Ny alahadin’ny Paska dia fahatsiarovana sy fankalazana ny nitsanganan’ i Jesosy Kristy tamin’ny maty no voalohany. Ho an’ny kristiana ny Paska dia isan’andro fa tsy indray mandeha isan-taona akory. Na izany aza dia miarahaba anao tratr’izao Paska 2016 izao n’aiza n’aiza misy anao. Na any amin’ny tany malalaka sy milamina ny fivavahana ka tsy misy manelingelina. Ravoravo ny fonao. Na any amin’ny tany izay mikatona ny hidiran’ny fivavahana kristiana ka tsy maintsy atao ankinafina ny fanatanterahana izany. Ary mahatsiaro sahirana sy mihafihafy. Na koa any amin’ny tany misy ady ka mahatsiaro mangirifiry.

Miarahaba antsika eto Madagasikara izay hahitana karazam-piangonana samy manana ny anarany. Misy ny milaza fa ny azy ihany ny marina. Ary samy manao izay hitaomana ny olona ao ambalany. Ary samy miady fo fa ny ato amin’ny Baiboly ihany no izy.Indraindray aza toa lasa fifaninana ny fivavahana.

Mahatsiaro koa ireo toerana nisy fampihorohorona na misy ady noho ny nadalovan’ny fahafatesana ka misy dia misy ny maty izay tsy nanampo ny loza hitranga. Na naratra mafy.

Ho tafantsagana sy ho velona ara-panahy hatrany isika ka hametraka ny finoana an’i Jesosy Kristy : Velona sy nitsangana tamin’ny maty.

Vous aimerez aussi :