TENY HO VAKIANA

GENESISY 14

KORITIANA 11 : 17-34

LIOKA 9 : 10-17

Mampahatsiaro antsika zavatra maro ity fahagagana nataon’i Jesosy ity.

Ny iray amin’ireny dia ny nanomezan’Andriamanitra ny mana tany an’efitra. Teo amin’ny fotoana tsy nahitana ho hanina dia nanome ny Zanak’Israely mofo Andriamanitra dia ny mana izany.

Tahaka izao hitatsika eto izao. Mampahatsiaro koa ny Fanasan’ny Tompo izay nizaran’i Jesosy tamin’ny mpianany ny mofo ka nilazany hoe : Ity ny tenako izay zaraina ho anareo. Ny fotoana andro androany rahateo dia natao indrindra ho fahatsiarovana ny Fanasan’ny Tompo.

Miverina ao an-tsaina koa ny namakian’ny Tompo ny mofo teo anoloan’izy roalahy ho any Emaosy.

Fa tsy adino koa ny tenin’i Jesosy tamin’izy nalaina devoly fanahy ka nilazany hoe : Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny rehetra aloakan’ny vavan’Andriamanitra.

Ahoana koa no tsy hilazana etoana ny teny malaza nataon’i Jesosy hoe : Izaho no mofon’aina. Izany rehetra izany dia milaza ny maha-zava-dehibe ny mofo teo amin’i Jesosy.

Raha miverina eo amin’ny tantara isika. Nanakoako ny namahanan’i Jesosy ny olona mihoatra ny dimy arivo. Na dia ireo Mpitondra aza dia nametraka fanotaniana hoe : Iza moa ity Jesosy ity. Nefa tsy izany no mahamaika antsika fa ny resaka nifanaovan’i Jesosy sy ny mpianany. Ahoana hoy ny mpianatra : »Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina fa aty an-tany foana isika. » Tsy nanaiky ho tompon’antoka amin’ireto vahoaka ireto ny mpianatra. Izay noheveriny na dia fantany aza fa mahavita fahagagana Jesosy dia ny hoe : ny teny mamy sy ny toriteny ihany no anjaran’i Jesosy fa ny sakafo sy fatoriana tsy anjaran’izany. Fakam-panahy mahazo ny Fiangonana io. Heverin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fiangonana fa ny vavaka ihany no anjarany fa izay fiainan’ny olona an-davan’andro an’ny tsirairay izany.

Ary izay no mahavoa ny Fiangonana. Tsy any am-piangonana intsony amin’izao fotoana izao no heverin’ny olona hamaly ny zava-manahirana azy. Ho antsika aty am-pitan-dranomasina tsy mbola tsapan’ny olona ny maha-fiangonana ny fiangonana. Fiaraha-mivavaka ihany io ka dia mamonjy fanompom-pivavahana izy satria afaka mihira amin’ny teny malagasy, ary any rahateo no mba hifankahita amin’ny malagasy. Ambivitra dia ambivitra ny anjara toerana omena ny asa-sosialy. Mba nahorina ihany ny fikambanana iandraikitra izany amin’ny Fiangonana Protestanta malagasy sasany aty an-dafy nefa dia nitsipozipozy zara fa velona satria tsy mbola tsapan’ny tompon’andraikitra ny maha-zava-dehibe izany..

Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : « Omenareo hanina izy ». Izany hoe : Tena andraikitrareo ny manome sakafo azy. Ary raha mita ary amin’ny nilazan’i Jesosy ny hiaviny indray sy ny fitsarana farany isika dia tena isan’ny hitsarana ny tsirairay avy izany. Nihanahan ny mpianatra. Misy aza angamba amin’ny sasany tamin’izy ireo nisaina ny hoe : tena tsy mieritreritra mihitsy Jesosy. Aiza no hahita hanina ho an’ireo olona marobe ireo. Tena anjaran’ny Fiangonana ny manome hanina ny olona ka tsy hijanonana amin’ny sakafom-panany fotsiny izany. Dia hoy isika mazàna tena fanirina dia fanirina tokony anie ny hanao izany saingy ny atao no tsy misy e !, tanimena ve hirehatra. Rehefa notenen’i Jesosy ny mpianatra dia nanao kaonty : »Tsy manana mihoatra ny mofo dimy sy hazan-drano roa izahay. » Tsy mitady zavatra hafa afatsy izay hananatsika Jesosy. Ary avy amin’izay kely hananatsika izay no tiany ho entitsika miasa. Ilay mpitondra tena tao Zarefata dia koba kely eran’ny tanana ila sy diloilo kely tao amin’ny tavoara no nozarainy tamin’i Elia mpaminany. Manana mihoatra noho izany ny Fiangonana, fa saingy betsaka ny Fiangonana mihevitra fa tsy anjarany izany. Fa izay lesona tian’i Jesosy ho hitan’ny mpianatra dia ny hahatsapany fa amin’ny zavatra kely, toa ny mofo dimy sy hazandrano roa ka nahavoky olona tsy omby dimy arivo, dia mahavita fanovana lehibe. Raha dia fitiavana kely aza no hanana ny kristiana hiova ny fiara-monina, ny fiangonana, ny firenena. Aoka ho fantatra fa betsaka ny mila antsika. Efa mba nosaintsika ve fa misy ankizy mpianatra malagasy maty irery tao an-tranony satria tsy nihina-kanina efa andro maro, misy vehivavy malagasy izay narian’ny vadiny vazaha ka tsy mahita aleha, misy fianakaviana zara fa velona satria tsy miasa ny raim-pianakaviana ary ny renim-pianakaviana sisa mampiditra vola ao an-trano amin’ny asa an-trano ataony.

Tokony tsy hialangalana isika ka hampiranganranga ny tsy fanana mba tsy hanaovana ny asa ny Tompo napetraka tamitsika. Izay kely hanana rehefa miaraka amin’ny Tompo hampiny ka mety hahavitatsika zava-dehibe. Hoy ny Tompo : Fa noana aho dia nomenareo hanina….midira amin’ny fifalian’ny Tomponareo