Ny tantara mampalahelo faharoa zaraiko aminao amin’ity fotoanan’ny Karemy ity dia nikasika mpampianatra. Lehilahy vaventy sy ranjanana efa lehibe no malaza teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana. Izao no fitantarany ny zavatra nanjo azy : « Nandeha tany Analakely aho. Ary nijanona hiditra hijery magazay no nisy niantso sy nanondro ahy ho FRS. Taitra sy tsy nahetsika aho. Poa tahaka izay dia efa nisy roa lahy nitana ny tanako vonona hamely totohondry. Nisy nanampy ary tsy afaka nihetsika intsony. Ny kitapoko mbola voatazoko ihany. Niteny mafy aho fa tsy FRS nefa tsy noraharahin’ireto. Nisy olona iray nahalala ahy tsara ary nikika nilaza fa tsy FRS fa mpampianatra no pastora. Tsy nino ny nitolona ahy fa vao mainka nangeja. Soa ihany koa fa nisy olona hafa koa tonga niantso mafy fa tsy FRS aho fa mpitandrina. Avelao izy. Ela vao nijanona ireto saika handratra. Talohan’ny nialako teo dia nasehoko ny olona ny Baiboly sy ireo kahie fampianarana tao anaty kitapo. Izay vao tena nisaraka. Ireo mpanendaka na ny tena marina ireo te-hamono dia tsy hita izay nalehany ». Nangina izahay mpianatra nihaino ny fitantarany izany. Nalahelo ary nangotsoka aho. Satria zava-doza.Saika maty ity olona ity. Ny fahatairany sy ny tsy nanampoizany izao fanendrinkendrehana izao dia tsy nahafahany niaro tena. Rehefa vita ny zavatra nolazainy dia hoy izy : « saika maty aho re olona .Ary saika maty noho ny adalan’ny olona sy tsy misy fieritreretana. Natahotra ihany koa aho satria tsy voatana ireto olona ireto ary vonona ny hamono. Toa tahaka ny romotra ry zalahy. Asa na ahoana ny ho avin’ity firenentsika ity ? Ny zavatra tahaka itony hoy izy dia marika fa mirotra ho amin’ny làlan-dratsy ny tany iray ».
Inona moa no mahatonga izao fihetsika izao ?
Fiandohan’ny fampisehona ny horohoro sy fampitahorana. Ireo mihevitra ho matanjaka no manao izay tiany.
Fitiavana hampiteraka tsy fahatokisana ary ho feno ahiahy ny hafa
Fitivana hampikorontana ny saina, sy ny tany aman-monina
Fitiavana hampiely zavatra tsy marina.
Eto koa no mampitsangam-bolo izay nahita sy nandre : fa inona no manjo ny mpiara-monina ?
Foana izany amin’izao fotoana izao sa tsia ? Misy tantara toy izany koa any amin’ny tany hafa. Fa raha ny eto amintsika, tany izay milaza ho mifankatia ny olona amin’ny soatoavina sy ny fihavanana nefa dia izany no hita.
Nahoana no manana fo lontika sy feno habibina ? Tsy azo nafenina intsony ny nikobona hatramin’izay fa nibaribary.
Noho ny fijoroan’ny olona nilaza ny marina sy niaro azy ary feno fahasahiana na dia sarotra aza izany dia voavonjy ilay mpampianatra.
Ny fanendrinkendrehana dia miteraka loza : ny fahafatesana. Raha mitranga izany eto amin’ny firenentsika dia noho ny fahantrana ara-panahy. Inona ary moa ity atao hoe fanahy ity ??
Ho famaranana dia jereo sy diniho ny tantaran’ny mpaminany Daniela. Toko fa enina(6), indrindra ny andininy faha-5 sy 6.
Tsy i Daniela akory ity mpampianatra ity fa saingy misy hitovizan’ny fihetsiky ny mpiampanga. Ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika.
Comments by Julia DARSOT