Lioka 18: 1 – 8
Misy marina ny tantara toa itony. Ny mpitsara moa dia olona nianatra manokana ny lalàna. Ny fototry ny asany dia ny hitsara ny olona amin’ny fahamarinana. Hanavotsotra sy hiaro izay tsy nanao heloka fa voaendrinkendrika. Hanameloka kosa izay manao fahadisoana. Misy ambaratonga maro ny fanamelohana araka ny fahadisoan’ny olona. Ao ny mandoa sazy, ao ny migadra andro vitsivitsy, na am-bola, na an-taona maro, na mandrapahafaty, na koa voaheloka ho faty.
Manana andraikitra lehibe ny mpitsara satria ny ho avin’ny izay entina tsaraina dia miankina aminy.
Ny tantara eto dia manondro mpitondratena eo anoloan’ny mpitsasa. Vehivavy mpitondra-tena. Matetika rehefa vehivavy toa izao, na tsy manambady dia toa tsy misy hajany. Tsy henoina teny. Hampifilafilana aza. Impiry moa isilka no efa nahare hoe : inona koa iny ! tsy manambady ! Vieille fille ! veuve ! mampalahelo ny teny toa izany. Vitsy ny miaro an’ireny. Indrindra moa amin’ny raharaham-pitarainana. Mankaleo ny olona. Ny mpitsara aza leony mihaino ny fitarainany. Ahoana ny hafa ?
Ny asan’ilay mpitsara dia tokony hanafaigana ny fandinihina ny fitarainana. Saingy tsy izany no zavatra mitranga. Fa niverina imbetsaka ilay mpitondratena. Niverina imbetska nitaraina. Nikiry ity vehivavy ity mba ho ren’ny mpitasra ny fahoriany amin’ilay manana ady aminy.
Raha ny izy dia tsy tokony ho mpitsara ilay olona volaza eto. Tsy manao ny asany izy. Toa faly mampijaly. Toa hahitany fahafinaretana izany fampifilafilana izany. Na koa miandry ho omen’ity vehivavy ity vola be izy. Na koa hoe : ny fanana sisa eo ampelatanana no ataony antoka omeny ilay mpitsara. Tsy azo hatokisana ny mpitsara toa izany.
Farany moa rehefa hitany fa tsy nanaiky ilay vehivavy dia nomeny rariny ihany. Amin’izay tsy voaenlingelina intsony izy.Satria nakarary ny andohony koa.
Anefa ny mpitsara natao hihaino ny zava-mikorontana eo amin’ny fiaraha monina ka mitondra izany eo amin’ny fitsarana amin’ny alalan ‘izay mitaraina. Nahazo valiny ilay vehivavy na dia nahatsiaro nangirifiry. Tsy kivy. Nitohy ny azy ny tolona mandrapahitany izay ho valiny satria hitany koa ny haratsin’ilay mpitsara.
Tsy ny mpitsara rehetra no tahaka an’io. Fa matoa voalaza ho ohatra dia satria misy ary natao ho mailo ny rehetra.
Fa misy Mpitsara hafa kely kosa izay voalazan’i Lioka koa. And7… « Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va izay mitaraina aminy andro amanalina
Isika hiteny hoe : Andriamanitra kosa ve tsy ho tsara ». Tsara tokoa satria tsy mitaredretra hoy ny teny. Mihaino ary mamaly haingana ny fangatahana.
Tsy mizaha tavan’olona Izy ka ny manana ihany no hahazo valiny, na ny manam-pahefana. Mitovy amin’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Ary izay tsy manana mpiaro dia hampahatsihahiviny antsika fa adidintsika ny manampy azy ireny. Matio 5 :45 « Ny Rainareo mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina»
Ny famelan-keloka omen’Andriamanitra ny olombelona dia ny fandraisana azy hahazo ny fiainana mandrakizay. Izany hoe « mahatsiaro hitodika na hiverina amin’Andriamanitra ny fony. Izany akory tsy milaza fa rehefa nifona tamin’Andriamanitra dia tsy tokony hanefa ny saziny avoakan’ny Fitsarana raha manao heloka ny olona.
Ny Fitsarana dia :
Avy amin’ny ady isakarazany ka tsy maintsy jerena izay diso, na marina mba hisin’ny fandaminana.
Ny ady matetika dia avy amin’ny fitsiriritana, ny fialonana. Ka miteraka hatezerana satria te handavo ny iray.
Ny ady mahakasika ny mpivady, ny mpiray tampoho, ny fianakaviana, ny mpiray tanana, ny mpiray firenena, ny firenena samy firenena.
Raha tsy misy ny ady dia tsy misy ny fitsarana. Fa hilamina ny tany sy izao tontolo izao.
Misy loharano niaviny ny ady fa tsy tongatonga fotsiny amin’izao. Izay tsy manaiky izany dia toy ny zaza ka milaza hoe « tsy fantatro ny nahatonga izany ». Satria tsy afaka hiaiky eo anatrehan’ny olona sy Andriamanitra ny fahadisoana.
Fa ny tena zava-dehibe amin’ny perikopa androany dia izay hitovizany amin’ilay tantaran’i Mosesy eo anatrehan’ny adiny amin’i Abimeleka ( Eksodosy 17 :8-13).
Ny nanjo ilay vehivavy dia azo lazaina hoe « guerre de nerf » ; Ka izay tsy mahatanty vakibao.
Ny an’i Mosesy dia tena niady nifandripaka amin’ny lefona. Tsy mitsitsy. Misy vonon’olona.
Samy nangataka na i Mosesy na ilay vehivavy mba hitsaharan’ny ady.
Naharitra ela vao nahita valiny ilay vehivavy. Naharitra ela koa vao nahita valiny Mosesy. Samy nahatsiaro nagidy vao nahazo valiny. Ny any Mosesy moa raha vao nidina ny tanany dia resy ny fireneny. Noho izany dia tsy vitan’izy irery fa nampina izy.Nisy roa lahy nihazona ny tanany roa. Mafy izany ho an’i Mosesy satria miankina aminy ny fanavotana ny fireneny. Izy no antoky ny fandriampahalemana ho an’ny taniny.
Mila faharetana eo amin’ny fangatahana, eo amin’ny vavaka. Tena niankohoka sy nadohalika. Na dia mafy aza ka tsy mila ho tratran’ny hery dia nataony izany. Tena tsy tratran’ny heriny tokoa.
Ireo tantara ireo koa dia milaza fa toa izany ny Fiangonana na ny kristiana. Misy ady atrehina eto amin’izao tontolo izao. Tsy miafina amintsika izany fa mihatra amin’ny firenena maro. Raha tsy miady ny eto dia ny ary. Ady maharitra. Tsy misy fotoana ka tsy misy ny ady.
Tsy hoe : be ny mpivavaka ao amin’ny tany iray n’inona n’inona finoany dia milamina izany tany izany. Mila faharetana, mila fihafina.Mila hifandrombonana.
Inona no tena mahamay ny firenena rehetra eran-tany ka hangatahany amin’ny Andriamanitra ? Manao ahoana i Madagasikara ? Maro ny mivavaka nefa tsy mahita mangirana. Manao ahoana ny mpitsara eto amin’izao tontolo izao sy ny mpitsara any amin’ny tanintsika ? Lasa nisy hatramin’ny fitsaram-bahoaka aza.. Hinoako fa mbola misy mpitsara mijoro amin’ny fahamarinana na dia sarotra dia sarotra aza.
Maro ny manao hoe « Efa ho lava izy ity ka tsy tehahalala intsony izahay. Fa dia izay mahasoa anay no ataonay. Tsy misy hanomezana tsiny izany. Fa saingy ny teny nasaina notorina androany alahady 20 oktobra. Mikasika an’i Mosesy, ilay mpitondra tena, ilay mpitsara. Mivavaha na tsy mahita mangirana aza. Mivavaha mandrapilentiky ny masoandro. Manao ahoana ny Fiangonana ? Tena mahajoro ve ? Mino aho fa misy ny tena mitalaho. Nefa koa misy ny kristiana manao izany mba hanaovana fitaovana ho fandrebirebena ny hafa ka hitadiavana voninahitra sy hampiasana ny hery.
Ny Fiangoanana koa manana ny tsy fifanarahan-kevitra izay niteraka fanenjehana. Niteraka ady aza izany tamin’y taonjato faha-16 sy ny hafa. Rentsika izay nanatrika ny « protestants en fête » , fa afaka efa taona dia hiroso amin’ny fankalazana ny faha 500 taona ny Réforme. Ary hantenaina fa hiroso hatrany amin’ny fankalazana izany amin’ny fihavanana hatrany amin’ireo hafa finoana. Ary ho lalim-paka izany fihavanana izany. Mahalasa eritreritra sy mahavarina nefa tena marina koa. Tsy maintsy mizotra amin’izay tena niantson’ny Tompo amin’ny asa rehetra ataony ny fiangonana na ny kristiana.
Tahaka ny tolona tsy mitsahatra izany fanirina sy asa tsy maintsy tanteraha izany. Ka tsy ho izao tontolo izao no hitsara indray ny Fiangonana. Raha tsy matotra ny Fiangonana dia izany no hitranga.
Ho an’ny firenentsika izay reraka dia reraka tokoa. Mivavaha ho azy ary aza mitsahatra. Ho anao izay hany amin’ny tany sarotra afaka manao izany ao anatin’ny fonao am-pahanginana ianao. Ho anao izay amin’ny tany mbola feno fahalalahana, misaora an’Andriamanitra ary aza mitsahatra, na dia mahatsiaro vizana aza. Manaikitraikitra daholo ny tena noho ny hakivina sy faharerahana. Antsoy ny namanao hanampy anao. Mahereza.
Tsara ampahatsihaivina ihany ny nanjo koa an’i Jakoba rehefa nifampitolona tamin’ny Fanahy izy izay heveriny ho anjely Ka niteny izy tami’ny farany hoe « tsy avelako ianao raha tsy mitahy ahy ». Farany ny vali-teny azony dia nitahy azy Andriamanitra ary ny fireneny dia notahiny tokoa. Tapaka hatramin’ny foto-pehin’i Jakoba aza. Izany no milaza fa tsy mora ny mivavaka . Koa mahereza na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Raha mbola eto an-tany isika dia tsy maintsy manohatra ny ratsy. Afaka mangataka koa isika hoe « tsy avelako Ianao Andriamanitra raha tsy mitahy an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy ». Mahatsiaro anao izay nivavaka irery tao Kalvary ary tsembo-dra satria mafy ny ady natrehinao. Nefa kosa matoky izahay fa eto anilanay Ianao.
Koa samia mandray ny teny sy ny hery omen’Andriamanitra anao fa momba ny tsirairay mandrapahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao Izy. Amena
Comments by Julia DARSOT