1/9 > Salamo 115

and:1 – Tompo ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra. Fa ny anaranao ihany, noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.

2/9 >Jaona 1

and :18 – Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no manambara Azy.

3/9 >  Jaona  1

and:  34-  Hoy Jaona : Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

4/9 >Jaona  1

and  : 48 – Hoy Natanaela tamin’i Jesosy “  Ahoana no hahafantaranao ahy ? “

5/9 >Jaona 2

and : 4  – Hoy Jesosy taminy : “ Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao ? “

6/9 > Jaona 2

and : 19  – Hoy Jesosy : “ Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy “

7/9 >Jaona  3

and : 8 –  Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

8/9 > Jaona 3

and :34 –  Fa izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny teniny, fa tsy misy fetra ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy.

9/9 > Jaona 4

and : 13-14  …Hoy Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritana “Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray. Fa na iza na iza no misotro amin’ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Fa ny rano izay homeko azy dia loharano miboiboka ao anatiny ho fiainana mandrakizay”.

10/9 > Jaona 4

and : 34  –  Hoy Jesosy :“Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany”

11/9 > Jaona  4

and :48  –  Hoy Jesosy taminy « Raha tsy mahita  famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy »

12/9 > Jaona 5

and : 8 – Hoy Jesosy taminy “ Mitsangana , ento ny fandrianao, ka mandehana”

13/9 > Jaona 5

and : 24  – Hoy Jesosy “Lazaiko aminareo marina tokoa. Izay mandre ny teniko ka mino izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy”.

14/9 > Jaona 5

and : 41 – Hoy Jesosy :  » Tsy mandray laza amin’ny olona Aho »