Tsy nieritreritra ny hanoratra momba an’i Farihimena aho tamin’ity taona 2O12 ity. Fa vao efatra  andro izay dia tafahoana tamin’ireo namana izay tafaraka tamiko tany aho. Efa ho 35 taona mahery izay no tsy tafahoana. Akory ny fifaliana raha nahatsiaro ny lasa izay nahatsapana ny Fitiavan’Andriamanitra tsy miato.

Talohan’ny taona 1970 dia somary nihahotra ny olona raha milaza ny tenany ho fifohazana. Satria tsy zakan’ny olona ny fisiany na dia nahavita asa goavana sy lehibe teo amin’ny fitoriana ny Filazantsara aza. Toa noheverina aza fa tsy dia tokony hanana ny toerany ao amin’ny Fiangonana ary efa lany andro. Misy tokoa ny tsy nahatanty ny hoe famoahana demonia, fametrahan- tanana noho ny mpiandry izay mihikika. Indraindray aza dia diso tafahoatra. Ahoana moa no hahenoina teny na toriteny raha mihikika loatra ny olona. Io ilay tenenin’i Nenilava hoe : tsy mihikika ianao akory na mampiseho hery dia hivoaka ny devoly satria tsy misy fandrenesana anao amin’izany.   Marina fa Nenilava  io dia manana feo mahery satria ny toe-batany izay ranjanana sy lava dia anisan’ny mampandeha ho azy izany. Ny feony koa no toa izay somary farina nefa mazava. Raha efa nahare azy ianao dia mahalala izany tsara. Mbola maro ny velona nahare ny feony.

Ny mahagaga anefa dia niroborobo ny olona taty aoriana tamin’ny fifohazam-panahy. Maro na mpitandrina na laika lasa fifohazana .  Indrindra rehefa tonga ny taonan’ny  fahantrana (1975). Maro ny nitady fanasitranana satria na ny fanafody aza dia tsy hita firy koa tamin’izany fotoana izany. Ny sakafo tsy ampy. Maro ny tsy salama. Ary rehefa tsy salama ny vatana dia resy ny saina ka mitady fanavotana. Izay no fandehany. Maro ny nitady vonjy. Ary zava-dehibe ny fisin’ny fiaraha-mivavaka nataon’ny fifohazana amin’ny andavan’andro.

Tany amin’ny taona 1965 dia hoy Nenilava hoe «  Ny Fifohazana dia sampana ao anatin’ny Fiangonana fa tsy tokony hihevitra ho amboniny na hanana fahefana mihoatra azy. Ny olona mahatsiaro ny tenany ho kristiana dia tsy ilaina ho terena ho fifohazana fa efa nifoha izy ».

 Tsikelikely dia hitako fa marina tokoa ny voalazany. Rehefa kristiana ianao dia mahafantatra ny Andriamanitr’i Jesosy Kristy izay nivavahany. Ny ankizy izay teraka tao amin’ny fianakaviana kristiana dia notezaina tamin’izany satria izay no zavatra niainana. Ary vitsy ny nandà izany raha nisy aza.  Tsy lavina fa nisy ny nivaona. Tsy misy olona marina tanteraka. Nefa dia nisy tokoa ny nahatsiaro tena ka niezaka niala tamin’izay noheveriny fa tsy mifanaraka amin’ny Filazantsara na ny sitrapon’Andriamanitra. Ireny no nahatonga ny fitenenana hoe « niverin’ny lalana ramatoa na rangahy iny ». Ka antsoina ho amin’ny fibebahana.

Ny fibebahana ( na confession des péchés) dia isan’andro. Tsy voatery hikika izany eo anatrehan’ny vahoaka ho hitan’ny rehetra fa mibebaka. Fa ny fiovan’ny toetra sy ny fo ary ny saina no zava-dehibe. Satria Andriamanitra no tokony hahita izany voalohany.

Misy koa ny mihevitra fa raha tsy mankany  amin’ireny toby ireny dia tsy tanteraka ny fifandraisany sy ny fiainany amin’Andriamanitra. Hevitra diso izany satria izany tsy misy kristiana raha tsy mankany ? Hevero fa raha ny olona rehetra eto an-tany no ho any dia ho zakantsika ve ? Vitantsika ve ny fandraisana azy ? Fa saingy nisy olona vitsivitsy avy amin’ny firenen-kafa izay efa nandalo tamin’ireny toby ireny. Ireny no vavolombelona any amin’ny fireneny mikasika ny fifohazam-panahy eto Madagsikara. Talohan’ny taona 1962 dia efa nahita aho tamin’ny fotoana nandehananay tany Farihimena : sinoa, karana, amerikana ( tsy nahay teny malagasy) ankoatrin’ny misiona norvejiana, anglisy na frantsay. Mpivahiny izy ireo fa tsy nitoetra akory. Ny antony handehanana any amin’ny toby tsy hitady toerana masina mba ho masina. Fa toerana natao hitokanana, hivavahana fotsiny. Izay no nisin’ny fandraisam-bahiny toy ny tao Tsarazaza mba hifantohana amin’izany.

Azo atao ny mivavaka sy mitokana amin’ny tanana izay misy ny tena. .

Marina fa misy olona izay mandeha tsy tapaka isan-taona. Misy ny indray mandeha teo amin’ny fiainany. Misy ny tsy tany mihitsy. Nefa dia fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra iray sy mitovy no raisin’izy ireo fa tsy nisy niangaran’Andriamanitra.

Taloha raha vao vita kelikely ny trano Fiangonana Tranovato dia tsy nisy ny dabilio nandritra ny taona maro. Fa nipetraka tamin’ny tsihy ny mpiangona nandritra ny andro tontolo sy ny hariva aorian’ny fisakafoanana. Ary dia naharitra tamin’izany nandritra ny herinandro. Tsy nahare fitarainana aho na dia indray mandeha aza.

Ankehitriny dia miroborobo ny Fifohazana. Antenaina fa tsy hanala-baraka ny anaran’Andriamanitra fa hijoro  am-panetrana ho irak’Andriamanitra. Tsy hirehareha ary tsy hanao ny Baiboly ho fitaovana hitadiavana tombon-tsoa ho an’ny tena.

Ho lavitra izany fifohazana manompa sy miteny ratsy ary manozona na manakorontana fiangonana. Raha mitranga izany dia miato aloha mandinin-tena.  Raha tsy izay dia mamono tena no mamono ny hafa.

Tsy ny fakanesana atsy sy aroa , na ny fisehoana fa tsy misy toa antsika ny mpivavaka no ilain’Andriamanitra. Fa ny fiovam-po tanteraka. Sarotra ! nefa izay no nekena tamin’ny batisa, tamin’ny fandraisana ho mpiray latabatra amin’ny Tompo, tamin’ny fanokanana ho mpitandrina, tamin’ny fanokanana ho mpiandry.

Tsy ny toerana no zava-dehibe fa ny finoana izay hahafantarana hoe : inona no antony nahatongavanao sy nahatongavako eto an-tany ?