Hiresaka ny fianarana hahatongavana ho mpitandrina isika .
Ny protestanta zatra mampiasa ny teny hoe : mpitandrina na pasitera na pastora.Teny hampiasain’ny katolika koa izy ireo na dia tsy mahazatra loatra aza. Maro dia maro tokoa ankehitriny ny maniry ho mpitandrina ary maro ny fiangonana misokatra atsy sy aroa raha ny ao Madagasikara.
Ny mpitandrina araka izany teny izany dia mitandrina na mikarakara olona amin’ny lafiny ara-panahy. Ary tsy manao izany asa izany ho maivamaivana.Heverina fa efa nandinika lalina tokoa vao miroso amin’izany.Ary nanana fifanakalozan-kevitra amin’ny talen’ny Sekoly na Fakiolte. Na dia atao aza hoe misy ihany izay miala amin’izany noho ny antony manokana. Misy milaza fa ny nahatonga azy ho mpitandrina dia noho ny fitiavana ny fianarana mikasika izany ary rehefa vita io fianarana io dia ho hitany eo ny fanapahan-keviny na hiroso na tsia. Tamin’ireo izay niroso tamin’izany dia nisy izay tena nanana andraikitra lehibe tany aoriana ary tia tokoa ny asany.Na dia tsy izany aza ny tanjona tany am-piandohana.Nisy kosa ireo izay nilaza fa nahare ny antson’ny Tompo izy.Ary izany antso izany dia niseho tamin’ny fomba maro.Toy ny fahenona hira izay nitarika ho amin’izany. Na toriteny izay re ka nampieritreritra. Na resaka nifanakalozana tamin’ny olona. Na nisy zavatra nitranga teo amin’ny fiainan’ny tena na ny fianakaviana. Na tamin’ny fotoana tsy nampoizina.Na tamin’ny fahenonona tantara.Na tamin’ny famakiana boky.Na noho ny fahitany olona iray izay niroso ho amin’ny asan’ny mpitandrina.
Ahoana ary no hahatongavana amin’izany ?
Ilaina ny fianarana.Tena zava-dehibe io ary tsy azo atao atsirambina. Tsy mora ny fianarana.Fa mila ezaka avy amin’ny tena. Na tany amin’ny Sekoly pastoraly, na tany amin’ny Kolejy teolojika, na tany amin’ny Fakiolte.Dia manadanja tokoa izany atao hoe fianarana izany.
Maro ny taranja hianarana:
Ny biblika :Ny Baiboly dia ny TestamentaTaloha sy ny testamenta vaovao. Tsy vitan’ny hoe fahaizana mamaky ny Baiboly fotsiny fa dieny am-piandohana dia mianatra ny teny hebreo sy teny grika.Ary matetika amin’izany rehefa afaka herin-taona dia efa tokony hahay hamaky ny Baiboly amin’ireo teny ireo. Satria afaka aoriana kely ny fanomanana ny toriteny dia ilaina ny mamaky ny texta amin’ireo teny ireo. Ny dikan-teny na amin’ny teny malagasy na teny frantsay dia efa mety mampiova ny hevitry ny texta. Ilaina koa ny fahaizana mamaky ny boky teolojika na amin’ny teny malagasy izay tokony ho hay na dia vitsy dia vitsy tokoa. Miampy izany dia ilaina ny fahaizana ny teny anglisy na ny alema satria ireo no misy boky maro handalinana ny Baiboly.Satria tsy ampy raha ny Baiboly fotsiny ho an’izay miomana ho mpitandrina. Ny taranja momba ny toriteny sy homelitika dia tafiditra amin’izany.Hianarana koa ho taranja iray hafa ny Dogmatique izay handalinana ireo foto-pinoana samihafa.
Ao koa ny taranja mikasika ny Tantara dia ny tantaran’ireo firenena izay nifangaroharo tamin’ny Hebreo na ny Zanak’Israely na ny jiosy araka izay voalaza ao amin’ny Baiboly.Zava-dehibe ny Tantaram-piangonana. Ny boky momba ny Arkeolojia koa dia ilaina. Miampy izany ny Tantaran’ny Fiangonana hatrany am-piandohany.Izay nosoratan’ireo atao hoe Rain’ny Fiangonana.Ary ny tantaran’ny Fiangonana eo amin’ny tany izay ianaran’ny mpianatra. Miampy izany koa ny fahaizana mamaky ny teny latina satria ny Baiboly atao hoe « Vulgate » dia voasoratra amin’io teny io. No tao amin’ny havana katolika ny fanompoam-pivavahana sy ny teny dia tamin’ny teny latina na grika ho an’ny Ortodoxa.Nefa moa efa niova izany taty aoriana Fa ho an’ny protestanta rehefa tonga ny Reforma dia samy nandray ny tenim-pirenena hahazona mampita tsara ny hevitry ny Filazantsara.
Tsy hadino koa ny mikasika ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana: antropolojia, ny psykolojia, ny sosiolojia, ny filozofia. Miampy koa ny « Contextualisation sy Evangélisation » izay mikasika ny fahalalana ny toerana izay hiasana. Tsara ho fantatra koa ny amin’ny Ekiomenisma.
Misy koa ireo izay nampikolay ny mpianatra dia ny fianarana mitondra fanompoam-pivavahana sy toriteny ary dia misy ireo izay mpampianatra manao fanamarihana eo anatrehan’ny be sy ny maro ny zavatra atao. Voakasika amin’izany na ny fiakanjo, na ny fijery, na ny feo, ny fihetsika rehetra , ny fitarihana hira .Io taranja io koa dia atao hoe « Sermon critique » any Madagasikara. Marikivy ny mpianatra rehefa mahare io teny io. Ny aty Frantsa dia tsy nasiana an’izy io intsony.Na dia nisy aza ny Famakian-teny:lecture ». Aty Frantsa ny olona rehetra dia samy afaka mianatra teolojia na tsy hitandrina aza.Tsy voafetra ny mpianatra ary misy aza tsy mpino nefa mandalina fianarana teolojia. Fa ny any Madagasikara izay mikasa ny ho mpitandrina ihany no manaraka ny fianarana rehefa eken’ny « Fitondram-piangonana ».Voafetra kosa noho ny tsy mbola tena malalaka ny toeram-pianarana.Na koa ny tsy fahampin’ny mpampianatra. Ny tsy fahampin’ny fitaovana toy ny boky sy zavatra hafa. Na izany aza tsy mahasakana ny fianarana izany.
Miampy izany rehetra izany dia ilaina ny fotoana hahazona mamaky boky satria raha tsy izany dia tsy maharaka ny mpianatra.
Na mijanona eo amin’ny licence, na maitrise, na master, na doctorat dia faranana amin’ny lahatsotra hatrany amin’ny lohateny voafantina ka eken’ny tompon’andraikitra amin’ny fanarahana izany.
Tsy ny mpianatra rehetra akory no mahatody hatramin’ny farany. Misy ireo izay tsy nahavita na dia ny taona voalohany aza dia mijanona ary mitady asa na miova fianarana hafa.Izay no tsara kokoa aminy sy fahendrena.
Ny mpianatra tsy nahavita ara-dalana ny fianarany nefa mikiry ny hitondra fiangonana dia sahirana na dia atao aza hoe tafiditra hitondra fiangonana ihany.Mety hitranga izany. Ny antony dia satria ny mpiangona dia samy manana ny fahaizany ary mihaino tsara ny zavatra lazaina ary mahay mandajanlanja.Maro koa ny mpiangona no mana-pahaizana na dia tsy ny teolojia aza no nianarany.Ny taranja rehetra moa dia mifameno.Eny na dia ny mathémathiques aza dia ilaina amin’ny fandinihina ny teolojia ho an’izay mazoto amin’izany. Manana ny toerany mantsy ny « isa » ao amin’ny Baiboly.
Noho izany dia mila fikirizana raha te ho tafita hatramin’ny farany.Raha kamokamo aloha dia aleo miala hatrany amboalohany. Tsy vitan’ny hoe mivavaka fotsiny dia misosa ny fianarana.Ilaina ny mivavaka fa tsy ampy. Fa mila mianatra, tena mianatra.
Ity misy tantara iray ho famaranana sady ho fampieritreretana: « Tao ampianarana iray dia nanontany ny mpampianatra hoe :inona no voalaza ao anatin’ity boky ity fa efa iray volana izy ity no nozaraina ka samy nahazo daholo ianarao 45 mianadahy. Nifampijerijery ny mpianatra satria tsy nampoizina ny fanontaniana. Ny mpampianatra koa gaga. Izay tsy namaky moa dia niaiky fa tsy namaky.Izay namaky dia nilaza izay hainy.Fa nisy mpianatra iray niteny ary nanaitra ny mpampianatra.Tena izany ve no ao ry tovolahy hoy ilay mpampianatra.Izany mihitsy tompoko hoy ilay tovolahy.Ka ampisehoy ahy hoe ny bokinao hoy ny mpampianatra.Ka dia nomeny ilay mpianatra ilay izy.Akory ny hatairan’ny rehetra fa boky tsy nisokatra fa mbola tsy voavaha ny ravin’ny taratasy ao anatin’ny boky.Ary dia hoy izy tamin’ilay mpianatra. Mbola tsy misy ohatrin’izany : kay ianao afaka mamaky boky tsy misokatra akory.Lalina izany » Dia fantatrao mpamaky havana ny zavatra nitranga sy ny tohiny.
Tamin’ny tsy mbola nisy ny Fakiolte tany Madagasikara dia ireo mpianatra tao amin’ny sekololy pastoraly dia afaka nitondra fiangonana. Ary tena nahay rizareo.
Ny tao amin’ny Kolejy Ivato koa dia nianatra nandritra ny efa -taona. Ary niveau licence no fianarana tamin’izany. Maro ireo izay nahazo tombony tamin’ny fisin’ny mpampianatra efa nanana ny doctorat izay avy aty Frantsa ny hakamaroany.Nisy koa avy any Alemana. Ary nanampy koa ny mpampianatra teny Ankatso.Raha te hanohy fianarana ho hankaty Frantsa izy ireny dia manao fampitoviana fianarana(équivalence) mandritra ny iray taona. Manao fifaninanana ka izay afaka dia miditra manao Maitrise tao Montpellier na Paris. Nisy dia nisy tokoa ny mpitandrina malagasy nanaraka izany « cursus izany ».Ary nidera an’izy ireny tokoa ny mpampianatra tamin’ireo toerana roa ireo.
Tany amin’ny 1979 dia niorina teny Faravohitra ny Faculté de Theologie protestanta tao Antananarivo. Ary tsy nandeha nankaty Frantsa intsony raha tsy hanao doctorat ka hiomana ho mpampianatra fa io no tena maika. Satria tsy afaka nijoro ny Fakiolte raha tsy nanana mpiantoka manana doctorat ary miisa ho efatra (4) raha kely. Nisy olona roa avy aty Frantsa ary mpampianatra teny Ankatso ny roa. Talohan’ireo dia nisy Suisse iray izay tany am-piandohana mihitsy. Tsaroako fa na dia ny FJKM aza no niandraikitra io toerana io dia nisy zanaka mpitandrina loterana nianatra tao ary fifaliana tsy nisy ohatrin’izany ny azy.
Efa mihamilamina tsikelikely ny amin’ny mpampianatra ny amin’izany.Ary misy amin’izy ireo mpampianatra no hikoizan’ny aty am-pita ny fahaizany. Ny mahagaga koa dia ny fisin’ny vehivavy mihamaro mianatra ho amin’ity asan’ny mpitandrina ity na ao Madagasikara na eran-tany.
Nisy mpampianatra iray izay teny Ivato tamin’ny 1972 nanao hoe: Ianareo aty Ivato, manana toerana milamina ka na tsy mianatra aza noho ny fihombonana amin’ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena dia mikiriza mamaky boky.Tsy ny Baiboly ihany fa ny hafa koa. Dieny mbola mivoha ny fianarana dia aza varivariana. Tena marina tokoa ny teniny. Nanana tombony tokoa satria ny tranom-boky dia teo akaikin’ny trano hipetranaha ka soa tokoa.An’ny tsirairay ny misafidy na handroso na tsia.
Nefa mandroso ihany satria ity taona 2018 ity dia hametrahana zavatra maro ary ao anatin’izany ny fianarana sy ny fanomanana mpitandrina.
Comments by Julia DARSOT