Ny Zoma no heverina fa  fotoana nandalovan’ny Tompo Jesoa ny mafy indrindra. Tsy afaka nanao na inona na inona na ny mpianany na izay tia sy akaiky Azy.Niafara tamin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.Tahaka ny hoe : natao izay  hahatsiarovany ny tena mangidy indrindra.

Vita ny anjara asan’i Jesoa Kristy. Na izany aza dia mbola tsy nampiova olona maro ihany ny nanjo Azy. Raha heverina fa tena mafy ny nanjo Azy dia tsy tokony hisy intsony ny fampahoriana sy fampijaliana.

Ny fisin’izany amin’izao andro iainantsika izao dia mampiteny : nahoana no mbola hombohona eo amin’ny hazo fijaliana ihany ny Tompo ?

Mbola misy tokoa ny olona izay mitondra faisana ka hampijaliana. Tsy mampaninona ny mpampijaly izany. Toa zavatra misosa amin’izao izany aminy.

Raha mijery ny filazan’ny Fikambanana manohatra ny fampijaliana (ACAT) isika dia mbola maro no tena mijaly ary mihatra aman’aina. Tsy mifidy na kely na lehibe, na vehivavy na lehilahy na antitra na tanora. Indrindray mampihorokoditra ny mahita ny tantaran’ny olona voalaza ao. Voasambotra . Kapoka tsy misy toa izany ny mahazo ilay olona, na amin’ny hazo, na vy, na hodi-biby. Misy maro karazana ny fampijaliana voalaza fa tsy ireo ihany. Ankoatry ny teny maharary. Misy dia misy tokoa ny maty.

Mampalahelo  ny tantaran’i Jesoa izay tsarovana androany. Raha fahazarana fotsiny.Tsy ampy izany raha manao hodian-tsy hita ireo olona hampijaliana mbola misy eto an-tany.  Tsy tokony hadino ny olona hiharan’ny fandrahonana tsy amin’ny antony. Ka hampahoriana. Heverina tsy olona intsony fa toa ny biby. Manana  andraikitra ny kristiana tsirairay mivavaka ho azy ireny sy ny fianakaviany.

Tsy ho ary fantatra hoe aiza avy izy ireny. Fa ny fahatsiarovana azy am-bavaka dia zava-dehibe. Izaho sy ianao no antsoin’ny Tompo hivavaka ho azy ireny. Tsy ho an’ny firenentsika ihany no hivavahantsika fa ho an’ny rehetra.Na dia mbola ao anatin’ny fangirifirina aza. Raha tsy izany dia tahaka ny tia tena ihany isika.Satria maro koa ny tsy malagasy mivavaka ho antsika. Misy olona tsy nanitsaka ny tany Madagasikara nefa dia mivavaka ho azy isan’andro. Isaorana an’Andriamanitra izany satria mampahery.Lasa fisainana aho rehefa tafahaona amin’izy ireny ka miteny irery hoe : lalina izany fitiavany ny malagasy izany. Zava-tsoa tsy misy ohatrin’izany. Sarobidy satria ao amin’ny fotoana mety mahakivy na noheverina fa very ny tena dia misy olona any mivavaka ho antsika.  Mifanojo ny eritreritra na dia ao anatin’ny mafy aza.

Raha maika fotsiny hamonjy ny herinandro masina nefa tsy afaka mahatsiaro ny fahoriana entin’ny rahalaly na rahavavy na aiza na aiza misy azy ireny dia herinandro masina mareforefo sy pokaty no hankalazaina. Fa ny fampahatsiahivana ny fijalian’i Jesoa dia ny fiantsoana ny olona rehetra eran’izao tontolo izao hanafoana ny fampijaliana. Koa aza hadino fa misy asa izany niantson’ny Tompo antsika tsirairay. Tsy voatery hahay hitoriteny daholo fa na dia ny vavaka mangina ao am-po aza dia mahery. Satria mihaino ny olombelona ny Tompo Andriamanitra.

Vous aimerez aussi :