Jaona 20 : 1 – 9

Niainga vao mangiran-dratsy i  Maria Magdala satria maika ho tonga vao maraina eny am-pasana. Tsy matahotra akory ny mety hanakanan’ny olon-dratsy azy eny an-dalana. N’inona n’inona tsy nisy nampihemotra azy.Ahoana re ny ao an-tsainy ? Tsy nampoiziny ny zavatra nitranga rehefa tonga teny an-toerana izy. Efa nisokatra ny fasana. Nihetsika teo amin’ny toerana ny vato manidy ny fasana. Iza no nanao izao hoy izy an-eritreritra. Fa nisy inona  tamin’ny alina ?

Somary niverin-dalana kely izy. Lasa nijery an’i Simona sy ilay mpianatra iray akaiky an’i Jesosy izy hilazana izay zavatra hitany . Hoy izy : « Nisy naka tato am-pasana ny Tompo ary tsy fantatray izay nametrahana  azy ».

Somary very hevitra i Maria. Nitalaho tokoa izy amin’ny teny nataony mba hanamarinana ny zavatra hitany eo anatrehan’ny olona ka inoan’izy ireo ny zavatra nolazainy.

Tsy nijanona Petera sy ilay mpianatra iray fa nanaraka ny dian’i  Maria Magdala. Niroso eny amin’ny fasana rizareo. Nihazakazaka izy ireo ary ilay mpianatra iray no tonga voalohany.Tsy tonga izy dia niditra. Angamba niezaka ny hahalala ny zava-nitranga izy aloha.Inona avy ary ireto taditady ireto hoy izy anakampo.Nijanona teo am-baravarana izy. Fa i Petera kosa dia niriotra mafy ka niditra. Hitany ireo tapadamba toy ny tady izay niparitaka. Ary ny lamba izay nandrakotra ny lohan’i Jesosy ary niala ireo taditady. Nisy nametraka  tery an-jorompasana. Farany dia nanapakevitra ny hiditra ilay mpianatra iray. Namindra kely fotsiny izy. Hitany ny tao am-pasana. Ary tonga dia nino. Nefa ny soratra dia milaza fa mbola tsy azony akory ny hevitry ny Soratra Masina fa hitsangana amin’ny maty Jesosy. Ny rehetra no voakasik’izany. I Petera koa tsy maintsy nahita izany. Ahoana moa no hinoany izay lazain’i Jesosy ao anatin’ny fotoana fohy fa hitsangana amin’ny maty izy.

Ny Filazantsaran’i Jaona ve « Filazantsaran’ny fisalasalana » ? Izany ve no mahatonga ny teny hoe « mino » miverimberina ao. Ny mpanoratra ny Filazantsara efatra dia samy manana ny fomba fitantarany, sy fanoratany ny tantara.

Ary ho antsika kristiana ankehitriny : inona io fasana izay tsy hahitana intsony ny fatin’ilay olona ?

Tsy ara-dalana ny zava-nitranga satria tsy misy olona mahazo mikasika intsony ny faty rehefa injay fa napetraka ao am-pasana ny faty. Voadona mafy ny sain’ny fianakaviana raha misy mikasika ny fatin’ny havany. Afaka mionona fotsiny amin’izao ve ? Raha izany dia tokony ho raisin’ny fitsarana ny raharaha mba hiverina amin’ny laoniny ny voninahitry ny maty sy ny fianakaviana.

Ary raha mamaky tsara ny soratra isika dia ho hita mazava fa izany no nitranga.

Endrey mahaliana ny fihetsiky ny mpianatra. Tsy nahita ilay maty izy ireo ary dia nino avy hatrany.

Tsy maintsy nisy ny zavatra toa izao mba hinoan’ny mpianatra. Tsy mahazatra an-drizareo izao na dia efa nampilaza azy ihany aza i Jesosy fa amin’ny andro fahatelo dia hitsangana izy. Tsy mora ny ninoana izany.Tsy mora ny heverana fa tsy ho hita intsony Jesosy. Ny fisarahana toa izao dia ratra lehibe.

Ankehitriny, mihira ny andro Paska isika, andro nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Mihira koa ny fifalian’ny Tompo Andriamanitra isika sy ny fifalian’i Kristy izay velona.

Nefa tsy lavina fa noho ny antony maro dia misalasla ny amin’ny finoana fa tena Zanak’Andriamanitra, maty sy nitsangana tamin’ny maty. Tratran’ny fisalasalana isika indraindray. Tsy misy mahadiso izany. Mora ve ny milaza amin’ny olona hoe : minoa fotsiny ihany. Fa i Kristy no manatanteraka ny sisa rehetra. Kanefa rehefa voadona ny tena noho nisin’ny fahafatesana tamin’ny olona akaiky ny fo dia mivaraontsana ny tena .Izay no nahazo ny mpianatra.

Maria, Petera, sy ilay mpianatra anankiray dia samy nihazakazaka.Tsy afaka nitoetra tamin’izao fotsiny izy ireo. Ary raha tohizantsika ny famakiana ny tantara dia  : nitomany Maria. Ary nisy lehilahy iray niteny taminy hoe : ravehivavy nahoana no mitomany ianao ? Izany teny izany no nampifoha ny finoana ao anatiny. Iza io lehilahy io : Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra ?

Inona ary no atao hoe velona indray aminao ? Manontany an’izany daholo isika .Inona no atao hoe ho faty aho ary mino ve aho fa ho velona indray ? Ahoana no hahatanteraka izany ?

Rehefa mahita ny zava-doza mitranga eto amin’izao tontolo izao isika dia sahiran-tsaina. Indraindray olona marobe an’arivony no maty indray mipihy maso noho ny loza na ny ady. Ary ahoana no inoana ny amin’ny hitsanganan’izy ireo amin’ny maty ?

Ny zavatra takatrisika ato amin’ity soratra ity dia ny fitsanganan’ny tsirairay amin’ny maty.Tsy ity tena mety lo ity no hitsangana. Fa ny tena tsy mety lo.Tsy aorian’ny fahafatesana fa ny fihaonana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny teny izay nampilazaina. Fa tamin’ny fanekena fa ny famonjena antsika irery dia ao amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maty.

Maro ny olona tratran’ny famoizam-po fa ny teny no nampitraka azy. Io teny io izay tenin’ny olombelona  no namelona azy indray. Matetika dia teny iray, teny iray monja eo amin’ny alalan’ny famakian-teny ao amin’ny Soratra Masina, teny iray teo amin’ny toriteny, na hira, na tenin’ny zaza izay avy nianatra Soratra Masina. Na teny nanaitra teo amin’ny fotoana nifampiresahana.  

Fa izany teny izany tsy dia ao am-piangonana ihany no handrenesana azy.Fa ao an-tokan-trano koa saingy tsy heno noho ny zavatra mahavariana maro ao. Ny trano tsy fasana akory fa mety ho lasa toa izany raha tsy mihaino  ny Teny isika. Ny korontana ara-nofo na ara-panahy izay manenika ny fiainantsika andavanandro dia mahatonga antsika ho jamba ka tsy hahitantsika an’Andriamanitra izay manome ny fiainana antsika tsirairay avy. Tsy maintsy vahana tsirairay ny tady izay mamatotra ka hapetraka ireny. Fa ny fiainana tsy natao ho fonosin’ny tady madinika sy tereny. Tsy natao ho hafenina ny endriky ny fiainana. Zava-dehibe ny mampiseho azy. Ny lamba nanakona ny endrika dia natao ho esorina. Vahana tsirairay.

 Noho  izany andao ary isika samy hanala izay mamatotra antsika mba hidirantsika ao amin’ny fahavelomana  dieny izao sy eto amin’ny misy antsika.Vonona ny hanampy antsika Kristy amin’ny fitsanganan’ny tenantsika amin’ny maty izay tsy amin’izao andro Paska izao ihany fa isan’andro eo amin’ny fiainantsika manontolo.