Tsy misy azo hafenina amin’ilay Nahary izao tontolo izao ny zava-mitranga eo amin’ny firenena. N’inona n’inona fikasan’ny tsirairay: na hanasoa na hanapotika ny firenena.

Tsy misaraka ny tany sy ny lanitra.Na dia ao aza ny loza, tsy mihataka amin’ny firenena  ilay Mpahary. N’inona n’inona fihetsem-po. Tsy misaraka amin’ny olona Ilay Mpahary.

Na tsara na ratsy ny fiainana eto an-tany dia avy amin’ny olona izany.Miaraka amin’ny olona hatrany Ilay namolavola izao rehetra izao. Hitany avokoa na andro na alina ny hetraketraka sy fampahoriana manjo ny zava-boahariny rehetra.

Nahoana no maty ny ankizy tsy misy tsiny? Nahoana no maty ny vehivavy izay omeko sivy volana hikolokolona ny ao an-kibony mba hivoaka ho olombelona, hoy ilay Ilay Mpahary?Nahoana no maty ny ray izay miezaka hanatsara ny ankohonany?Nahoana no maty ny tanora fa lasa tia rongony? Nahoana no namonotena na nanatotena ?Nahoana no maty ny zokiolona noho ny halatra? Tsy fantatra marina ve izay antony! Tsy hamaly ny fanontaniana Ianao Ilay nahary izao tontolo izao satria ny olombelona  mahalala ny valiny.

Tsy Tompo Andriamanitra mpanao majia Ianao fa ny tsirairay no afaka mamaha ny olana eto amin’ny firenena. Tsy misy miafina Aminao Tompo Andriamanitra ny fikasanay. Tsy handroso akory ny firenena raha tsy misy ny fiovam-po sy fiovan-tsaina tanteraka. Misaotra Tompo amin’ny fampaherezana ho an’ny tsirairay.Indrindra ho an’izay kivy. …… Amena