Indro tantara mampieritreritra ao amin’ny Soratra Masina.

1 MPANJAKA 3: 16-26

16Tamin’izay dia nisy vehivavy janga roa nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.

17Hoy ilay vehivavy iray : Tratra antitra ianao tompokolahy ! Izaho sy ity vehivavhy ity dia miray trano ; niteraka tao an-trano aho sady tao koa izy.

18Nony efa niteraka hateloana  aho dia mba niteraka koa Ravehivavy ity. Izahay Roa vavy ihany no tao ; tsy nisy olon-kafa  tao aminay tao an-trano  fa izahay roa vavy ihany.

19 Ary maty tamin’ny alina ny zanak’ity Ravehivavy ity,fa voatsindriny.

20Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ilay natory iny aho mpanompovavivinao, dia nampandriany  teo an-tratrany, fa ny azy maty no napetrany teo an-tratrako.

21 Nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, dia indro fa maty.Kanjo rehefa nofantariko izy nony maraina dia hitako fa tsy ny zanako naterako !

22Hoy kosa anefa ilay iray : Tsia ! Ny velona no zanako fa ny maty no zananakao.Nefa hoy indray ny iray : Tsia ! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako.Izany no tenin’izy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka.

23 Hoy ny mpanjaka : Ny iray dia miteny hoe : Ity velona ity no zanako fa ny maty no zanakao !Ary hoy kosa ny iray :Tsia ! Fa ny maty no zanakao ary ny velona no zanako !

24Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Dia noentina ho eo anatrehan’ny mpanjaka ny sabatra.

25Ary hoy ny mpanjaka : Zarao roa ny zaza velona ka omeo ny iray ny atsasany  ary ho an’ny iray kosa ny atsasany.

26Nefa niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy,renin’ny zaza velona, satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ny zanany ka hoy izy hoe :Tompokolahy ô, tratra antitra ianao ! Omeo azy ihany ary ny zaza velona fa aza dia vonoina re ! Fa hoy kosa ny iray : Aoka tsy ho ahy tsy ho anao fa zarao e !

27Dia hoy ny mpanjaka : Omeo an’itsy ny zaza velona fa aza vonoina.Io mihitsy ny reniny.

28Rehefa ren’ny Israely rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany dia natahotra ny mpanjaka izy ;satria hitany fa ao am-pony ny fahendren’Andriamanitra ho entiny mitsara.