Jaona 4 : 7
Avy nandeha lalana lavitra sy nivezivezy Jesosy. Nihato naka aina teo amoron’ny fatsakana iray. Indro vehivavy iray sady samaritana no manatona azy. Hoy Jesosy taminy « Omeo Aho hosotroiko ».
Ny samaritana sy ny jiosy anefa dia tsy mifandray. Tsy nampaninona an’i Jesosy ny nireska taminy. Somary natahotra ihany ity vehivavy ity. Nefa nampitoneny. Ny niafaran’ny resaky rizareo dia hoe « izay misotro amin’ity rano ity dia mbola hangetaheta, fa izay misotro amin’ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta intsony ». Mbola tao anatin’ny fahajambana ilay vehivay ka tsy nahalala an’i Kristy. Saingy ny resaka nifanaovan’izy ireo dia mitondra azy tsikelikely ho amin’ny fahazavana.
Fantatry Jesosy koa ny momba azy rehetra. Ary taitra mafy izy.
Izay no mahatonga an’i Jesosy hiteny mialoha mba hahazon’ilay vehivavy miteny. Naka ny toerany Jesosy. Satria tena mangetaheta ara-panahy tokoa izy. Nanana enta-mavesatra teo amin’ny fiainany izay nanenjehin’ny olona azy. Voahilika izy noho izany.
Eo ampatsakana : toerana mahafinaritra ary misy rano madio. Feno filaminana. Eo no hihaonan’ilay vehivay samaritana an’i Jesosy ary hanova tanteraka ny fiainany.
Tsy misy olona izay tsy mangetaheta eto an-tany fa samy manana izany hetahetany.
Ao ny mangetaheta harena ary dia mikaondoha hahazona be dia be. Na dia hiafara amin’ny tsy marina na famonoana olona aza ny hahazona izany.
Ao ny mangetaheta toeram-piasana hiadidina mba hanatanterahana ny nofinofy rehetra ka na dia hanabotrena ny hafa aza tsy manpaninona
Ao ny mangetaheta fisotro zava-mahamamo diso tafahotra miaraka amin’ny alikola. Tsy mahalala hononiny eo ampisotrona izany. Ka manimba fahasalamana. Ao ny mandimandina sy mibinabinaka. Ary heverina ho voninahitra izany ka hifampiderana aza. Ary heverina fa mariky ny maha olona ambony izany. Kay ao ny aretina misoko mangina mitondra fahafatesana no farany.
Miampy izany raha ny any Madagasikara amin’izao fotoana , aiza no toerana hahitana fatsakana madio toy ny voalazan’ny filazantsaran’i Jaona.
Raha atao hoe tonga Jesosy eto amin’ny fatsakantsika dia angamba hitsaoka izy. Noho ny orana sy ny loto dia asa raha tsara ho sotroina ny rano amin’ny faritra maro.
Fa miverina amin’ity vehivavy izay halan’ny olona ity isika. Ohatra iray sarotra no asehon’ny mpanoratra eto. Ny olona tsy mifankahazo amin’ny tena no hangatahana rano. Azo halaninina aza hoe. Olona efa niady tamin’ny tena. Olona toa fahavalo aza. Atao ahoana ny fanatanterhana izany ? Fanontaniana ho antsika kristiana izany. Mangataka rano amin’ny olona nahilika. Amin’ny olona heverina ho tsinontsinona.
Sarotra ny manaraka an’i Jesosy ry kristiana havana. Izany no asainy ataontsika. Iza no sahy hangataka rano eny amin’ny olona mpangataka eny amoron’ny arabe ? Iza no sahy hangataka amin’ny amin’ny atsy avaratra na atsimo fa olona tsy azokazon’ny eo an-tanana ?
Mampianatra zavatra sarotra ny Tompo. Izany no asainy ataontsika. Ka asa izay eritreritsika amin’izany.
Misy aza angamba hanao hoe « aleoko maty toa izay hangataka rano aminy ranona ». Ny akanjony aza vorikitsay. Ny tongony aza vakivaky.
Izay indrindra no nahatonga ity tantara ity satria tsy mety mihavana amin’izay olona manatona antsika isika fa mbola mibahana ny fitiavan-tena sy ny fisehoana . Mahantra indrindra izay toa izany.
Fa maro ny hetaheta ao anaty izay tian’ny Tompo hangatahitsika.
Amin’ireny izay heverina ho tsinontsinona sy madinika ireny dia maro no be fitiavana, fahalemempanahy, fahatsorana, fahamarinana. Ary izay no banga ao amin’ny olona manao azy ho tsy misy toa azy.
Mampianatra ny Tompo androany hanatonana izay nahilikilika. Raha tanteraka izany dia ho feno fifaliana ianao. Ary toa misotro ilay rano mahavelona nomen’ny Tompo. Mahereza fa homba anao ny Tompo.
Comments by Julia DARSOT