Hivavaka aho fa nomen’Andriamanitra hery sy andro iainana.Miaraka amin’ireo izay mitokana ho amin’ny «  alin’ny mpiambina »[nuit des veilleurs 2011]. N’aiza n’aiza misy ireo mpivavaka ireo eran-tany.

Mivavaka aho ho an’ireo tratran’ ny hetraketraka mitondra fampijaliana  misy eran-tany. Vokatry ny fagoronan-karena, ny fitiavan-tena. Eny an-dalàna eny aza dia misy ny miadiady ary tratran’izany ny tanora maro. Ao ny manisy totohondry, ny mikapoka. Maratra izay tratran’izany. Mivavaka ho anao izay efa nampijaly olona . Indrindra ho an’ireo manao izany an-kinafina.

Ao koa ny mampijaly noho ny fialonana. Mitsiriritra ny fahaizana, ny trano, ny fiarakodia, ny kitapo, ny finday. Manao tambabe ary mampijaly mba hahazona izay tiany alaina.

Ao koa ireo voasambotra ka hiharan’ny fampijaliana. Mihatra aman’aina.  Mandritra ny andro maro. Ao ny mety ho faty. Ao ny mitondra takaitra aty aorina. Poka ny maso, na tsisy nify intsony. Misy lasa narenina. Misy ny mikondringa.

Fampijaliana ara-tsaina, ara-batana: fampihorohorona efa nihatra tamin’ny olona maro. Nefa tsy nisy ratsy nataony. Nahoana re? Voasaraka tsy fidiny amin’ny fianakaviany.

Mivavaka ho azy ireny izahay Tompo ô.

Tsy hadinonay koa ireo izay mampijaly na manao izany fa heveriny izay no asany. Mamindrà  fo aminy mba hahatsiarovany ny tsy fetezan’izany. Amin’ny maha olombelona dia tsy te-hivavaka ho azy ireny. Nefa ho an’izay manaraka anao Jesosy Kristy dia nafaranao hivavaka sy hitia ny fahavalonay. Koa mifona aminao. Ovay ny fonay. Diovy ny sainay. Fa tena sarotra izao vavaka izao satria tsy ho teny fotsiny fa fampiharana koa.

Nandritra izao alina izao dia maro no mivavaka ho an’izay rehetra nampijaliana sy  izay mampijaly.

Mandohalika eo anatrehanao izahay Tompo. Mihainoa ny vavakay.

Sitrano ny fo sy saina ary ny fanahy.

Mivavaka aminao izahay ho an’ireo mpitondra sy mpanao làlana ao amin’ny firenena izay mbola mitana sy mampiasa ny fanamelohana ho faty. Fantatray fa afaka manova ny saina ianao. Fantatray fa afaka miasa ao am-pon’ny tsirairay Ianao sy ao amin’ny firenena tsirairay.

Misaotra Tompo ho an’ireo rehetra izay mivavaka izao alina izao.  Amena.

.