joba no nilaza hoe « Tsy ny soa ihany no raisintsika avy amin’Andriamanitra fa ny ratsy koa ». Izany hoe miara-dalana na mifandimby  ireo ka hita lalandava eo amin’ny fiainan’ny olombelona.

Fa ho an’izay mino ka nanokatra tokoa ny fony ho an’Andriamanitra dia manana ilay hery izay nomen’ny Fanhin’Andriamanitra ihatrika ny lalana na dia sarotra. Izay ilay hoe « tsy eto ihany no anantenantsika an’Andriamanitra » satria ny fiainana dia ho amin’ny mandrakizay. Satria na mafy na mora izay manjo dia eo akaikintsika Andriamanitra.

Noho izany izay mino ka manokatra ny fony ho an’Andraiamanitra sy hanjakany dia afaka hivavaka ho an’ny tenany sy ny ankohonanany. Fa mivavaka koa izy ho an’ny hafa. Ho an’izay ianjadin’ny fahoriana mafy eny fa na dia tsy fantany aza. Na dia olona mankahahala azy aza. Mivavaka ho an’izay marary. Ho an’ny tany misy ady. Ho an’ireo izay mitsaoka ny taniny.Ho an’ireo izay mosarena. Tsy vitan’ny hoe manetsetra sy mangoraka fa tena miasa miresaka amin’Andriamanitra mitondra izany fahoriana rehetra izany eo am-pototry ny hazo fijaliana. Manokana fotoana ho amin’izany. Ho gaga ianao indray andro any rehefa mahare fa nisy olona tsy fantatrao akory fa nivavaka ho anao, ho an’ny ankohonananao, na ny firenenao, na ny namanao teo am-bavahoan’ny fahafatesasana.

Tsy eto amin’izao fiainana izao ihany no anantenana an’Andriamanitra fa mandrakizay satria efa nitsangana Jesosy Kristy Tompo izay anton’ny hahavelomantsika sy hahaveloman’ny rehetra ary tsy manapahataperana izany.

Miarahaba anao tratry ny Paska . Velona ny Tompo.

An’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena