Pour que Madagascar rayonne.

Faisons le choix de la non-violence.

Bannissons la haine avec la non-violence.

Face à l’adversaire utilisons la non-violence.

Arrêtons l’ennemi avec la non-violence.

Malgaches, as-tu oublié

Le compagnon de toujours

De nos ancêtres ?

La non-violence!

Pour que le pays se relève

N’ignore pas la non-violence

Fais-la entrer dans ton cœur

Qu’elle soit l’un de tes meilleurs tags

NON-VIOLENCE.

La non-violence est la solution de survie

La non-violence est une forme de vie

La non-violence n’est pas que parole

Quelle que soit la crise de la vie.

La non-violence comme simple théorie

Signifie la mort pour le pays

Et les hommes y habitant.

Elle est à vivre, à pratiquer.

Essayes si tu ne l’as pas encore fait.

Essaye aujourd’hui, maintenant,

Sans fin jusqu’ à ce qu’elle arrive à tes entrailles :

NON -VIOLENCE.

Pour ouvrir le chemin de la liberté.

Difficile mais si tu acceptes

Madagascar ressuscitera et vivra.

Oui à la NON-VIOLENCE.

Paris le 22 avril 2018 Julia Darsot

Merci à  Hanitr’Ony pour la traduction en malgache

Misaotra an’i Hanitr’Ony nandika amin’ny teny malagasy

NY TSY FANAOVANA HERISETRA

Mba hampamirapiratra an’i Madagasikara

Ndeha isika hisafidy ny tsy fanaovana herisetra.

Ny fankahalana horavan’ny tsy fanaovana herisetra

Manoloana ny fahavalo ndeha tsy hanao herisetra.

Hisakanantsika azy ny tsy fanaovana herisetra.

Ry Malagasy, moa ve hadinonao

Ilay sakaiza tsy foin’

Ny Ntaolo Razambe ?

Ny tsy fanaovana herisetra !

Mba hiarenan’ny firenena

Aza tsinontsinoavina ny tsy fanaovana herisetra

Ampidiro izy ho ao am-ponao

Mba ho isan’ireo tenifototrao :

TSY FANAOVANA HERISETRA.

Ny tsy fanaovana herisetra dia vahaolana mahavelona

Ny tsy fanaovana herisetra dia tena endri-piainana

Ny tsy fanaovana herisetra tsy hoe teny fe teny

N’inona n’inona hasarotana sy krizy iainana.

Ny tsy fanaovana herisetra raha hitoetra ho hevitra ihany

Dia hidika fahafatesana ho an’ny firenena

Sy ny mponina ao aminy.

Izy dia natao hiainana, ho ampiharina.

Andramo ange raha mbola tsy nataonao

Andramo anio, izao,

Aza asiana fetra mandra-pipakany amin’ny atintsinainao :

TSY FANAOVANA HERISETRA.

Mba hanokafana ny lalam-pahafahana.

Sarotra tokoa kanefa raha ekenao, ho’aho,

Hitsangana amin’ny maty ilay Madagasikara, ho velona.

Eny, ekena ny TSY FANAOVANA HERISETRA.

 

Nadikan’i Hanitr’Ony: Filohan’ny HAVATSA UPEM Frantsa