Ampahan-tantara telo no atolotra eto amin’izao fankalazana ny fetin’ny Reny izao.Hahatsiarovana ireo Reny izay nandalo fotoan-tsarotra tamin’ny nahatongavany ho reny.
- Voalohany –
Tiako ny reniko na dia efa telopolo taona aza aho vao nahalala ny tantara nahatongavako teto ambonin’ny tany.
Vao teloambininfolo taona monja izy no bevohoka ahy. Azo heverina ho zaza. Nitia nefa tsy nihevitra fa hitondra fiterahana izany. Tezitra mafy ny ray amandreniny ka nitady hevitra ny hanafenana izany satria manalabaraka. Nataony izay tsy hahalalan’ny rehetra fa bevohoka i Neny. Fa ny reniny no tsy dia nivoaka ny trano hilazana fa tsy tsaratsara fa bevohoka mba hiheveran’ny olona fa izy no hiteraka. I Neny kosa nalefa tany amin’ny olona tany amin’ny toeran-davitra mandrapaha. Rehefa teraka aho dia nolazaina fa zanaky ry nenibe sy dadabe. Nandritra ny fotoana maro tokoa dia noheveriko fa izy ireo no ray amandreniko.Ary i Neny dia zokiko lavitra be.
Rehefa fantatro ny marina taty aoriana satria tsy maintsy nolazaina noho ny antom-pahasalamana nahazo ireo ray amandreny lehibe dia nalahelo mafy aho. Hay ny zokiko no reniko. Teo vao fantatro ny somary tsy dia nandraisan’i Neny ahy, na nitenenany ahy sy ny tsy nanambadiny satria norararana izy. Ilay tokony ho raiko koa moa tsy ny raharaha azy.
Hay nijaly be ny reniko.Tsy mba afaka nirehereha sy nifaly toy ny rehetra fa manan-janaka. Fa natao toy ny zandriny aza teo anatrehan’ny lalana satria tsy voalaza ara-mpanjakana fa izy no reniko.
Hay nijaly ny reniko.Tsy afaka niantso ahy ho zanany. Nofadiny izany. Nangina, tena nangina satria tsy maintsy ny voninahitry ny fianakaviana aloha.
Fa nanomboka izay nahafantarako ny marina na dia nampitomany sy namparary ahy aza ny naharenesako ny tantaran’ny reniko dia nantsoiko hoe : Neny izy. Nanaitra sy nahatezitra ny fianakaviana izany.
Mendrika ny hiantsona azy hoe : Neny. Tokana ny reny.Tsy misy mahasolo azy. Neny tiako ianao. Isaky ny mifankahita izao dia io no teny voalohany hivoaka ny vavako. Neny, neny …Ianao, ianao ihany no tena reniko. Andeha ho fihiniko ianao ry Neny. Enga anie ho lava andro ianao mba hahazontsika miaraka mirihariha amin’ny fahafahana. Afaka miarahaba anao aho androany.
- Faharoa –
Izaho kosa dia nipetraka sy niaina tao amin’ny fianakaviana iray tena nanakarena ary tsara fanahy. Izaho no zandriny amin’ireo zanany efatra.
Rehefa vita ny bakalorea ary afaka tamin’izany moa aho dia nifampidinika ny ray amandreny nilaza ny momba ahy. Ny zavatra izay tsy fantatro. Indrindra moa rehefa misy havana mamangy dia misy fihetsika hafahafa amin’ireo havana ireo.
Tena tia ahy tokoa ireo ray amandreny. Ny tsy maha-zanany ahy moa dia efa nolazainy rehefa nanomboka ary saina aho. Nohazavainy izany ny nahatongavako tao an-tranondrizareo. Indray hariva efa maizimaina ny andro rehefa hody rizareo dia nahita harona teo akaikin’ny varavarana. Nalan’ilay raiko ny harona ary hitany fa navesatra.Nojeren’izy mivady ny tao anatiny.Izaho no tao. Mbola menavava. Tsy nitomany fa nitsiky aza. Sahiran-kevitra rizareo ary tonga dia fantany fa zaza nariana aho.Noho ny alina mihamandroso dia nentiny nankao an-trano ny harona nisy ahy. Nisy taratasy nivalombalina tao.Ary novakiny. Samy nalahelo mafy izahay mivady ary dia nanapakevitra fa tsy ilaza ny soratra hitanay raha tsy efa vonona amin’izany ianao hoy ilay raiko.Niady saina mafy izahay mivady ary tapakevitra fa ny ampitso dia hanatona ny manampahefana izahay. Tianay ianao hanana sora-piankohonana mantsy. Somary sarotra ny raharaha nefa rehefa afaka volana vitsivitsy dia nivoaka ny lalana fa azonay natsangana ianao dia nataonay izany.
Nomendrizareo ahy ilay taratasy tao anaty harona ho vakiko fa tsy nety aho satria natahotra mafy ny amin’izay voalaza aho. Indrindra moa tamin’ny nilazany fa rizareo lehibe aza nitomany tamin’ny fotoana namakiny azy. Voatahiry tsara ilay taratasy ary izao no voasoratra tao. « Zanak’olona ambony aho ary naholan’ny mpiara-miasa amin’ny raiko. Tsy sahy nitantara izany aho. Fa rehefa hitako fa bevohoka aho dia nangataka haingana aho hianatra any amin’ny tanana hafa. Tany aho no niteraka ary nisy renin-zaza iray izay tena tsara fanahy nanampy ahy. Tsy misy mahalala izany ny fianakaviako. Nitady olona izay hametrahana anao izahay anaka.Izaho sy ilay reninzaza. Dia hitanay fa ity fianakaviana ity dia olona tsara fanahy ka antenainay fa handray anao na dia sarotra aza izany. Koa miangavy anareo an-tanandroa tompoko handray azy. Ary hilaza aminy ny marina. Izaho dia hiverina any amin’ny tanana misy ny ray amandreniko ary tsy hifankahita intsony izaho sy ity zaza ity. Mamela ahy ianareo .Mamela ahy anaka satria tsy tokony izao no nataoko. Efa tapabola ity zaza ity ary ataoko solon’anarako eto ambany hoe « Mamy ». Sao any aoriana any mety hihaona izahay. Rehefa voavaky ilay taratasy dia nisy fahanginana naharitra sy ranomaso latsaka naharitra koa.
Ilay reny nanangana ahy no niteny rehefa ela ny ela hoe : mahazo mijanona ato aminay ianao satria efa nataonay ho zanaka. Any aoriana raha tafahoana ianareo mianaka dia ataonay toy ny fianakaviana izy.
Na dia tsy ory na tamin’inona aza tao amin’ity fianakaviana ity aho dia nahatsiaro ny tsy naha teo ny reniko. Amin’izao fotoana izao dia faly satria fantatro ny tantatarako. Saingy malahelo aho satria tsy fantatra na avy amin’ny taranak’iza aho.
Banga teo amiko ny fisin’ilay reniko. Vinavinaiko matetika hoe toa iza izy. Mijery ny tarehiko amin’ny fitaratra aho dia manao ny sariny. Asa … toa izao ve izy ? Fa ny tsy tantiko dia ny fahoriana nanjo azy nitondra irery ny vokatry ny herisetra nataon’ny hafa. Velona sa maty ny reniko ? Mahantra sa manakohanina izy ? Nanorina tokan-trano ve taty aoriana ka manana mpiray tampo aho ? Tsy misy valiny.
Mifaly amin’ny fetin’ny reny ny maro androany. Fa misy ny toa ahy. Mivetsovetso ao am-po ny hikarohako izay hahitako ny reniko. Nantsoiko hoe « Mamy » toy ilay tao amin’ny taratasy izay notehiriziko ary horokorohoko satria io sisa ny harena navelany ho ahy.
Mifanojo hatrany ny eritreritsika ry Neny na dia tsy mifankahita aza .Any amin’izay misy anao any tsy hadino ianao. Raha tafahoana isika indray andro any aza misalasala miantsy ahy hoe « ry zanako ». Neny, mamiko tokoa ianao.
- Fahatelo –
Ny tantaran’ny reninay kosa dia tsy nampoizina fa novain’ny loza. Nandritra ny fotoana maro dia tsy nisy zavatra nanelingelina anay. Sivy mianadahy ny zanaky ny ray amandreninay.Ambanivohitra lavitra be no nisy anay.Ankodahoda hoy ny maro. Fianakaviana enina izahay no ao amin’ilay tanana.Ary misy ala manodidina izany. Fiompina sy fambolena no asan’ny olondehibe ao. Indray andro dia loza no niseho. Tonga tampoka ny mpandroba mirongo fiadina. Nitady vola. Tsy nisy tao an-trano tamin’io fotona io.Tezitra ny mpandromba. Ka ho famaizana anay hoy ny lehibeny dia novonoina ny reninay. Maty tsy tra-drano. Nivady po izahay nahita izany. Natahotra ary tsy afaka nihetsika.Nentin’ny mpandromba izay azony nentina.
Izay no sary farany ho anay ankizy sy ny rainay. Izy moa dia lasa narary saina taty aoriana. Rehefa nivoaka ny trano izahay nikasa hilaza amin’ny manodidina dia akory ny hatairana fa vao mainka loza koa. Potika ny tanana ary tao ny nitomany sy nikika satria voaroba koa. Feno fahatezerana ny foko mandrak’ankehitriny. Tsy afaka hifaly amin’ny fetin’ny Reny.Olona tsy naninona dia maty novonoina an-kitsirano izao teo anatrehan’ny fianakaviany. Sahirana ny tao an-tanana satria samy niara-doza avokoa ireo tokan-trano vitsivitsy. Lavitra ny toerana misy ny manampahefana ka herinandro mahery vao tonga rizareo.
Ny fandevenana ny reninay dia natao teo an-tanana. Fa nony avy eo dia niala tsikelikely tamin’io tanana io ny mponina mba hamonjy toerana misy olona maro kokoa.
Rehefa afaka aho taty aoriana dia miverina tao an-tanana fa ery lavidavitra ery. Misy tampotendrombohitra izay mahatajana azy. Ary tazako eo koa ilay nadevenana ny reninay. Io sisa no mijoro eo an-tanana. Lasa aolo ilay tanana. Mila ho tritra ny foko.Nahoana re ? Miteny irery aho eo amtampon-tendrombohitra. Neny, neny â, Ianao irery sisa miandry sy miahy ny tananantsika. Tsy hadinonay ny tsikinao isan’andro, tsy hadinonay ny feonao miantso anay ankizy hiasa.Ho tsaraonay hatrany izany ry Neny raha mbola velona izahay. Antenainay fa tsy hijanona eo ny tantaranao ry Neny. Satria raha tsy maty ianao, izahay angamba no voavono teo. Koa mbola ho avy ny andro hisehoan’ny marina na dia aty anaty ankata aty aza izahay zanakao.
Ireo tantara ireo no nentiko teto.Tantara mampalahelo nefa mampieritreritra. Tao ny olona niharan’ny faharatsina no nisy nanampy azy.Tao ny tsy nanana mihitsy fa dia niady irery teny. Matetika hadino ny Reny tahaka izay voalaza eto.Satria sarotra amin’ny zanany ny hampiseho amin’ny mpiara-belona ny fifaliany hoe manana reny koa izy.
Ho tsaroana etoana koa ireo reny voan’ny aretina ka miady amin’izany. Ireo reny mitsaoponenana noho ny ady. Ireo reny namohy fo ka te hamono tena. Ireo voarebireby ka mitady asa any ivelany na dia fantatra fa ho hampijalian’ny olona aza. Ireo izay tsy afaka hitaiza ny zanany.Ireo izay namoy ny zanany. Ireo izay very saina noho ny antony maro. Reny izy ireny ka tiana. Na tsy tianao aza, ny zanany tia.Ny reniny reniny ihany.
Koa miarahaba ny reny rehetra tsy an-kanavaka.Ny Fanahin’ny Tompo Andriamanitra hampahery izay reraka ary hanome fifaliana ny rehetra. Mirary ny soa sy ny tsara indrindra ho anareo.Mivavaka ho anareo.
Comments by Julia DARSOT