Izaho koa tsy manameloka anao.
Jaona 8 : 1 – 11
Avy amin’ny tendrombohitr’i Oliva vao maraina Jesosy. Dia nakeo amin’ny tempoly ary nisy vahoaka betsaka nihaino ny fampianarany tao. Teo amin’io fotoana fampianarana io dia tonga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nitondra vehivavy tratra nijangajanga. Napetrak’izy ireo teo afovoany ilay vehivavy. Ahoana moa no hevitr’izany ? Nanapaka ny fampianarana rizareo. Olona mahay lalàna nefa dia nanatona hametra-panontaniana an’i Jesosy. Hoy ireo : « Ity vehivavy ity dia tratra nijangajanga ka araka ny lalàn’i Mosesy dia tokony ho toraham-bato izy. Ka ahoana ny hevitrao ? » Ny mpanoradalàna sy ny Fariseo dia manaiky fa mpampianatra Jesosy satria antsoiny amin’izany anarana izany. Mitovy fahaizana amindrizareo raha ny lalàna.Tsy mahalala fomba ireto fa tonga manelingelina. Sa tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny olona ? Nefa koa hoy i Lioka izay nanoratra dia nilaza fa naka fanahy an’i Jesosy ireo. Manantena izy ireo fa hanameloka ilay vehivavy Jesosy.
Nanontany an’i Jesosy ny mpanoradalàna sy ny Fariseo fa Izy dia nanome valiny tamin’ny soratra nosoratany tamin’ny tany. Mbola nanontany ihany rizareo ka nataon’i Jesosy hoe « Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany ». Dia niondrika ihany indray Jesosy ary tamin’ny ratsan-tanany nanoratra tamin’ny tany. Tsy voalaza eto amin’ny filazantsaran’i Lioka izay nosoratan’i Jesosy teo. Misy angamba liana te hahalala hoe : inona re no voasoratra teo ? Farany dia nisintona tsimoramora ny olona. Voalaza fa ny zokinzokiny aloha. Ireo heverina fa manapahaizana sy feno fahendrena. Ny zandrinjandriny dia ireo tanora maika ny hahalala izay zavatra hiseho.Toy ny hoe : hahavita hifandahatra amin’i Jesosy ve ireto mpanoradalàna sy Fariseo.
Tapitra lasa ny rehetra mpiampanga dia Jesosy sy ilay vehivavy sisa. Tsy nanao fanamarihana na nanadiady ny Tompo ny amin’izao fanamelohana izao. Fa ny nitranga dia nanontanian’ny Tompo ilay vehivavy : nankaiza izy ireo, tsy nisy nanameloka anao ? Izaho koa tsy manameloka anao hoy Jesosy. Mandehana ary amin’izao sisa izao aza manota intsony.
Tantara mampitahotra nefa tsara fiafara. Ny fijangajangana tamin’izany fotoana izany dia heloka be vava ary tsy maintsy vonoina izay tratra. Vono mapihorona ny atidoha satria torahana amin’ny vato. Matetika ny tahaka ireny dia tsy maty eo no eo fa mijaly no maharitra ela vao maty. Miampy ny latsa ataon’ny olona. Toy ny fitsarambahoaka. Efa nisy izany taloha ary mbola misy ankehitriny. Ary misy ny maika amin’izany. Tsy noho ny amin’ny fijangjangana ihany fa noho ny antony samihafa toy ny halatra, na endrikendrika. Any amin’ny tany mbola misy ny fitoraham-bato dia maro ny fikambanana miady amin’izany. Ary manao antso avo amin’izao tontolo izao. Misy ny voavonjy misy ny maty satria tsy voasakana intsony.
Ny fijangajangana ao amin’ny Soratra masina dia misy heviny roa. Na famitahana ny vady. Na ny ny fiodinana amin’Andriamanitra. Ity faharoa ity no voalaza eto satria ilay fampiasana ny teny hoe « aza manota » (and :11) no manamafy izany. Izany hoe miverena amin’Andriamanitra ary aza miala aminy intsony. Ary izay no antony nitondrana azy teo amin’ny tempoly fa tsy tany amin’ny toerampitsarana akory.
Ny toerana nisy an’i Jesosy dia toerana hilazana ny Filazantsaran’ny Famonjena. Koa nahoana izy no hanameloka.
Na ireto mpanoradalàna sy Fariseo aza tsy nomelohany fa nasainy nieritreritra. Ianareo ve tsy mpanota (mino an’i Jesosy Kristy ve ianareo ?). Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ve nino an’i Jesosy ho Mpamonjy ? Nanenjika ny nataony. Tahaka an’i Paoly izay taty aoriana rehefa tafahoana tamin’ny Tompo tao Damaskosy vao nihiratra ny maso. Rehefa nandalo fahajambana. Nihiratra ara-panahy.
I Jesosy nitraka niteny tamin’ny mpanoradalàna sy Fariseo dia nitory ny Famonjena’Andriamanitra. Teo anatrehan’ny olona izay nihevitra ny tenany ho manana ny marina, sy ny fahefana Jesosy fa tsy natahotra izany Izy. Niala maina ireto mpaka fanahy. Ilay nijeren’i Jesosy azy ireo dia nandrava ny hery izay heverindrizareo tsy ho lefy mihitsy. Nandresy ny Tompo.
I Jesosy nitraka niteny tamin’ilay vehivavy dia nanome teny fahatokiana sy fampaherezana. Ka izy izay voaheloka dia voavotra. Tsy nihatra taminy ny fahafatesany. Voavonjy izy. Satria nifanatrika tamin’ny Tompo, ary nahita Azy sy nandre ny Teniny. Tsy kisendrasendra ny nampiasana ny teny hoe « Tompoko » eto fa milaza ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy. Teo anatrehan’ilay Mpamonjy ilay vehivavy ary afaka tamin’ny tsy finoany. Saika maty nefa velona. Tahaka ny nandalo ny fahafatesana ka nitsangana tamin’ny maty.
Comments by Julia DARSOT