Notre  Mère est   exceptionnelle, elle a été enceinte dix huit fois

Notre Mère est exceptionnelle, elle a accouché dix huit fois

Elle a élevé ses dix huit enfants, elle les as nourris en abondance .

De ses enfants, je ne sais pas qui est l’aîné ni  le dernier

Elle les a tous désirés, aimés,  bercés, caressés

tendrement

Notre Mère est  devenue une légende.

Elle est une géante. Elle a un gros ventre

Elle a mis au monde dix huit enfants en  une seule fois

Elle n’a eu aucun mal.

Notre Mère est très aimante.

Elle a voyagé avec dix huit enfants pour présenter leur futur héritage:

Fleuves, rivières, cours d’eau, lacs,  forêts verdoyantes, plantes  et végétaux  rares

Animaux terrestre et marins,  insectes,pierres précieuses

mer bleue , terre fertile à perte de vue.

Les enfants de notre Mère ont grandi.

Ont-ils des ennemis car chacun a clôturé sa maison ?

ou sont-ils devenus leurs propres ennemis?

Chacun a son caractère et ses qualités.

Notre Mère commence à pleurer

Les enfants ont arrêté de s’amuser, de chamailler,

de se côtoyer.

Ils sont devenus jaloux les uns les autres.

Alors les conflits commencent.

Avec des  mensonges, des vols, des tricheries,

des combats, en  finissant par faire la guerre.

Notre Mère disait: mais vous êtes des frères,

Vous avez oublié que vous êtes des  frères.

Pourquoi tuez-vous votre frère.

Pourquoi vous entretuez-vous ?

Vous vous tuez vous mêmes.

Chaque enfant disait : Mère.

Je veux devenir  roi, reine

je veux devenir prince, princesse

Je veux le POUVOIR.

Notre Mère répondait:

C’est pour cela que vous m’avez dilapidée, crevée mon ventre,

dépouillée mes vêtements, coupée mes cheveux,

arrachée mes veines et mes artères.

Mais vous ne pouvez tuer ni mon cœur ni mon souffle.

Notre Mère rajoute :

Qui sont vos complices pour entreprendre cela ? Ne me trahissez pas.

Je ne suis pas encore morte. Je ne peux pas mourir.

Je ne mourrai pas !

Mais que dira votre père ? Il n’est pas bavard mais il saura juger.

Nous vous avons offert le paradis mais certains préfèrent l’enfer:

Viol, vol, meurtres, kidnapping, corruption,pièges,

coups bas, chantage.

Que donnez-vous de  meilleur à vos futures générations ?

Afin qu’elles deviennent une seule nation.

Ah !

Ô, Seigneur notre Dieu, à genoux nous te demandons pardon.

Pardonne-nous, pardonne-nous, pardonne-nous.

Ô Mère, pardonne-nous aussi , tu es vraiment exceptionnelle.

 

Ny Renintsika

Tsy misy toa  ny renintsika, nitondra vohoka im-balo ambin’ny folo izy

Tsy misy toa azy, niteraka im-balo ambin’ny folo izy,

Valo ambin’ny folo ireo zanaka notezainy, feno tanteraka ny namelomany azy ireo.

Izay zokiny sy farany tsy fantatro ny amin’ireo zanany.

Niriny, notiaviny, norotsorotsony, nosafosafony izy rehetra ireo

Am-pitiavana

Lasa  angano ny renintsika.

Toa and-Rapeto izy. Ny kibony dia mankadiry

Indray mandeha no niterahany zanaka valo ambin’ny folo teto an-tany.

Tsy nanahirana azy izany.

Feno fitiavana ny renintsika.

Nivezivezy niaraka tamin’ny zanaka valo ambin’ny folo izy mba hampahafantatra  ny lovan’izy ireo any aoriana :

Renirano, ony, tatatra, farihy, ala maintso,

Voly sy zava-maniry tsy fahita firy

Biby mandeha amin’ny tany sy an-dranomasina, biby kely, vato soa, ranomasina manga, tany mahavokatra tsy hita noanoa.

Nihalehibe ny zanaky ny renintsika.

Manam-pahavalo ve izy ireo no samy namefy ny tokatranony ?

Sa lasa fahavalon’ny tenany ihany izy ireo ?

Samy nanana ny toetrany sy ny fahamendrehany.

Manomboka mitomany ny renintsika

Nijanona tsy nilalao ny ankizy, tsy nifankasiaka, tsy nifandray intsony

Lasa nifampialona ny tsirairay.

Ary dia teraka ny olana.

Miaraka amin’ny lainga, ny halatra, ny fanambakana,ny fifandonana, ary miafara amin’ny ady.

Hoy ny renintsika : mpiray tampo ianareo.

Nahoana no vonoinareo ny havanareo

Maninona no mifamono ianareo

Ianareo ihany no mamono ny tenanareo.

Ny zanaka tsirairay niteny hoe : Neny ô !

Te ho Mpanjaka aho

Te ho Zanak’andriana aho

Ny FAHEFANA no ilaiko.

Hoy ny renintsika  hoe :

Izay no antony namabonareo ahy, nanatahanareo ny kiboko,

Nopotehanareo ny fitafiako, notapahanareo ny voloko

Nongotanareo ny lakan-drako sy ny lalan-dra

Fa tsy ho fatinareo na ny foko na ny fofon’aiko tsy ho fatinareo akory,

Nampin’ny renintsika hoe :

Iza no mitsikombakomba aminareo manatanteraka  izany ? Aza mamadika ahy

Tsy mbola maty aho akory.Tsy mety maty aho

Tsy ho faty aho !

Fa inona no ho lazain-dRainareo ?  Mahay mitsara izy na dia tsy be resaka aza.

Ny paradisa no notolorany fa ny afobe no nankasitrahan’ny sasany.

Fanolanana, fangalarana, famonoana, fangalarana olona, kolikoly, famandrihana, famelezana tampoka, fampitahorana mba hampisehona ny ratsy

Inona no zava-tsoa omenareo ny taranaka ho avy ?

Mba hahatonga azy ho firenena iray

Ah !

Tompo Andriamanitray ô, mandohalika mangataka famelana aminao  izahay

Mamelà anay, mamelà anay, mamelà anay.

Neny ô, mamelà anay koa, tena tsy misy toa anao.

 

(16 septambra 2018 J.D.)

Vous aimerez aussi :