Lohatenina  boky io hoe « Ireo aretin’ny fiainam-panahy », nadikan’i Julia DARSOT amin’ny fiteny malagasy  avy amin’ny boky teny frantsay an’i Daniel Bourguet, mpitandrina, izay nanoratra boky maro fitaizam-panahy. Izy mianadahy dia samy mpitandrina tao amin’ny Eglise protestante unie de France ary samy efa misotro ronono.

Iza no tsy mahalala ny atao hoe : aretin’ny fiainam-panahy ! Ny devoly na ny demonia no omen-tsiny malaky raha sendra io aretina io ny olombelona. Ny olona tsirairay dia noharian’Andriamanitra ho tsara. Fa saingy rehefa mety itsofohan’ny aretina ny fanahiny dia niova ary nanatanteraka zava-doza. Soa fa eo Andriamanitra izay heverin’ny olombelona fa tsy mahay afa-tsy ny mitsara sy manameloka. Ilaina tokoa ny fitsarana raha misy manao ratsy. Fa ny mahamaika an’Andriamanitra dia ny hanasitrana ny olona amin’ny faharatsiany. Izay no atao hoe : « fanasitranana na famonjena. » Hazavaina ato anatin’ity boky ity izany fitiavan’Andriamanitra ny olona izany. Fitiavana mahagaga izay mifanohitra amin’ny hiheverana azy mandrakariva. Fitiavana tsy misy takalony izay asainy ho tanterahan’izay milaza fa mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Tsarovy ry mpamaky, fa ny aretina dia mampijaly ary mila fitsaboana na dia mikasika ny fanahy aza. Ka iza no mpitsabo tianao hatonina hanasitrana ?  Iza no mpitsabo tiako hikarakara sy hitsabo ahy ? Iza avy izany no atao hoe mpitsabo ? Rehefa voafidinao ny mpitsabo anao dia tsy maintsy fantany izay nahatonga ny aretina. Tsy maintsy lazaina azy ny niandohany. Raha afenina izany dia tsy mandaitra loatra ny fitsaboana ary ela vao mety ho sitrana. Misy ireo atao hoe Ray am-panahy (Pères de l’Eglise) izay nandinika ary  nilaza ireo karazana aretin’ny fiainam-panahy. Araka ny fikaroana nataon’ izy ireo dia misy mihoatra ny 100 no isan’ny aretina. Fa saingy vitsivitsy ihany no aseho sy dinihina ato sy ny fomba hanasitranana azy.  Koa mazotoa mamaky io boky io.

Any Madagasikara ihany no hahitanao azy ary ao amin’ny fivarotam-boky ANTSO eo an-dohan’Analakely  sy AVOTRA eny an-Tsaralalàna. Tsara atao fanomezana.

Misy tokoa ny vaha olana manasitrana tanteraka raha tiana ny ho sitrana.