1 Korintiana 12 : 3 -13

Fohy dia fohy ny fotoana niainan’i  Paoly apostoly niaraka tamin’ny kristiana tao Korinto. Tanàna malaza, tsy lavitra ny ranomasina ary akaiky ny fitodian-tsambo roa . Maro  ny olona isakarazany nifangaroaro sy nifanerasera tao.  Toerana efa tena nandroso tamin’izany fotoana izany. Tao koa ny karazam-pivavahana. Tao koa ny fisolokiana izay tsy nahamenatra ny fanaovana izany satria noheverina fa hampihakatra haingana ny fari-piainan’ny sasany. Nisy ireo nanakarena tampoka  noho ny tsy fahamarinana sy ny kolikoly. Harena azo tamin’ny fomba tsy mendrika. Niteraka fanalam-baraka aza. Maro dia maro  ny tena nahantra. Nisy koa ireo olona manan-tsaina sy mana-pahaizana. Nahay niteny sy nanadiady hevitra ka nampiasa ny fitenenany hanodina ny kristiana hiala amin’ny fivavahany.

Izany no anisan’ny nahatonga an’i Paoly hanoratra ho an’ny kristiana tany Korinto. Satria fiangonana vao niorina. Mbola vitsy ny kristiana tamin’izany fotoana izany . Olona tsotra ny akamaroan’izy ireo. Tao anatin’izany ireo mpanompo izay niova fo nanaraka ny tompony. Nohafahana tamin’ny fanompoana koa izy ireo. Nampahery ny kristiana mba hizoro amin’ny  finoana iainany izany.

Ao anatin’ny fiangonana ny olona rehetra tsy mitovy fa manana ny fisainana sy ny fomba fihetsiny. Matetika mantsy rehefa tafangona ny olona dia heverina fa tokony hitovy daholo. Misy maha marina izany eo amin’ny fanapahakevitra izay raisina mba hampandroso ny fiangonana ohatra. Nefa dia ilaina ny fahasamihafana. Izay raisina ho soa sy sarobidy aza.

Fiangonana nanana izay naha-izy azy ny fiangonana tao Korinto. Nijoro tamin’ny finoana izay nahatsiaro fa nitondra famonjena ho azy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Saingy nanodidina azy ny loza sy ny faharatsiana :  ny fitondran-tena tsy mendrika, ny ady lahy, ny herisetra, ny mety ho fironana amin’ny fivavahana tsy kristiana. Ary mila ho tafiditra ao amin’ny fiangonana izany.

Koa nampahery ny kristiana Paoly. Nolazainy fa nandray fanomezam-pahasoavana samihafa ny  kristiana tsirairay. Toy ny teny fahendrena, teny fahalalana, finoana, fanasitranana, fahagagana, faminaniana , miteny amin’ny fiteny tsy fantatra …Ireo rehetra ireo dia voalaza fa asan’ny Fanahy iray ihany. Koa raha manatanteraka ireo dia hiroborobo ny fiangonana. Nampiny koa fa tahaka ny tena iray ny fiangonana na dia maro aza ny momba ny tena.  Tsy afaka misaraka amin’ny olona tokoa mantsy ny momba ny tena isakarazany. Mazava fa mila ny hafa isika fa tsy mahavita tena.

Koa ao min’ny fiangonana dia ny fiaraha miaina sy miasa amin’ny fahatsorana no ilaina. Mampiasa ny fahasoavana nomen’Andriamanitra hampandroso ny fiangona. Fa tsy natao hifandrafiana ny fananana  talenta na fanomezam-pahasoavana samihafa. Tsy natao hireharehana akory aza izany satria maka ny toeran’ny Tompo.

Na eo amin’ny fiangonana , na eo amin’ny firenena , na eo amin’izao tontolo izao raha mahatsiaro isika fa tsy avy aminintsika ny fanomezam-pahasoavana na talenta izay hananana dia hiova ny fiainan’izao tontolo izao. Ilay Fanahin’Andriamanitra no nametraka izany fahasoavana izany ao amin’ny tsirairay.

Raha misy olo-kendry, na misy mana-pahaizana, na misy manao tao-zavatra, na misy mahay mampita hevitra, na mampianatra, na mitsabo, na mpamboly, na mandrafitra … Dia tokony ho fifaliana ho antsika ny fananana ireny olona ireny . Hampahery azy ireny.  Fa tsy hanao izay hanimba ny fanomezam-pahasoavany. Fa samy manana ny azy. Tsy tokony hisy fialonana na fanazimbazimbana ny hafa .

Tsarovy fa avy amin’ny Fanahy izany ary Fanahy iray ihany no nihaviny. Tsy ny mahasoa ny hafa dia mahasoa antsika

Ny Fanahy dia mirotsaka amin’ny olona toy ny andon’ny lanitra. Tahaka ny rano sotroina ka mamelombelona ny tena na dia ao aza ny momba ny tena rehetra. Samy mahazo soa amin’izany Fanahy iray izany avokoa.

Andriamanitra rehefa manome dia manome tanteraka. Tsy manome tapany na mampifilafila. Mampiorina ny vahoakany hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay  mba ho fanorenana ho amin’ny tsara fa tsy fanimbana. Hanala sy hanalavitra izay tsy mety toy ny tany Korinto. Hanafoana ary tsy handova ny ratsy teo aloha.  Izay no hahafantaran’izay mijery ny kristiana fa zanak’Andriamanitra natsangana isika. Satria Fanahy iray no mitondra sy mitarika amin’izay antony niantson’Andriamanitra antsika.

Fantatrao ve ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra nomena anao ? Inona no soa noraisinao tamin’izany ?