Alahady fahatelo – Advento 2018
Zefania 3: 14 – 18
Ny TOMPO ho aminao.
Tsy mahavatana ny famakiana ny bokin’i Zefania. Indrindra moa rehefa voalahatra ao amin’ireo hoe mpaminany kely izy . Satria vitsy ny isan’ny toko ao amin’ny bokiny. Telo monja. Nefa telo mahalasa fisainana lalina. Tsy nilamina ny fiainam-pirenena tamin’ny fotoanany. Tsy nisalasala izy nanondro izay tsy mety mba hanarenana izany. Sahy nilaza izany tamin’ny mpitondra izy. Hany ka tsy tian’ireo mpitondra satria manelingelina ny fampisehoana ny herin’izy ireo.
Mampiseho ny hitsarana izay hataon’Andriamanitra amin’ny mponina ity bokin’i Zefania ity. Ary ny tompon’andraikitra no voakasika voalohany indrindra amin’izany. Hasehon’ny tantara fa Andriamanitra no manatanteraka ny fitsarana. Somary mampitahotra ny voalaza. Ny tananan’i Jerosalema sy ny faritr’i Joda no tena voambara ary ny tanin’i Israely izay tsy hadinoina akory.
Feno faharatsiana ny tany ary nahantra ny mponina.Nanjaka tamin’ny fandrombana ny vahiny. Tahaka ny tsy hihiratra mihitsy ny masoandro.
Zefania no nofidin’Andriamanitra hitondra teny. Hampatsiahivina fa taranaka mpanjaka izy (Hezekia izay tena nalaza tokoa). Ary avy amin’ny taranak’i Kosy koa (ny Kosa no nilazana ny etiopiana tamin’izany).
Ny perikopa na andinin-tSoratra Masina nalahatra androany dia ity an’Zefania 3 : 14- 18 ity. Mamarana ny bokiny izy io. Ary hafaliana no hamaranany izany.
Saingy alohan’ny fifaliana dia fiainana tsy nanjary no niainan’ny mponina. Satria tebiteby isan’andro noho ny ady sy ny fandrombana. Herisetra no teo anatrehan’i Zefania : ady sy fifandirana ao an-tanana, ary tsy manan-kery intsony ny lalàna. Tsy misy ny rariny. Tsy mahatohitra ny ratsy fanahy ny marina. Miangatra ny fitsarana. Loza daholo izany. Tonga koa ny firenena lozabe ary nonina tao amin’ny taniny. Tao ny fatra-pila harena ho an’ny tenany sy ny taranany.
Mafy dia mafy ny zavatra mitranga. Mihaino ny mpitaraina ve izao Andriamanitra izao ? Ela loatra ny valim-bavaka !
Miditra ao amin’ny tantaran’ny mponina Andriamanitra ary toa misy ny endriky ny fahatezerana ny teniny. Haringako tsy eny ambonin’ny tany avokoa ny zavatra rehetra. Tena tezitra toy ny tamin’ny andron’i Noa ? Izany mantsy no nitranga tamin’izany fotoana izany. Niakatra hatraty amiko ny faharatsian’ny olona hoy Andriamanitra ka haringako izy mantsy an’i Noa. Tao antin’izany Sodoma sy Gomora taty aoriana . Noho ny tsy fanarahana ny sitrapony. Safononoky ny haratsiana izany ny tany.
Izany no nitranga tamin’ny fotoanan’i Zefania. Moa ve lavitra ny antsika sa misy hitovitovizana ? Manao ahoana ny ato amintsika ato Madagasikara. Amin’izao faran’ny taona izay hiatrehana zavatra maro. Ny mikasika ny ho avin’ny firenena. Ny fankalazana ho an’ny kristianina ny fahatsiarovana ny nahatongavan’i Jesosy Kristy. Izany rehetra izany tsy manakana ny tsy kristiana hifaly satria ho avy koa ny taona vaovao ary iraisan’ny rehetra izany. Fa ny kristianina mbola manana adidy mihoatra noho ny hafa. Dia ny fampijorona ny reraka, ny solafaka, mba ho faly na fetim-piangonana na tsy fetim-piangonana. Samy manahy sy mangitakitaka amin’ny ampitso ?
Inona moa no entin’ny fankalazana ny Noely raha tsy misy ny fiovana ao am-po aloha.
Teny feno fampanantenana ny teny voalahatra ho antsika : Mihobia, manaova feo fifaliana, miravoravoa. Ho roahina ny fahavalonao, tsy hahita loza intsony …
Mifangaroharo eo izany ny ratsy sy ny tsara.
Ho tanteraka ny fifaliana sy firavoravona raha :
-Raha miverina eo amin’ny laoniny ny fahamarinana. Avy amin’Andriamanitra io aloha satria ny olona efa niala amin’izany amin’ny tsy fanajana ny maha-olona. Toy ny nahatonga ny fahantrana nampikoroso- fahana ny olona. Ny tsy fanajana ny zo amin’ny maha olombelona. Ny tsy fisin’ny vidin’ny aina fa matimaty foana noho ny halatra sy ny fiakaran’ny mpila-harena ka mamotika ny tany sy ny olona. Ny fampisehona herisetra mahatsiravina.
-Raha manaiky hifanatona sy hihavana ny olona satria ireo izay naratra noho ny loza nanjo azy ( toy ny voan’olona) dia mbola feno dia feno ny fony. Ary indraindray mety tsy ho sitrana aza.
-Ny masiaka ho lasa malemy fanahy ka tsy hanitsakitsaka noho ny fiheverany fa izy no tompon’ny aina ary tsy misy hatahorany.
Tamin’ny andron’i Zefania : ny tsipika no nampiasainan’y mpanao ratsy fa amin’izao fotoana izao basy. Tsy ny voromahery intsony no anisan’ny fitaovana hanafihana fa ny voromby. Tsy ny soavaly intsony no entina manenjika sy manitsaka fa ny tanky.
Raha tsy vonona ny hametraka izany fampihorohorona izany dia mandalo vetivety ny fifaliana.
Fa ao amin’Andriamanitra ny fifaliana maharitra. Mahay manova ny fo sy saina raha mety ilay olona, mahay manasitrana ny fo maratra, mahay mampitsangana izay hirahiny hitory ny teny soa mahafaly.
Koa ny fampahatsiahivana ny Advento dia ny hahatsiarovana fa mbola misy asa tsy vita amin’izay nanirahana antsika fa variana tamin’ny rendrarendran’izao tontolo izao ary nanao an’Andriamanitra ho tsy misy aza no resin’ny fitavan-tena.
Ny fitenana ny fahamarinana tsy pilivava fotsiny fa tsy maintsy hampiarina.Hampiharina.Hampiharina. Manontania tena : inona no manakana ahy tsy hanao ny marina izay tanisaiko isan’andro. Inona no ambarako amin’Andriamanitra raha hanontaniany aho amin’ny tsy fahatanterahan’izany mba hanampiny ahy.
Tsy hiraviravy tanana isika fa tsy ampoizinao ny famonjena omen’Andriamanitra anao sy ny firenenao raha mankato ny tenin’Andriamanitra: ny fanavotana satria Azy izao rehetra izao.
« Ny Tompo Andriamanitrao no ao aminao,mpiady mahery Izy sady mpamonjy… and 17)
Comments by Julia DARSOT