Notre Mère est exceptionnelle, elle a été enceinte dix huit fois
Notre Mère est exceptionnelle, elle a accouché dix huit fois
Elle a élevé ses dix huit enfants, elle les as nourris en abondance .
De ses enfants, je ne sais pas qui est l’aîné ni le dernier
Elle les a tous désirés, aimés, bercés, caressés
tendrement
Notre Mère est devenue une légende.
Elle est une géante. Elle a un gros ventre
Elle a mis au monde dix huit enfants en une seule fois
Elle n’a eu aucun mal.
Notre Mère est très aimante.
Elle a voyagé avec dix huit enfants pour présenter leur futur héritage:
Fleuves, rivières, cours d’eau, lacs, forêts verdoyantes, plantes et végétaux rares
Animaux terrestre et marins, insectes,pierres précieuses
mer bleue , terre fertile à perte de vue.
Les enfants de notre Mère ont grandi.
Ont-ils des ennemis car chacun a clôturé sa maison ?
ou sont-ils devenus leurs propres ennemis?
Chacun a son caractère et ses qualités.
Notre Mère commence à pleurer
Les enfants ont arrêté de s’amuser, de chamailler,
de se côtoyer.
Ils sont devenus jaloux les uns les autres.
Alors les conflits commencent.
Avec des mensonges, des vols, des tricheries,
des combats, en finissant par faire la guerre.
Notre Mère disait: mais vous êtes des frères,
Vous avez oublié que vous êtes des frères.
Pourquoi tuez-vous votre frère.
Pourquoi vous entretuez-vous ?
Vous vous tuez vous mêmes.
Chaque enfant disait : Mère.
Je veux devenir roi, reine
je veux devenir prince, princesse
Je veux le POUVOIR.
Notre Mère répondait:
C’est pour cela que vous m’avez dilapidée, crevée mon ventre,
dépouillée mes vêtements, coupée mes cheveux,
arrachée mes veines et mes artères.
Mais vous ne pouvez tuer ni mon cœur ni mon souffle.
Notre Mère rajoute :
Qui sont vos complices pour entreprendre cela ? Ne me trahissez pas.
Je ne suis pas encore morte. Je ne peux pas mourir.
Je ne mourrai pas !
Mais que dira votre père ? Il n’est pas bavard mais il saura juger.
Nous vous avons offert le paradis mais certains préfèrent l’enfer:
Viol, vol, meurtres, kidnapping, corruption,pièges,
coups bas, chantage.
Que donnez-vous de meilleur à vos futures générations ?
Afin qu’elles deviennent une seule nation.
Ah !
Ô, Seigneur notre Dieu, à genoux nous te demandons pardon.
Pardonne-nous, pardonne-nous, pardonne-nous.
Ô Mère, pardonne-nous aussi , tu es vraiment exceptionnelle.
Ny Renintsika
Tsy misy toa ny renintsika, nitondra vohoka im-balo ambin’ny folo izy
Tsy misy toa azy, niteraka im-balo ambin’ny folo izy,
Valo ambin’ny folo ireo zanaka notezainy, feno tanteraka ny namelomany azy ireo.
Izay zokiny sy farany tsy fantatro ny amin’ireo zanany.
Niriny, notiaviny, norotsorotsony, nosafosafony izy rehetra ireo
Am-pitiavana
Lasa angano ny renintsika.
Toa and-Rapeto izy. Ny kibony dia mankadiry
Indray mandeha no niterahany zanaka valo ambin’ny folo teto an-tany.
Tsy nanahirana azy izany.
Feno fitiavana ny renintsika.
Nivezivezy niaraka tamin’ny zanaka valo ambin’ny folo izy mba hampahafantatra ny lovan’izy ireo any aoriana :
Renirano, ony, tatatra, farihy, ala maintso,
Voly sy zava-maniry tsy fahita firy
Biby mandeha amin’ny tany sy an-dranomasina, biby kely, vato soa, ranomasina manga, tany mahavokatra tsy hita noanoa.
Nihalehibe ny zanaky ny renintsika.
Manam-pahavalo ve izy ireo no samy namefy ny tokatranony ?
Sa lasa fahavalon’ny tenany ihany izy ireo ?
Samy nanana ny toetrany sy ny fahamendrehany.
Manomboka mitomany ny renintsika
Nijanona tsy nilalao ny ankizy, tsy nifankasiaka, tsy nifandray intsony
Lasa nifampialona ny tsirairay.
Ary dia teraka ny olana.
Miaraka amin’ny lainga, ny halatra, ny fanambakana,ny fifandonana, ary miafara amin’ny ady.
Hoy ny renintsika : mpiray tampo ianareo.
Nahoana no vonoinareo ny havanareo
Maninona no mifamono ianareo
Ianareo ihany no mamono ny tenanareo.
Ny zanaka tsirairay niteny hoe : Neny ô !
Te ho Mpanjaka aho
Te ho Zanak’andriana aho
Ny FAHEFANA no ilaiko.
Hoy ny renintsika hoe :
Izay no antony namabonareo ahy, nanatahanareo ny kiboko,
Nopotehanareo ny fitafiako, notapahanareo ny voloko
Nongotanareo ny lakan-drako sy ny lalan-dra
Fa tsy ho fatinareo na ny foko na ny fofon’aiko tsy ho fatinareo akory,
Nampin’ny renintsika hoe :
Iza no mitsikombakomba aminareo manatanteraka izany ? Aza mamadika ahy
Tsy mbola maty aho akory.Tsy mety maty aho
Tsy ho faty aho !
Fa inona no ho lazain-dRainareo ? Mahay mitsara izy na dia tsy be resaka aza.
Ny paradisa no notolorany fa ny afobe no nankasitrahan’ny sasany.
Fanolanana, fangalarana, famonoana, fangalarana olona, kolikoly, famandrihana, famelezana tampoka, fampitahorana mba hampisehona ny ratsy
Inona no zava-tsoa omenareo ny taranaka ho avy ?
Mba hahatonga azy ho firenena iray
Ah !
Tompo Andriamanitray ô, mandohalika mangataka famelana aminao izahay
Mamelà anay, mamelà anay, mamelà anay.
Neny ô, mamelà anay koa, tena tsy misy toa anao.
(16 septambra 2018 J.D.)
Comments by Julia DARSOT