Avy aiza ny fivavahana kristiana (1)

Maro ny fivavahana misy eran’izao tontolo izao eto amin’ny kontinanta dimy : Afrika, Azia, Oseania , Eoropa, Amerika.

Tsara ny hahafantarana tsara ny nihavin’ny fivavahana kristiana satria io no ho resahana  indrindra eto. Tsy fanaovana an-tsirambiny ny hafa akory izany. Fa voatonina eny ihany ny amin’izy ireny rehefa misy fampitahana na fampitovizana.

Tsara ho fantatra koa fa hadino ny amin’ireo izay milaza fa tsy mivavaka izy ary tsy te hivavaka izany.Hajaina tanteraka ny amin’izy ireny ary tsy misy antony hanomezan-tsiny azy ireny. Afaka mamaky ny zavatra voalaza ato izy ireny ary hisaorana azy izany.

Ny Baiboly

Alohan’ny hidirana amin’ny fivavahana kristiana dia ilaina ny milaza ny amin’ny fitaovana nahalalana azy :

  • Avy amin’ny teny
  • Avy amin’ny soratra

Ka nahatonga ny fisin’ny Baiboly.

Tany am-boalohany dia ny teny izay avy amin’ny tsindrin-mandry no nampitaina tamin’ny firenena iray atao hoe :hebreo. Maro no nanao  izany asa izany (raha heverina ho toy ny asa)  satria betsaka ny zavatra sy tantara voalaza ao amin’ny Baiboly.

Taty aoriana dia nangonina ny teny ary natambatra ho boky izay natao tamin’ny hoditra an’ny zanak’omby satria malefaka io, na ny zozoro koa izay namainana. Tsy mbola nisy ny printy ary rehefa nadika ho boky faharoa , na fahatelo dia indraindray mety ho diso ny teny , na ny tsipelina ary manova ny hevitry ny tiana ho lazaina tany am-boalohany.

Ny Baiboly dia boky :

Amin’izao fotoana moa dia boky maro sy lehibe no natambatra  ho iray.

Avy amin’ny teny grika ny teny hoe «  BAIBOLY » midika hoe « ta biblia » ( ireo boky masina  milaza zavatra maromaro – pluriel)  ». Fa amin’ny teny latina kosa izay nihavin’ny teny frantsay dia lasa –féminin ary singulier –  ka nadika hoe : « La Bible ».

Ny Baiboly dia  fitambaran’ny boky maro. Ary sarotra ny tena nahafantarana izay nanoratra azy. Na izany aza dia nomena anarana ny boky tsirairay.

Tsy boky iray no  eny am-pelatanantsika rehefa mandray na mamaky Baiboly. Fa mihoatra izany satria tsy nosarahana izy ireo rehefa natao sy neken’ny Rain’ny Fiangonana ny atao hoe « canon biblique ».

Rehefa tonga ny fanaovana printy sy ny fahaizana tamin’izany dia lasa kely dia kely ny velaran’ny Baiboly.

Nisy ny atao hoe « Bible chignon » izay mirakitra ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly. Fa saingy noho ny fanenjehana ohatra taty Frantsa dia nafenina tao anatin’ny volo mba tsy ho hita. Amin’izao fotoanan’ny internet moa dia efa hafa be ny hahazontsika mora ny famakiana ny Baiboly.

Mizara roa lehibe ny Baiboly

  1. Ny Testamenta taloha.

Ny testamenta dia avy amin’ny teny latina hoe « testamentum », kanefa ny teny hebreo dia mandika azy hoe « Fanekena ». Hahitana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny fireneny tamin’ny alalan’i Mosesy ary ny Fanekena vaovao ao amin’i Jesosy Kristy. Ny Testamenta taloha dia azo adika : Ny Fanekena taloha. Tamin’ny hebreo(na Jiosy na Israeliana) no nanoratana azy , sy tamin’ny arameana, ary amin’ny teny grika fa io dia vitsy.

Misy fahasamihafana kely  eo amin’ny kristiana ny amin’izy io :

Ao amin’ny Baiboly katolika dia miisa 46 boky

Ao amin’ny Baiboly protestanta dia miisa 39 boky.Tsy notazonina tao mantsy ny bokin’i Baroka, Jodita,Makabeo I sy II , Ny mpitoriteny, Tobita.

Bokin’ny Apokrifa no ilazan’ny protestanta azy.

Ary Detoerokanonika no ilazan’ny katolika azy.

Tsara vakina izy ireny rehefa hita fa mahalina koa.

  1. Ny Testamenta vaovao.

Miisa boky 27 hitovizan’ny kristiana rehetra. Tamin’ny teny grika no nanoratana azy tany am-boalohany. Grika atao hoe : grec koiné. Teny grika taloha – teny ho an’ny vahoaka rehetra izy io.

 

Ireo boky hita ao amin’ny Testamenta taloha sy ny isan’ny toko :

  • Ny Pentatioka

Genesisy na Fiandohana(50), Eksodosy na Fahafahana(40), Levitikosy na Fisoronana(27),

  • Ny Tantara

Nomery na Fanisana(36), Deotoronomia na Famerenan-Teny (34), Josoa(24), Mpitsara(21), Rota(4), Samoela Voalohany (31), Samoela Faharoa ( 24), Mpanjaka Voalohany ( 22), Mpanjaka Faharoa(25), Tantara Voalohany( 29), Tantara Faharoa( 36), Ezra(10), Nehemia(13), Estaera(10)

  • Ny Tononkalo

Joba(42),Joba(42), Salamo((150),Ohabolana(31), Mpitoriteny(12),Tononkiran’i Solomona(8),

  • Ny Mpaminany

Isaia(66),Jeremia(52), Fitomaniana(5),Ezekiela(48),Daniela(12), Hosea(14),Joela(4), Amosa(9), Obadia(1), Jona(4),Mika(7), Nahoma(3),Habakoka(3),Zefania(3),Hagay(2),Zakaria(14), Malakia(3).

 

Ireo boky hita ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny isan’ny Toko

 

  • Ny Filazantsara

Matio (28), Marka(16),Lioka(24),Jaona(21),Asan’ny apostoly(28),

  • Ny Epistily

Romana(16),Korintiana Voalohany(16),Korintiana Faharoa(13),Galatiana(6),Efesiana(6), Filipiana(4),Kolosiana(4), Tesaloniana Voalohany(5),Tesaloniana Faharoa(3),Timoty Voalohany(6),Timoty Faharoa(4), Titosy(3),Filemona(1),Hebreo(13),Jakoba(5),Petera Voalohany(5),Petera Faharoa(3),Jaona Voalohany(5), Jaona Faharoa(1), Jaona Fahatelo(1), Joda,

Apokalypsy na Fanambarana(22).

Raha boky voazarazara ny Baiboly dia efa tena betsaka satria miiisa 73 izany. Hany ka ny Baiboly dia tsy boky fotsiny fa tena  « BIBLIOTKEKA ».

Ho liana ianao eo am-pamakiana na dia ny hahalalana ny tantara ao fotsiny aza.