Isaia 40: 1-11

«Ampiononinareo, ampiononinareo ny oloko » hoy Andriamanitra. Latsaka an-katerena ny firenen’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany satria babo. Kivy tanteraka ny vahoaka satria nohitsakitsahan’ny fahavalony. Tao koa aza ny famonoana. Nahina ho levona i Jerosalema.

Very fanantenana ny vahoaka. Hany ka mirongatra ny mpaminany sandoka. Nihikika niantso vonjy ny vahoaka noho ny loza nanjo azy. Sarotra dia sarotra ny fiainana. Natahotra ny firenena. Nefa indro nisy mpaminany iray izay nitsangana tao anatin’ny aizina. Hitondra teny hafa noho ny rehetra. Andriamanitra naniraka azy ampionona ny olony. Tsy iza fa Isaia.

Irahin’Andriamanitra hiteny eo afovoan’i Jerosalema izy, eo amin’ny toerana izay heverina fa tsy misy azo atao intsony hanavotana azy. Eo amin’izay tena maha lalina ny fahoriana ka tsy zaka intsony.

Mahagaga satria efa ao anatin’ny fahoriana lalina ny olona. Efa tsy zaka intsony. Hihaino an’Isaia ve ny olona ?

Sarotra ny mampionona olona ao anatin’ny fahoriana. Satria izy tsy mahita afa tsy izay maharary sy mampijaly azy. Vahaolana haingana sy mandaitra no tadiavain’izay mijaly. Raha ny izy aza dia ireny mijaly ireny no tokony henoina. Satria ilainy ny milaza ny fahoriana. Ary tahaka izany ny firenena mitondra faisana amin’ny fanosihosena azy.

Izay no mahasarotra ny asan’ny mpaminany. Tsy manana fiadina izy hanavotana ny firenena na ampiononany azy. Afa-tsy ny teniny izay noraisiny avy amin’Andriamanitra.Tsy afaka mihemotra koa izy noho ny fanitsakitsahana ny vahoaka diso tafahoatra. Ny Tompo Andriamanitra no maniraka azy ary eo afovoan’ny tanana izy no hidradradradra. Andininy faha-9 « asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra». Teny manaitra no miteraka fampionona koa izany.

Ilay renivohitry ny firenena dia notsindrin’ny fahavalo izay nanompo andriamanin-kafa. Na dia simba tanteraka aza Jerosalema dia ho vonjen’Andriamanitra. Satria Izy irery ihany no afaka mamela ny helony. Izy no manatona ny olony.

Tsy ho an’ny tanana iray ihany izany fa ho an’ny tanana rehetra manodidina.Milaza teny fampananatenana ny mpaminany fa ho hangoniny ny ondriny ary ho arovany sy hotarihiny ho amin’ny fiadanana. Moa ve tsy teny feno fifaliana sy fanantenana izany. Teny hampitraka ny lavo.

Izany teny fampaherezana izany dia eny an-tendrombohitra no ilazana azy. Eny amin’ny toerana avo tamin’izany fotoana izany. Fa ankehitriny efa miova ny sarin’ny toerana avo. Misy fomba maro izay azo hanaovana izany amin’ny alalan’ny filazam-baovao isa-karazany. Azon’ny fiangonana na ny kristiana hampiasaina.

Inona moa no notadiavin’ny firenen’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany ? Ny fanafahana azy amin’ny fanakedaina sy fanagadrana ataon’ny fahavalo. Mitady fanavotana ara-politika. Nefa koa etsy an-daniny dia ny tenin’ny mpaminany dia ny fanafahana ara-panahy noho ny heloka vita. Ny tsy fahatokisana an’Andriamanitra. Fahafahana roa samihafa ary afangaron’ny olona mpihaino aza indraindray. Na dia samy ilaina aza.

Satria efa naharitra ela ny fahababona sy ny famindran-toerana ny olona dia mifanaraka tsara amin’ny zava-takianan’ny vahoaka ny voalaza ao amin’ny filazantsaran’i Marka. Izay no nahatonga hiandrandra izay voalaza hoe «  Fiandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra».

Jerosalema efa in-telo potika .Loza maro no nanjo. Fa ny tenin’ny fanantenana tsy nitsahatra niaraka tamin’ireo izay mino.

Izao alahady faharoa amin’ny Advento izao dia mitarika antsika hanomana ny fontsika hahatsiarovana ny handraisana ny Zanak’Andriamanitra. Tsy azo hodian-tsy hita ny zavatra mitranga eran’izao tontolo izao tsy eken’ny saina. Misy dia misy ny firenena voahitsaka, ao anatin’ny fahaverezam-panantenana. Maro ny fianakaviana mijaly, mitomany , voahenjika mafy ny vahoaka, nisy ny nifindra monina tsy amin’ny tanana akaiky ihany fa any amin’ny tany hafa. Mahatsiaro azy ireny na kristiana na tsy kristiana . Anjaran’ny tsirairay ny tsy manadino azy ireny.

Ny mahagaga dia tsy mba mitsahatra ny famonoana. Tsy dia fantatra loatra izany taloha satria tsy nisy ny filazambaovao tahaka izao. Mitomany izao tontolo izao. Tsy afaka handositra daholo ny taniny ny olona fa tsy maintsy miharitra mitoetra eo.

Mampitahotra ny zavatra mitranga sy re. Ka mamerina an’ity tenin’i Isaia hoe «  Ampionononareo ny oloko ». Tsy olona iray no antsoina hanao izany fa ny rehetra. Betsaka mantsy no mamoy fo. Satria betsaka ny maty. Mahagaga fa tsy mety hitsahatra izany.

Koa mivantana amin’ny mpino ny tenin’Andriamanitra : Iza no hitondra fampaherezana sy fampiononanana  ho an’izay ao anatin’ny fahoriana mangidy ary tsy hita ho tantaraina akory. Tsy misy teny hilazana izany.

Miakara eny an-tendrombohitra hanaparitaka ny vaovao mahafaly.Na teny indray bava aza dia mety hahavotra olona maro. Iza no hanohy ny asan’ Isaia amin’izao androntsika izao.Tsy mety ny mitsara malaky fa misy olona na dia tsy mino an’Andriamanitra aza dia mahavita asa lehibe koa eo amin’ny fampitsanganana ny olona.

Ny fiangonana na kristiana dia tokony hahavita izany.Ary manao izany araka ny hitsiny. Satria ny asan’ny mpaminany tsy ny mahita fahitana akory ka lasa mamitaka ny vahoaka amin’ny zavatra foronina.Ny asan’ny mpaminany dia ny mitory teny. Mila fianarana sy fandihina ny fiainan’ny olona sy ny vahoaka ary ny tantara.Nanao izany Isaia. Mitory ny tenin’Andriamanitra nanasitrana ny fon’ny olona izay reraka sy maratra noho ny ady sy ny tsy rariny izay niainany. Milaza vaovao mahafaly izany dia izao : ny fitiavan’Andriamanitra tsy maty akory ary manokatra lalana vaovao sy fiainana vaovao.

Ho antsika izay ao anatin’ny fifaliana inona no mba azontsika atao ? Raha tsy ao anatin’ny fifalian’Andriamanitra mbola sarotra ny manambara vaovao mahafaly. Mbola lavitr’ezaka. Isaia nanatanteraka ny asa nampanaovina azy. Tsy nisalasala na dia mafy aza. Ny ampitovy zo sy hampifankatia ny rehetra no fototr’asany. Nampahatsiaro fa manatona ny olona Andriamanitra. Ka asa raha hanaiky izany ny olona. Ny olona afaka tamin’ny zioga ihany no afaka hilaza vaovao mahafaly. Afaka amin’ny zavatra mavesatra azy .

Tsy vitan’ny resaka milaza fahitana ny vaovao mahafaly fa tsy maintsy mandeha mirotsaka mitondra fampaherezana fampiononana izay nahatsiaro fa navotan’Andriamanitra. Isaorana an’Andriamanitra izay afaka manao izany. Amena.