Ny Fahariana
Fizarana I
Ny Genesisy toko 1 dia mirakitra zava-mahaliana. Nahay tokoa ny mpanoratra nandrafitra izany. ary mitanisa izany toy ny misy ambaratonga tsy maintsy zohina. Raha arahina tsara dia hainy ny manolotra antsika izany hoe « Ny Nahariana » izao tontolo izao izany. Hainy koa ny mitarika ny saintsika hieritreritra ny fahamarinan’ny zavatra lazainy na tsia.
Eo am-pamakiana azy anefa dia toy ny manonofinofy. Noforonina ihany ve izy ity ka natao tsara rindra toy izao ? Voalahatra ao anatin’ny sokajy atao hoe « angano sa hain-teny » araka ny mpandinika Baiboly sy mpanao heviteny (bibliste sy ny exégète). Ny angano sy ny hain-teny dia mifono zavatra miafina. Sarotra takarina ary mila averimberina matetika mba hazava. Misy hafatra tokony ho hampitaina ka ho voaray avy ao amin’ny angano mba hahazahoana ny zava-misy. Satria soratra ao anatin’ny Baiboly izy ity dia tsy manaiky ny saintsika fa mety ho tantara noforonina ny mikasika ny namoronana izao tontolo izao. Angano ve ? Hain-teny ve ? Aoka tsy ho hadinontsika fa ny Baiboly dia anisan’ny boky milaza tantaram-piainan’ny olombelona isankarazany.
Voalazantsika matetika fa tany amin’ny taona 500 tany ho any talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy izy ity no voasoratra. Ka ireo mpanoratra izay tsy fantatra akory ny anarany no nandinika ny zava misy na mikasika ny toerana iainany sy ny zavatra mitranga na eo amin’ny manodidina azy ireo. Ary ny fiainan’ny olombelona no namintinany izany araka izao soratra hita izao. Ary tena mifono hevitra mafonja. Ireo mpanoratra ireo dia azontsika antsoina amin’ny anarana koa hoe teolojiana na dia efa taloha elabe aza -efa nisy tokoa izy ireny. Amin’ny alalan’ireo asasoratr’rizareo mantsy no hampivoirany tsikelikely ny fifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra. Ary izany asa goavana izany dia mbola miteny amintsika velona ankehitriny. Koa manasa antsika hamaky sy handinika na dia efa tena lavitra antsika araka ny taona nitsirian’ny haigam-panahin’ireo zoky ireo. Ka mahatonga antsika hametra-panontaniana maro. Ny zavatra voalaza dia maharitra hatramin’izao. Sarobidy ary tsy hay hadinoina ny asa nataon’ireo mpanoratra satria avy amin’ny lovan-tsofina izay efa nifandimby tamin’ny taranaka maro no navadika ho soratra. Izany hoe olon-kendry sy nanam-pahaizana izy ireo. Heverina fa fanirian’izy ireo ihany koa ny mba ho voatahiry ny asasoratra ho an’ny rehetra. Mba tsy ho very. Nahatsinjo lavitra tokoa rizareo. Na dia atao aza hoe nety nisy zavatra niova satria arakaraka ny nandikana azy dia nisy teny ihany izay mety nifandiso, nisy ny niova, na nisy ny teny latsaka ary nisy koa ny teny nampiana.
Ny angano na hain-teny mantsy dia mitoetra eo amin’ny lovan-tsofina ny ankamaroany. Ary mety ho hadino. Fa rehefa voasoratra tahaka izao dia tena sarobidy. Satria mora hampitaina amin’ny manodidina sy amin’ny taranaka. Ho antsika izay tsy mazoto ny mamaky boky dia miharihary amintsika izao ny zavatsoa noraisintsika ankehitriny eo am-pandinihina ity boky ity. Harena ny boky satria mirakitra tahiry ary azo hapetraka ho lova amin’ny taranaka maro. Raha manana boky misy tantaran’ny Dadan’ny dadabe izao ny fianakaviana iray dia hirehareha tokoa satria nahatahiry ny tantaran’ny fianakaviany ohatra. Ary tsy very izany raha tsy hoe : levona ilay boky. Ary any aoriana dia mihena ny fahalalana ny tantaran’ilay fianakaviana ary mety ho hadino tanteraka.
Isika malagasy dia tsy manana boky firy hahitana ny tantaran’ny firenentsika ohatra. Soa fa misy ihany ny ohabolana ahazoana manatsoaka hevitra maro sy lalina ary ny angano.
Ity toko voalohan’i Genesisy ity dia mikasika ny asan’Andriamanitra sy ny toetran’izao tontolo izao. Toy izao ny andininy voalohany
« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany ». (Baiboly protestanta malagasy)
« Au commencement Dieu créa le ciel et la terre ». (Bible Segond)
« Tao anatin’ny voalohany nahary Andriamanitra ary ny lanitra sy ary ny tany » (amin’ny teny hebreo sy ny filaharany)
Raha raisina amin’ny anaran’ny boky hoe « Genesisy » izay avy amin’ny teny grika « Fiandohana » dia tokony ho alpha (grika) na alef (hebreo) no niandohan’ny soratra voalohany. Saingy tsy izay no izy. Fa manomboka amin’ny litera faharoa « B » (Beta- grika na Beth- hebreo). Izany hoe ilay voalaza hoe : Tamin’ny voalohany dia tsy voalohany fa : mety efa nisy voalohany maromaro nifandimby tamin’ny nahariana izao tontolo izao. Nanao fanandramana ve Andriamanitra vao tonga eo amin’io « Tamin’ny voalohany » io. Sarotra amintsika koa ny hino izany satria tsy izay no nahazatra sy mahazatra antsika noho ny Baibolintsika amin’ny teny malagasy tsy manomboka amin’ny litera « a ». Ary ilay litera faharoa « B » amin’ny teny hebreo dia mivadika ny fanoratra azy. Io no andraisantsika ny fanazavana eto. Ka milaza izany fa ny zavatra talohan’io dia tsy ho takatrintsika mihitsy. Misy zavatra tapaka eo ary tsy afaka hiverenana. Satria misy fetra izany ny sain’ny olombelona. Izany hoe ilay teny « alef » dia tsy ho takatrintsika mihitsy koa eto amin’ity fiandohana ity. Nahoana no tsy teo io litera. Ny antsika malagasy aza amin’ny litera ‘T’no manomboka. Misy izay mandika io « tamin’ny voalohany » io hoe « tany amin’ny fotoana fahagola, tany lavitra be tany, fahizay ».
Ahoana moa izany no fisehoan’izany « Fiandohana » izany. Moa ve tany am-piandohana dia tena tsy nisy n’inona n’inona mihitsy satria izay ny nandraisana azy hatrany manko. Voalaza mantsy any am-piandohana fa tsy nisy endrika sady foana ny tany.
Izay no maha tsara ny mandinika izay voasoratra. Nisy ilay tany- inona moa izy io eto ? Fa toy ny zavatra azo polopolesina tahaka ny spaonjy. Tsy misy endrika. Zavatra hafahafa toa mikambakambana. Ary nofonosin’ny aloka izay nantsoina hoe : haizina. Jereo ange ny atody. Misy ny akorany fa tsy fantatra izay ao anatiny. Mila manokatra azy vao hita hoe : ireto avy no ao. Ho savaina tsimoramora hahatakarana ny zava miafina sy izay fonosiny ilay atody. Amin’ny maha olombelona, mampatahotra ihany ange izany hoe : hikasika zavatra tsy fantatra. Ka naminavina no nataon’ireo teolojiana. Fa hiasa kosa Andriamanitra. Izy no hamelatra ny zava-miafina. Avy amin’io no FIANDOHAN’ny fahariana.
Ka iza moa ity antsoina hoe « Andriamanitra » ity. Eto aloha dia izao no ilazana azy :
Vao manomboka dia ELOHIM (Andriamanitra) no ilazana azy amin’ny teny hebreo. Teny « pluriel » izy io. Azo lazaina ve fa maromaro izany no ao anatin’ilay Elohim na ilay Andriamanitra voalaza etoana. Ny « EL » dia midika Andriamanitra « au singulier ». Tokony io izany no nampiasaina. Ny fanoratra azy dia « alef misy voyelle eo ambany ary manaraka ny litera l). Mahavariana ihany satria Andriamanitra tokana ihany no voalaza tamintsika hatramin’izay.
Somary sahirana ihany isika satria Andriamanitra dia teny roa Andriana sy manitra. Noho ilay « manitra » noheverina ho maha ambony indrindra. Ambony noho ny Andriana rehetra. Kanefa ve olombelona izy raha nantsoina hoe « Andriana ». Nefa tsy hita maso koa no ilazana azy. Tsy fiteny ny hoe « Andriana manja ». Fa Andria-manitra. Mampahametra-panontaniana izany. Ary inona no tena fonosin’io voambolana io ?
Izay aloha izany ny androany – Misaotra manaraka ary mandrapiresaka indray –
Ho jerena amin’ny manaraka ny tohiny. Fizarana fa-2. Veloma ary ô.
Vous aimerez aussi :
- PODCAST – EPISODE 4 Fampitandremana ny mpitondra fiangonana
Ny lohatenintsika androany dia hoe : « Fampitandremana ny mpitondra fiangonana ». Raha tadidinareo fa tao amin’ny podcast faha- 3 dia voalazako hoe : tena mahafinaritra ahy ary tiako ilay asan’ny mpitondra fiangonana.
- TSODRANO – PODCAST – EPISODE 3 -Nahoana no asa tsara…
Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana. Marina sa tsy marina. Indro fizarana avy amin’ny traikefan’i Julia Darsot mpitandrina. Ny asa tsara miteraka fifaliana…
- TSODRANO – PODCAST – Episode 2 – Ny Baiboly
Marobe ny olona mamaky Baiboly na mpino na tsy mpino. Misy koa ireo izay tsy mamaky fa mamerina fotsiny izay reny. Tsara fantarina : inona izany no tena soratra ao. Indro fitarihana kely fotsiny mba hahazoana an-tsaina inona avy ireo lohateny vaventy. Tsy ireo ihany fa mbola misy …
Comments by Julia DARSOT