rasalama-est

Rehefa tonga ny fotoan-dehibe teo amin’ny Fiangonana FPMA vitsivitsy dia nifidy ny tantaran’i Rasalama ho fankalazana izany izy ireo.

Ny nahatonga ny tantara dia  nangatahan’ny mpanolon-tsaina tao amin’ny Eglise réformée tao Dijon  Laza Rafenonirina mba hanoratra lahatsoratra fohy mikasika an’i Madagasikara. I Rasalama no nataony tamin’izany tao amin’ny gazetim-piangonana ( bulletin de l’Eglise reformée de la Côte d’Or) atao hoe « PARTAGE ».

Tamin’ny 1995 dia nohalavaina io lahatsoratra io ary dia niafara tamin’ny fampisehoana an-dapihazo ny tantaran’i RASALAMA.  Tao Quetigny tao amin’ny Lycée agricole no nanaovana izany. Fankalazana ny faha-5 taona ny Antoko-Mpihira FPMA Dijon tamin’izany.

Tamin’ny aprily 2002 dia naseho fanindroany tao Nancy. Tao amin’ny salle Raugraff. Io dia fankalazana ny faha-20 taona ny tafo FPMA Nancy.

Tamin’ny jona 2006 dia naseho fanintelony tao amin’ny Théâtre municipale tao Epinal. Io fankalazana ny faha-10 taonan’ny nitandreman’i Laza Rafenonirina tao Nancy.

Tamin’ny oktobra 2011 dia naseho fani-efany tao amin’ny Maison de Quartier Linandes tao  Cergy Pontoise. Io dia hetsiky ny Sampana vehivavy kristiana tao amin’ny FPMA Cergy.

Ny tany Dijon ,  Nancy  ary Epinal dia nolalaovina tamin’ny teny frantsay ny tantara. Noheverina fa tsy ny Malagasy ihany no tokony hahalala io tantara io fa ny rehetra. Tamin’ny fampisehoana moa dia nisy koa ireo vazaha nandray anjara.

Fa ny tao Cergy kosa dia tamin’ny teny malagasy.

Eo amin’ny olona 50 eo no isan’ny mpandray anjara tamin’ny fanatontosana izany rehetra izany. 30 no isan’ny « acteurs » ary 20 eo iray nikarakara ny kojakoja rehetra isaky ny fampisehoana.

Raha atambatra dia efa niisa eo amin’ny 200 mahery kely no nilofo mba hahatontosana izany araka ny toerana nisy an’i Laza Rafenonirina.

Nampanahy tamin’ny voalohany kanefa samy nanao izany araka ny tokony ho izy ka dia tanteraka soa aman-tsara hatrany. Ireo mpandray anjara rehetra moa dia samy izay vao nandray anjara tamin’izany fampisehoana an-dapihazo izany. Nihatsara hatrany ny fampisehoana satria nisy ny fanavaozana sy ny fanatsarana hatrany. Samy faly na ny malagasy na ny hafa izay nahita izany ary maniry ny te-hahalala bebe kokoa an’i Madagsikara sy ny tantarany.

Antenaina fa mbola hitohy izany, tsy ho tantara fotsiny fa fijoroana ho vavolombelon’i Kristy. Tsy ho ny tantaran-dRasalama ihany . Fa araka ny talenta sy ny aigam-panahy izay no raisin’ny tsirairay avy amin’Andriamanitra.

Ny hany ampiako eto dia tsapa fa niteraka fifankatiavana, fihavanana ary toy ny fianakaviana ireo rehetra izay nandray anjara .

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

 

Vous aimerez aussi :