Koa satria saika isan’andro no misy mikaroka ato amin’ny bilaogy ny lohateny hoe « Tantara mampalahelo ». Dia indro zaraiko ity tantara mampalahelo ity. Na dia ao amin’ny Baiboly aza dia hahitana koa tantara mampalahelo maro. Tsy mahafinaritra na mahafaly daholo akory ny tantara ao.Ka sao ianao tezitra raha lazaiko izany.
Volana vitsivitsy taorian’ny 13 mai 1972 no nitrangan’izao resaka izao.
Nisy olona nifanao fotoana taminay fa ho avy hiasa tany izy. Nefa tara adiny roa. Rehefa tonga izy dia somary sahirana. Tsy nilaza ny antony naha-tara fa niarahaba dia lasa niasa. Nahagaga ahy ihany ilay fihetsika. Niandry aho izay hitenenany. Rehefa nahavita ny am-pahefan’ny asa tany izy dia nijanona. Nankeny an-joro trano ary nipetraka toa lasa vinany.
- Tsy mbola vita hoy izy fa hotohizako avy eo. Fa fantatrao ve madama ny naha-tara ahy ?
- Ianao ihany no mahalala azy hoy aho.
- Izao ary : Teo an-tsena teo am-piandrasana bus mantsy nisy olona nivorivory ary niorakoraka. Tao anaty bus dia nojereko ary indreo misy mifandimby manisy totohondro olona iray mipetraka ao anaty bus. Dia mba nasiako koa ilay izy.
- Fa angaha ianao adala sa niady taminy hoy aho.
- Tsia, tsia, tsy fantatro akory ilay izy fa namely ry zalaha dia nanao koa aho.
Hitany aho fa somary tezitra.
- Tsy izany mantsy fa mba nanome ny anjarako aho, ary nanafaka ny hatezerako izany.Tsy izy no nahatezitra ahy fa efa tezitra fotsiny amin’ny fiainana aho.Indrindra tamin’ny olon-kafa iray izay.
Dia nasaiko najanony ny asany. Ary dia niresaka ela izy. Ary nasaiko nody izy.
Ny ampitso rehefa hiverina hiasa izy dia hitako fa tsy mirana intsony. Nanenina izy tamin’ny zavatra nataony.Kanefa tsy azony naverina intsony.
- Tsy ho hitako intsony angamba ilay zalahy iny fa tena tsy nety ny nataoko hoy izy.
Tsy nahavita ny asany ilay rangaha fa nihodikodina ny trano. Nokapohiny aza ny tanany sy ny sandriny indraindray. Izany ve no heverina fa hanafaka ny zavatra nataony teo ? Izy koa dia olona matanjaka sy tena be sandry. Ireo mantsy no nentiny nanisy ilay olona tsy fantany akory.Raha olona kely aina dia maty eo no eo amin’ny totohondrony.Izy koa dia nilaza fa tsy fantany izay niafaran’ilay olona.
Nandritra ny fotoana niverenany niasa dia tsy nitsahatra ny namerina ilay tantatra izy. Tsy nampoiziko ho izao no hitranga. Olona be tsy miteny izy fa nanomboka tamin’io dia tsy nikombona ny vavany.
Amin’izao fotoana hanoratako izao dia tsy fantatro na mbola velona any ilay rangaha niasa ny tany. Angamba zokiko folo taona eo izy.
Nahalasa eritreritra tokoa ny zavatra notantarainy sy ny nitranga. Ary nisy toe-zavatra tahaka izany izay nampanahy ny olona maro ny hisin’ny tahaka izany tamin’izany fotoana izany.
Izaho koa nanontany tena hoe : ahoana moa « izany » ? Io « izany » io no tena mifono zavatra maro mila vahavahana . Ahoana no hahazona mandratra olona tsy fantatra ?Eny fa na dia mirotra aminy daholo aza ny rehetra. Tsy nisy niaro na dia iray aza. Iza moa hoy ianao no hiaro satria mety hanaovan’ny hafa tamba-be koa.
Nalahelo tokoa aho. Tena nalahelo mafy. Tsy fantatro izay antony nahatonga ny olona nanisy totohondry azy. Fa ny tao an-tsaiko dia ny tenany maharary vokatr’izany. Mety ho potika ny tarehiny, mety ho tapaka ny taolany, mety ho vaky ny taovany sasany. Ka ao anatin’ilay « izany » dia ny hoe « inona moa ny olona, amin’ny samy olona » ? Raha nisy tsy nety nataony moa ve tsy ao ny manam-pahefana ? Sa dia vitan’ny vahoaka ny fitsarana tamin’izany fotoana izany ? Ny mikasika ny fitsarana koa izany dia anatin’ilay hoe « izany ».
Tamin’ilay niresahan’ilay mpiasa tany dia fantany tsara ny antony nanasivany totohondry ilay olona. Tsy afaka miala amin’izany izy. Nanana lolom-po tamin’ny olon-kafa izy nanala vokona tamin’olon-kaha.
Efa niboiboika tao am-pony tao ny fahatezerana ka tsy voafehiny intsony. Io fahatezerana io koa dia ao anatin’ilay hoe « izany ». Nihevitra ilay mpiasa tany fa ho afaka ny fony . Kanjo loza. Tsy nahita fiadanam-po izy fa manontany tena ny amin’izay niafaran’ilay olona nasiany totohondry. Raha azony natao ny namaha izany dia nataony saingy tsy nisy hevitra intsony. Hitako fa maloka ny fiainany hatramin’ny ampitson’iny toe-zavatra iny. Ao anatin’ilay « izany » koa dia ny tsy fiheverana ka miafara amin’ny nenina aty aoriana.
Raha izany ilay « izany » dia : Ny tahotra. – Inona moa ny olona ?- Ny fitsarana .- Ny fahatezerana. – Ny tsy fiheverana. – Ny nenina.
Nahoana no misy ny tahotra eto amin’ity tantara ity : Satria efa tsy mety hisaina ny olona fa izay ataon’ny hafa dia arahina na dia ratsy aza.
Inona moa ny olona ? Rehefa mijery olona iray ianao dia tsy hafa io olona io fa ao no hahitanao ny tarehinao. Ny olona tsy tokony hikasy tanana ny olona.
Ny fitsarana ? Nahoana no tsy raharahin’ny olona intsony ny fitsarana avy amin’ny fahefam-panjakana ?
Ny fahatezerana : Io no manimba ny fiainan’ny olona raha mifikitra amin’ny fahatezerana izy.
Ny tsy fiheverana : Io dia fanilihana ny andraikitra amin’ny hafa mba hanadio tena.
Ny nenina : manenjika mandra-maty na tsy lazaina aza.
Jereo ny tantaran’i Kaina ao amin’ny Genesisy toko fa-efatra (4). Lasa nirenireny teto an-tany ary natahotra tamin’izay rehetra nalehany.
Comments by Julia DARSOT