Jaona 19 : 23
Taorian’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty dia ireto no olona nisehony :
- Maria Magdala
- Ny mpianatra niafina tao an-trano satria natahotra ny vahoaka. In-telo niteny tamin’izy ireo Jesosy. Ireto avy :
- Ho aminareo anie ny fiadanana andininy 19 sy 21 ao amin’i Jaona .
- Raiso ny Fanahy Masina andininy 23 ao amin’i Jaona
Tsy hanao Toriteny momba an’io aho fa hanome fanazavana ny amin’ny fanontaniana nampitain’ny olona ahy tamin’ny Facebook.
Izao ilay fanontaniana :
Ny Fanahy Masina amin’ny Batisa sy fotoanan’ny Fampaherezana no voalaza eto
A/ Tsara ho fantatra fa ny Batisa dia hita amin’ny fombam-pivavahana isankarazany araka izay hanaovany azy.
Fa tsy ny fivavahana kristiana irery akory. Ao amin’ny Batisa dia hahitana hatrany ny mariky ny fanadiovana dia ny fampiasana ny rano. Raha raisina amin’io dia hoe « sasana ilay olona ary lasa madio izy ». Ary nisy fotoana tamin’ny emperora romana rehefa hiseho vahoaka izy satria hisolo sy handimby ny emperora teo aloha izay maty dia natao batisa izy. Tsy batisa kristiana fa batisam-panjakana. Natao madio tokoa (eo amin’ny herinandro ny fanadiovana) ary nasiana zava-manitra aza ny fitafiany. Ary amin’iny fisehoany voalohany iny dia mihoby (mihoraka ) azy ny vahoaka hampisehona ny fifaliana fa emperora velona no mitondra amin’izay.Aty Frantsa koa dia misy ny batisa ataon’ny mairie raha misy mangataka izany. Ary tsy misy hidiran’ny fivahanana mihitsy amin’izany.
Teny noraisina tamin’ny teny jentilisa (païen) io teny batisa io. Maro ny teny tahaka izany hita eo amin’ny tantaran’ny teny ao amin’ny Baiboly (fa sao misy tezitra indray mahare izany).
Na dia tao aza ny nanaovana Batisa an’i Jesosy teny amoron’ny Jordana dia fampiasana ny rano no natao.Nitsoboka tao amin’ny ony Izy : nodiovina, ary nivaoka tao : madio. Io no sary iray hilazan’ny Soratra Masina ny amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Koa raha atao batisa ny ankizy na ny tanora na ny olon-dehibe dia hampahatsiahivina io ho fampianaram-pinoana. Ny Fiangonana dia mitana ny Batisa ho anisan’ny Sakramenta ( ny marika hilazana ny hifandraisan’izany amin’ny Famonjena nataon’i Jesosy Kristy).
Ny Batisa dia samy manana ny fombany ny kristiana hanatanterahana izany. Ohatra miroboka ao anaty rano, rarahana rano ny loha, pitihina rano ny loha. Misy any amin’ny toerana tsy hahitana rano dia fasika no atao solon’ny rano satria mandalo tahaka ny rano ka tsy mety tehirizina. Misy koa ny tsy mampiasa n’inona n’inona fa ampy azy ny fotoana hilazana fa manaiky ny batisa izy ho mariky ny famonjena azy.
Tsy hadino fa ho an’ny kristiana maro dia mariky ny fidirana ho isan’ny Fiangonana koa io batisa ataony io. Ary fanamafisana sy fijoroana ho vavolombelona ny Fitiavan’Andriamanitra ny olona tsirairay.Tao amin’ny epistilin’ny Korintiana rehefa atao batsisa ny ray, dia atao batisa koa ny fianakaviany miaraka amin’ny mpanompony.Iza no milaza fa ny rehetra dia mpino daholo. Nefa dia nandray ny Fanahy Masina izy rehetra.
Fa ilay Batisa lehibe dia tokana ihany ny nanatanteraka azy dia Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana.Nitondrany ny fahotan’izao tontolo izao mba hamonjena azy. Tahaka ny feno loto ka niteraka fahafatesana ho azy izany. Na ny Rainy aza dia tsy namaly azy. Fa ny fitsanganany tamin’ny maty no fahavelomana sy fahadiovana ho an’ny kristiana.
Na misy fampiasana na tsy misy fampiasana ny rano dia ny finoana an’io fahafatesana sy fitsanganana io mampiray ny batis antsika amin’ilay Batisan’i Kristy. Ny tena zava-dehibe dia tsy velona ny Tompo raha tsy nisy ny asan’ny Fanahy Masina namelona azy. Io dia nampahatsiahivin’i Paoly mandrakariva ao amin’ny sorany.
Tsy ilay mpitandrina, na pretra, na diakona, na katekista, na mpitoriteny izay voatendry hanao batisa akory no mahatonga ny Batsisa ho masina .Fa ny finoan’ilay atao batisa.
Izay no mahatonga ny hisin’ny fandraisana ho mpandray ny fanasan’ny Tompo rehefa lehibe ilay zaza hanamafisana tsara ny fanamarihana ny Fitiavan’Andriamanitra azy.Ary koa hanazavana azy amin’ny fampianarana ny dikan’ny batisa. Izy amin’izay no tompon’andriakitra ny ho amin’ny ho avy.
Ny Batisa rehetra ho an’ny hristiana dia atao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny Telo izay iray ihany no Tompony fa tsy ny olombelona akory. Na oviana na oviana nanaovana batisa ilay olona dia efa nandray ny Fanahy Masina izy. Ary raha mbola tany am-bohoka aza izy.
B/ Momba ny teny « Raiso ny Fanahy Masina » ao amin’ny Fampaherezana.
Eo amin’ny fotoam-pifohazana ka hisin’ny Fampaherezana no handrenesana io teny io.
Raha ny tokony ho izy dia tsara raha misy famelabelarana momba ny Fanahy Masina eto. Fa saingy lava loatra fa atao ao aoriana. Fa raha mijery ny teny nihaviany ara-tSoratra Masina dia misy ireto teny izay hampiasaina araka ny tantara sy ny texta ao amin’ny Baiboly.Raha tanisaina dia ireto avy :
- Mpilaza, Mpisolovava
- Mpiaro,
- Mpampahery,
- Mampionona
Raha eo amin’ny fotoana hivorian’ny kristiana ka misy fotoana Fampaherezana dia ireto roa farany no hevitra raisina.Satria ny olona tonga hametrahan-tanana dia manantena Fampaherezana, sy Fampiononana. Izy ihany no mahalala ny antony.
Tsy misy olona mahalala izay lazain’ny mpiandry ao afa-tsy ny mpiandry sy ilay olona mandohalika. Raha tsy afaka mandohalika dia tsy maninona.
Ny filazan’ny mpiandry hoe « Raiso ny Fanahy Masina » dia tsy milaza fa raha tsy izy dia ho reraka lalandava ilay olona. Fa famphatsiahivana fa na dia ketraka sy reraka aza ianao dia tsarovy fa miasa ao anatinao ny Fanahy Masina manome hery anao.
- Misy olona mila mandre teny vao afaka miarina
- Misy olona izay mitraka fa ampy azy ny vavaka ataony.
- Misy koa olona mila fanampiana. Tahaka ny olona voadonan’ny fahoriana. Rehefa tonga ny olona mamangy dia mitraka tsikelikely ny mana-manjo. Ary lasa matanjaka sy mahery izy any aoriana.
Tamin’ny fotoan’andro nipoiran’ny Fifohazam-panahy tao Madagasikara raha izay no ilazana azy. Tamin’ny fotoana nisin’ireo mpitarika izany voalohany toa an-Rainisolambo na Daniel Rakotonzandry sy ny hafa dia satria ny olona tena tao anatin’ny tsy fahalalana mihitsy.
Ankehitriny dia misy zavatra tsy mazava amin’ny maro. Efa natao batisa, efa nandray sy ny sisa nefa dia ohatrin’ny hoe raha tsy miditra ho sampana Fifohazana dia very. Ny tena mahavariana dia ny ankamaroan’ny olona miova fiangonana. Izany hoe na dia miteny isan’andro amin’ny olona aza ianao « Raiso ny Fanahy Masina » dia tsy mazava aminy ny inoany. Hany ka mila pitsopitsony sy miovaova. Mitady zava-baovao. Nefa Fanahy Masina hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay tsy miova. Efa kristiana nefa manao fanahinina hanadino ny fahasoavana noraisina teo aloha.
Noho izany ny asan’ny mpitandrina na ny mpiandry dia tsy mora. Ilaina ny fianarana tsara hatramin’ny farany.Tahaka izany koa ny fiofanana.Tsy tendrintendrena fahatany dia manatanteraka izany.
Raha tsy mazava tsara ary ny asa atao fa maika maika fotsiny dia tsy afaka hiahy ny ondry izay andrarasana ianao. Izay tsy manatanteraka antsakany sy andavany ny fianarana sy fiofanana dia manao antsirambina ny asa. No manalesoka koa ny andraikiny. Tandrametaka fotsiny ihany ny fampianarana ary mety hivoana aza. Tsy voatery ary tsy terena ny handray Fampaherezana ny olona.
Ny tena saro-pady eo amin’ny asan’ny mpitandrina sy ny mpiandry, ny teny hampiasainy sy ny fihetsiny dia mahakasika fiainana manontolo. Indrindra eo amin’ny fifandraisan’ny tsirairay avy.
Jereo tsara fa any Rwanda dia 6000 ny Fiangonana nakaton’ny Fanjakana satria samy maika ny hanao pastora, mpaminany, mpiandry, nefa tsy namita fianarana …Ary tao am-badika dia zava-doza. Mampieritreritra koa izany eo amin’ny firenentsika. Asa izay hevitrao ?
Comments by Julia DARSOT