MARKA 13 : 32- 37

Petera, Jakoba, Jaona ary Andrea no mpianatra niaraka tamin’i Jesosy hita eto amin’ity toko faha 13 ity. Rehefa nivoaka ny tempoly rizareo dia namaly ny fanontanian’ny mpianatra ny Tompo. Ary ny andininy faha 32 ka hatramin’ny 37 dia famaranana ny valim-panontaniana.

Rehefa dinihina ny zavatra voalaza ato dia hoatrin’ny toa hadinon’ireto mpianatra ny fampianaran’ny Tompony. Tsy tena mbola mazava amin’izy ireo fa misy farany ny zavatra rehetra eto an-tany. Anisan’izany ny olona rehefa manakaiky ny fahafatesana. Izay tsy fantatra na rahoviana na rahoviana. Eny fa na dia Jesosy Zanak’Andriamanitra aza moa dia handalo tamin’izany.

Mahavariana ireto fehezan-teny natao ho vakiana androany. Hiatrika atsy ho atsy ny Noely ve dia ny tandidon’ny fahafatesana no resahan’ny mpampianatra. Tsy mampino.

Tsy ampoizina ny hafatra omen’Andriamanitra antsika ao anatin’ny Soratra Masina. Ary ny Fanahy Masin’Andriamanitra no manazava ny saintsika.Izao alahady ny « advento » voalohany izao dia teny mavesa-danja no hampahatsiahivina antsika.

« Mitandrema » satria ny olombelona dia tsy natao hiala eto amin’izao tontolo izao fa noharian’Andriamanitra hivelona eto izy. Amin’izao fotoana izao anefa dia mahatsiaro ho osa ny akamaroan’ny olona noho ny fahantrana. Kivy noho ny aretina maro samihafa sarotra tsaboina ka tsy maintsy hitadiavana fanafody. Ny olana ao amin’ny toka-trano, na ny fianakaviana sy ny ady maro samihafa miseho atsy sy aroa ka mahakivy ny maro.Miampy ny fanambakana isankarazany. Izany rehetra izany sy ny tsy voatanisa dia natao hitarihana ny saintsika mba hitandrina sao manimba sy mandratra ny fo sy ny saina, eny ny vatana sy ny fanahy koa.

« Miambena » satria na dia ao aza ny fahatokisana dia ilaina ny fiambenana. Tsy ampoizina ny zavatra mety hitragana, na mampifaly izany na mampalahelo. Mba tsy hisin’ny nenina any aoriana dia ilaina ny fiambenana. Ilay hatokisan’ny kristiana voalohany dia Jesosy Kristy izay maty teo ambon’ny hazo fijaliana ka nitsangana tamin’ny maty mba ho fahaveloman’ny mpino toa anao no miteny izany. Ny olona miambina dia mifantoka amin’ny fihainona aloha. Ary ny fihainona ny Tenin’Andriamanitra no isan’ny voalohany amin’ny fiambenana.

« Mivavaha » satria tsy tsara ho an’ny olombelona ny manapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Ny vavaka dia toy ny resaka ataon’ny olona roa. Ny iray miteny ary ny iray hafa dia mpihaino. Tsy iza izany fa Andriamanitra. Vonona ho amin’izany mandrakariva Izy. Tsy voatery ho fangathana foana ny fivavahana fa mety ho fisaorana, ho fiderana, ho fiaiken-keloka, na vavaka ho an’ny hafa, na noho ny zavatra mitranga eto amin’izao tontolo izao.

Ry havana, mitandrina satria nomen’Andriamanitra fahasoanavana ianao hahay mitahiry ny tsara izay nomeny anao. Hikolokolo ny saina ary hahala handa izay mety haningotra anao. Miambena satria maro ny te hamotraka anao. Kanefa ny Tenin’Andriamanitra dia hery lehibe haharesenao izany. Teny velona sy mahery. Teny feno hamanina ka tsy mamitaka, fa mamelona sy mampijoro. Mivavaha fa n’aiza n’aiza misy anao, eny fa na dia eo anatrehan’ny fahafatesana noho ny antony maro aza ianao dia mihaino anao Andriamanitra. Hanampy anao Izy rehefa tonga izany fotoana izany. Toa izay nataony tamin’ny Jesosy Kristy. Tsy hadinony akory fa rehefa nodimandry, dia ny Fanahin’Andriamanitra no namelona Azy.

Amin’izao hiavin’ny fankalazana ny Noely izao dia tsy ho fandrika ho anao ny fahitana ny zavatra maro mirentirenty ka ireny no lasa mamama toerana lehibe eo amin’ny fiainana. Ilaina ny miaramifaly nefa dia lanjalanjaina tsara ny fanomanana izany. Ho tsarovana koa ny havana na ny lavitra na ny akaiky. Eny namana sy ireo hidonam-pahoriana. Raha mivavaka ho an’ny ankohonanao sy ny tanindrazanao ianao dia aza hadino ny hafa satria mpirahalahy ny olombelona rehetra. Toa antsika izay zanak’Andriamanitra natsangana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay nanaiky handray antsika toy ny mpirahalahy Aminy. Noho ny fitiavany antsika satria zokintsika Izy dia izao no hafany androany : « Mitandrema, miambena, mivaha ». Amena

Julia Rafenonirina.