Ezekiela 33 : 1-10
Mandray anjara fitenenana ny Tompo ho an’ny firenena. Misy olona izay voafidy nirahina hanatanteraka izany. Ny anjara asany dia ho mpitily satria hisy ady. Hisy firenena iray ho avy amin’ny sabatra hamely firenena hafa. Nofidin’ny vahoaka ny mpitily. Hanaitra azy amin’ny anjomara raha mananontanona ny loza. Alohan’ny hahatongavan’ny ady dia tokony haneno ny feon’ny anjomara. Tokony hahare izany ny rehetra. Izay minia tsy handre ny feon’ny anjomara dia ho faty. Satria nandà ny fampitandremana nataon’ny mpitily. Fa izay nanaiky kosa no voavonjy.
Kanefa koa raha hitan’ny mpitily tokoa ny loza ka tsy nanaitra ny vahoaka izy dia ho diso tanteraka . Na koa tsy nampiomana azy handositra dia ho hadinina amin’izany. Satria maty ny vahoaka. Meloka izany ilay mpitily.
Ny ady dia tsy tongatonga foana ka ilazana hoe: tsy nampoiziko izy ity! Efa nisy fampahafantarana ihany fa dia varivariana ny mpitily. Ny feon’ny anjomara na ny anjombona milaza hoe “Tandremo , loza !” Tahaka ny olona hiampita arabe ka misy jiro manome alalana azy. Mijery ny firehitry ny jiro milaza fahavonona. Amin’ny jiro mampijanona ny fiara vao afaka miampita arabe satria tsy misy hatahorana intsony. Amin’ny fotoana mety hihavin’ny ady dia tsy manao atsirambina fa tokony ho mailo. Mitazan-davitra ny mpitily. Ampiomana hitsaoka na hivonona amin’ny fiarovan-tena ny vahoaka. Manana andraikitra lehibe ny mpitily. Satria tsy olona iray na roa no voakasik’izany fa ny vahoaka manontolo. Ka na dia olona iray fotsiny aza no maty dia voaheloka izy. Ny mpitily ao amin’ny firenena dia mijery ny zavatra teo aloha, mety hiakatra taona maro izany. Mijery koa izay ho avy. Fa tsy hoe tonga ny tokoa vao hikoropaka. Efa tara loatra. Tsy nanao araka ny tokony ho izy ny asany ny mpitily. Ary dia maty voahitsaka.
Tsy ny ady ihany no hampitandremana ny firenena fa ny fanaovana tsinontsinona ny tany amin’ny fandrobana sy fanimbana isakarazany. Hanao inona izay mahafantatra fa tokony arovana ny tany hiteraka voly ho fahaveloman’ny vahoaka. Ka tokony ho lavina ny fampiasana zezika vahiny sasany izay mahatonga ny tany tsy hahavokatra ka ho lasa toy ny vato karangana sisa. Aiza ny tena mpitily amin’izany ? Malaky tonga ny fahantrana sy ny hanohanana rehefa tsy misy intsony ny vokatra. Ny fiarakodia mamiratra sy ny trano mihedinedina tsy hahasolo ny sakafo (Asa izay hety hinana ireny ? ). Aiza ny mpitily ?
Ao koa ny fiarovana ny renirano izay sarobidy. Maro ny tany no ritra ny renirano. Misy koa anefa ny tany izay mbola manana rano mikoriana mampitsiriritra. Ary tsy mahatsiaro ny tombon-tsoany amin’izany. Lavitra ny fikojakojana izany. Taloha dia natsaka rano tsy vidina. Fa izao dia tena lafo ny rano. Na dia tsy mandoa vola aza dia lavitra ny toerana hahitana rano . Ho an’izay tsy mitandrina fa mihevitra fa hikorina mandrakariva ny rano dia diso fihevitra. Ny solika sy ny vatosoa tsy hahasolo ny rano mahavelona akory. Aiza ny mpitily amin’izany ? Eny fa na dia ny tatatra aza dia tokony hahamailo satria raha maloto dia mitondra aretina sy fahafatesana. Ary firy moa ny toerana nisy rano nototofana fa hoe hanorenan-trano. Ao ny tany izay tsy manana fasika intsony fa lany noho ny fikikisana tsy mitsahatra. Tsy azo an-tsaina izany fa mpitondra loza. Ka ahoana ary ry mpitily?
Ohatra farany na dia marobe aza no azo lazaina. E ity fisotroana rano misy alikola. Mahery dia mahery ary maka toerana eo amin’ny fiainan’ny maro . Tadidio fa io no naharingana ny « Indien d’Amérique » ». Misy mihevitra fa raha tsy ao io eo ampi-sakafoanana na amin’ny fanasana dia tsy olona ambony. Misy milaza fa mahantra nefa ny vidin’ireny rehefa tonga ny lanonana dia tsy lazaina. Ao ny mandoka-tena amin’izany. Misy ny botrabotran’izy io nefa dia aretina matory ao anatin’ny tenany. Ny fisotroana alikola diso tafahoatra tsy haha ela velona akory. Miampy ny rongony sy ny zava maha-domelina izay tsy hiafenan’ny sasany intsony. Mavesatra loatra ny niantsona ny mpitily. Mafy ny asany ! Raha kinga ary raisiny ho zava-dehibe ny andraikiny dia hampaneno ny anjombona izy. Raha sondrihan-tory izy dia manasa mangina ny loza hisoko. Ary rehefa tonga izany vao mametra-panontaniana tsy misy farany no tsy hahitam-baliny. Efa fantatra ihany ny valiny fa tsy te-hahalala fotsiny izao.
Fa ny tapany faharoa amin’ny tantara dia milaza fa mandray anjara fitenenana koa ny Tompo ho an’ny tranon’ny Zanak’Israely. Andriamanitra no nanendry ilay mpitily. Io dia misy fahasamihafany kely amin’ny teo aloha. Tsy iza ny mpitily fa Ezekiela satria izy no niresahan’Andriamanitra. Izy no nantsoiny. Henoy ny teny aloaky ny vavako hoy ny Tompo. Hampitandremo ny tranon’Israely. Na dia ny ratsy fanahy aza hampitandremo mba ho velona hoy ny teny. Io koa dia samihafa amin’ny teo aloha. Fa raha maty izy dia ho hadinina aminao ny rany. Fa rehefa nampitandrina ianao ka tsy niova tamin’ny làlany izy dia ho faty. Ary ianao ho velona.
Ny tranon’ny zanak’israely dia azo hampitahaina amin’ny vahoakan’Andriamanitra na ny Fiangonana ( ny kristiana fa tsy ny trano vato na biriky na falafa akory). Ny Fiangonana tsy tokony ho varivarina. Maro ny manao hoe: Andriamanitra no miaro anay. Eny, miaro tokoa Izy. Matoa nanendry mpitily izy dia misy antony izany. Satria ny saina tia manafika sy mihetraketraka dia milafika ao amin’ny olona. Na ny kristiana aza mety ho tratran’izany. Ary efa nisy izany teo amin’ny tantara. Antsoin’Andriamanitra hijery mihoatra noho ny hafa ny kristiana. Efa lany andro ny hoe “ranona tsy manao ny asany, koa aiza moa no tsy ho toa izao”. Tsy i ranona no jerena ho mpitily voalohany fa ianao , izaho. Nomen’Andriamanitra saina handinika ny tsirairay. Afaka manao zavatra tsara araka ny tandrifiny avy: na asa na soso-kevitra. Raha tsy nahavita i ranona dia ampio izy fa aza henjehina. Misy mihevitra hoe: ny anay mivavaka fotsiny dia an’Andriamanitra no sisa. Ka dia miandry izahay. Tsy ampy ny hoe mamaky Baiboly fotsiny aho, dia vita ny adidiko. Raha mirehitra ve ny trano, ka efa ren’ny olona ny fofona may dia tsy tondrahana rano ve ny trano fa hivavaka hiandry ny orana latsaka ? Ary tsy hisy orana akory raha mibalika ny masoandro. Fahalevonana sisa.
Maro ny zavatra tsy mety na ao amin’ny Fiangonana aza. Tsy azo lavina izany. Mihalasa fahazarana ny fivavahana ary misy maika ery ny hihangona mba somary mampidera ny akanjony, na ny kirarony, na ny fiara, na mitantara ny fananany rehefa mirava. Enga anie ka tsy ho tratran’izany. Tsara ny mihaingo fa tsy ilaina ny mirehareha amin’izany. Afaka manana fanana fa tsy natao hampisehona ny hery indrindra amin’izay tsy manana. Ilaina izany ny manarina, manamboatra . Kanefa misy koa , maro ny tena mandeha am-pahatsorana. Inoako izany. Nefa dia mahatsiaro diso fanatenanana noho ny toetra tsy mendrika hitany. Satria ao ny be vava. Tandremo sao mpitily takona ny maso ka tonga ny loza. Sa ahoana ?
Eo amin’izay tany hipetrahanao, n’aiza n’aiza dia natao ho mpitily ianao. Tsy mpitily hangoron-karena ka hanitsaka ny hafa. Satria raha izay dia tsy misy maha kristiana . Fa antenaina kosa ho mpitily tsy hisalasala hampaneno ny anjombona rehefa tonga izany fotoana izany. Ho famonjena ny rehetra. Eny fa na dia ny ratsy fanahy aza hoy ny teny. Ny herin’ny Tompo ho amin’ny tsirairay hahefana izay efa niantsona antsika. Tsy ho amin’ny fitadiavam-boninahitra fa amin’ny fanompoana ilay efa namonjy antsika.
Comments by Julia DARSOT