Samy manana ny fomba fitafiny ny olona eran-tany ary ireny no hahalalana ny amin’ny toerana nihaviany na ny asany. Maro no mifakatahaka matetika satria tiana no manintona ny maso. Misy koa anefa ny mponina tsy afa-manao izay tiany satria fehezin’ny lalàna araka ny fitondram-panjakana ao aminy.
Mivoatra hatrany ny didin’akanjo ary malaky ny fiovan’ny fitafiana satria ny fitiavan’ny olona mihaingo dia mamporisika amin’izany. Misy koa aza ny fifaninanana amin’izany ka hahazona loka. Saika ny ankamaroan’ ny lehilahy dia mitondra « pantalon » na dia atao aza misy ireo izay mametraka akanjo lava eo amboniny. Ny vehivavy moa dia ny akanjo lava na fohy matetika no hanaovana. Misy toerana izay tsy azo iakanjona fohy araka ny lalàna ao amin’ny taniny koa. Misy koa ny akanjo izay tsy maharakotra ny tena izay hita eny toeram-pilomanosana na ny torapasika.
Tsy ho voatanisa eto daholo ny amin’ny fitafiana fa azo singanina ny amin’ny fanamiana :
Ny mpitandro filaminanana rehetra : miaramila, polisy, zandarma, mpianatra amin’ny Lysea sasany, mpanao fanantanjahan-tena, mpitsabo, mpitsara sy ny maro tsy voatanisa… Izy ireny dia saika eo amin’ny fotoana hanaovany ny asany no hitondrany ireny fanamiana ireny ary tonga dia hahalalana azy (corporatisme).
Fa ahoana kosa ny any am-piangonana. Malalaka amin’izay fomba fitafiny ny mpiangona. Hafarana ihany mba tsy hahatafintohina ny mpijery na ny mpiara-mivavaka izy ireny. Any amin’ny faritra Atsimon’i Frantsa rehefa tonga ny hafanana dia hitanao eo am-pidirana eo am-piangonana, na amin’ny toerana lehibe : Trano fivarotana lehibe na positra, na trano fiangonana mampitandrina ny amin’ny akanjo entina mba ho fifanajana. Ary tsy hanaonao foana. Misy mihevitra fa toeram-pitsangatsanganana ny tanana dia ho azo atao ny zavatra rehetra. Tany afovoan-tany,tadidiko alahady ny andro, indray mandeha izay nisy tovovavy niangona. Nesoriny ny veste-ny nony hamaky teny ao amin’ny Soratra masina izy tery amin’ny alitara, ary nazava ny lamosiny manontolo. Nanaovany ilay veste nony vita ny vakiteny. Nampiantsoin’ny tompon-toerana ny mpiandraikitra ilay Communauté, fa tsy mahazo mampiasa io toerana io intsony satria tsy mifanaraka amin’ny moralin’ny toerana hoy ilay mpiandraikitra. Tezitra ny olona nefa dia nandika ny fitsipika ary tsy mety hanaiky izany.
Maro amintsika ny tia mihaingo ary tena mihaingo rehefa miangona.Toa mifaninana aza. Ny fifandokafana aza tsy lazaina intsony rehefa mirava.. Fa misy koa ireo olona mihaingo izay tena tsotra sy madio ary voapasoka dia ampy azy.
Ny akanjon’ny mpitondra fivavahana.(Robe pastorale – akanjo pastoraly)
Marihina fa na mopera na pasitera rehefa mitondra Fiangonana dia azo antsoina ihany koa hoe : pasitera daholo.Fa saingy tsy mahazatra antsika ny milaza ny mopera hoe pasitera na mpitandrina.Samy mitandrina ny ondriny avy mantsy izy ireo.
Ny hitovizan’ny akanjon’i Mopera sy pasitera dia izy ireo samy mirebareba.
Fa misy tantara ny nahatonga ny fahasamihafana kely :
Ny an’ny Katolika : hahitana akanjo roa misosona. Ny ivelany miloko ary ny anatiny fotsy. Rehefa manao « la messe » kosa izy dia mitondra ny akanjo pastoraly. Samy manana ny didy akanjo araka ny Communauté hihaviny. Misy fanampiny toy ny « cape », na koa eo an-tsoroka ny zioga (étole), isakarazany araka ny loko mikasika ny fotoam-piangonana . Ny mopera dia manao akanjo fotsy ary miampy akanjo hafa loko eo amboniny.
Ny protestanta Loterana koa dia nanaraka izany satria misy ny hitovizan’ny loterana sy katolika eo amin’ny teolojia. Ny fotsy koa no nofidiny ho akanjo pastoraly fa navela ilay eo ambony avy amin’ny havana katolika, mitondra ny zioga araka ny lokon’ny fotoanan’ny Fiangonana toy ny hoe : Noely, na Pasaka izao androany …
Misy mihevitra fa ny Loterana dia tsy protestanta. Ary mbola re mandrak’ankehitriny ny miteny hoe izahay Loterana fa tsy protestanta. Nefa i Martin Luther indrindra no anisan’ny olona izay niandohan’ny « Réforme » na dia efa tao aza ireo mpialoha lalana azy, toy an-dri Erasme. Dia nanamafy izany izy. Izay no nahatonga ireo nanaraka ny heviny atao hoe « Loterana ». Rehefa nijoro ny Fiangonana Loterana izay tany Alemana no nipoirany ka niala tao amin’ny Fiangonana katolika dia ny akanjo fotsy sisa no notajonina.
Ny protestanta « réformé » dia nandray ny akanjo pastoraly mainty. Ny antony dia satria i Jean Calvin izay nitondra ny fanavaozana dia Mpahay lalàna ary tao Frantsa no nihaviny.Nianatra ny lalàna ary nampianatra izany. Fa tsy moine tahaka an’i Lotera. Ka io akanjon’i Calvin io izany no natao ho modely ary natao ho an’ny pasitera « réformé » rehetra saika ny ankamaroany eran-tany.
I Lotera sy Calvin dia mampiseho antsika noho ny fitafiny fotsiny fa ny Fanavaozana (Réforme) dia misy loharano roa sahady.
Tany Madagasikara dia nanao « akanjo pastoraly mainty » ny mpitandrina fa tany amin’ny 1980 tany ho any vao niova ho fotsy ny mpitandrina FJKM. Ny tenako dia nandalo tamin’ireo fotoana roa ireo. Ny mpitandrina FPMA dia mitondra ny akanjo pastoraly fotsy.
Ny akanjo pastoralin’ny mpitandrina tsy hoe « grade » na ilazana fa tena masina izy araka ny hiheveran’ny sasany azy. Fa hahafantarana azy amin’ny asany ao am-piangonana. Amin’ny fotoana an-davan’andro dia matetika ny mopera mametraka ilay lakroa kely eo amin’ny vozon’ankanjony mba hahafantarana azy.Fa saingy noho ny fakana tahaka dia manao ilay vozon’akanjo kely fotsy koa ny mpitandrina aty an-tanindrazana. Amiko manokana tsy dia zavatra mahamaika io. Jereo fotsiny Jesosy ao amin’ny Matio 9 :20 ; Marka 5 :28 ; Lioka 8 :44 . Tsy voalaza izay akanjo nentin’i Jesosy fa nifangaro tamin’ny vahoaka izy.
Nisy aza adi-hevitra ny amin’ny hoe : inona no sary atao eo amin’ny zioga : voaloboka, mofo, salohim-bary, sary hazo fijaliana sns …
Ny akanjon’ny diakona
Hitantsika fa ny diakona, ny mpiandry aty amintsika dia mitondra akanjo fotsy koa. Ireo kosa tsy miantsoroka ny zioga izay hita eny amin’ny mpitandrina sy ny mopera.
Na ny akanjo pastoraly na ny hafa dia akanjon’ny fanompoana ireny ao amin’ny Fiangonana.
Ary mariky ny niantsona azy ireny tao amin’ny maro.
Ao anatin’ny vahoaka (vahoaka = laos : izay nanome ny adjectif laïc amin’ny teny latina. Io no tsara handinihina ny hoe laïcité satria misy koa ny miteniteny foana) ny mpitandrina sy ny mopera aloha.Tao izy no nantsoina, izany hoe : Laika na mpitandrina na mopera aloha vao mpitandrina na mopera. Efa lehibe izy vao lasa mpitandrina na mopera fa tsy hoe vao teraka dia iny izy fa mpitondra Fiangonana.Efa lehibe izy vao nahare ary namaly ny Antson’Andriamanitra.
Ny hisin’ny fandaminana ao amin’ireo Fiangonana isankarazany ( Ny Institution) no hanaovana ny akanjo pastoraly sy ny an’ny diakona, na ny hafa. Fa samy manana ny fombany koa ny Fiangonana tsirairay. (Ny anaram-piangonana aza dia efa samihafa.)
Ny akanjo pastoraly dia karazana fiarovan-tena ihany :
- Amin’ny lafiny iray dia voasarona ao ny akanjo sivily an’ilay mpitandrina na mopera. Tsy mivezivezy ny saina ny amin’ny akanjo entina. Ny olona koa tsy afaka hiteny momba ny akanjo ao ambanin’ilay akanjo pastoraly. Samihafa ny zavatra tsapa rehefa manao ilay akanjo pastoraly na tsia. Satria iny koa ny milaza fa io ilay hitondra ny teny toriana androany.
- Amin’ny lafiny teolojika dia milaza fa tsy ambony na ambany noho ny mpiangona izy mpitandrina na mopera. Eo amin’ny protestanta aza dia raha mihira pasitera dia tsy tokony haningana eo amin’ny fanamafisam-peo. Fa tokony ho hitovy amin’ny mpiangona ny feony ka ho malefaka fa tsy « star » na mpanakanto izy akory. Tsy misy izany hoe : miavaka izaho satria mitarika ny fotoana. Fa mitovy amin’ny rehetra.Fa eo amin’ny katolika dia mopera afaka miavaka ka mihira ny andininy fa ny fiverenana no ataon’ny rehetra. Misy dikany io fa any aoriana hisy hanazavana azy.
- Ny olana kely amin’ity akanjo pastoraly ity dia mety ho voan’ny fakam-panahy hisehona ho ambonin’ny rehetra. Misy mihevitra ny tenany ho tahaka toy ny mpampianatra eny amin’ny « Université ». Ny Reverend any amin’ny tany miteny anglisy dia ny mpitandrina ihany. Nefa koa misy no manao hoe : nahoana moa izahay laïka no tsy mba manao ny akanjo pastoraly nefa misolo ny mpitandrina mitoriteny indraindray. Ny mpitandrina ange ka tena nantsoina hitandrina ny ondriny. Marihina aloha fa tsy mitovy ny fotoana nianarana ho mpitandrina, mila fiofanana ela izany.Nefa koa misy laika maranitra dia maranitra ary tsy azo lavina izany.Ary isaorana an’Andriamanitra.
Ny ankamaroan’ny ny mpitondra fivavahana manao akanjo pastoraly : na any amin’ny Fiangonana katolika romana apostolika, na Fiangoana katolika orthodoxa, na any amin’ny Réformée sy Loterana, na any amin’ny Anglikana. Ny mpiangona protestanta hafa toy ny Evangélique sy ny hafa dia vitsy no manao akanjo pastoraly.
Ny teo amin’ny « Eglise réformée » taloha izay niova ho « Eglise protestante unie de France » dia ny mainty no « Robe pastorale ».Indrindra moa fa teto Frantsa ny nihavin’i Jean Calvin. Rehefa tonga ny Rotaka tamin’ny Mai 68 dia maro ireo mpitandrina tsy nitondra intsony ny « Robe pastorale » noho :
- Ny fangatahan’ny laika ny tsy hitondrany an’izany intsony. Nisy koa ny mpitandrina tsy nety intsony koa.
- Noho izy mihevitra fa mitovy ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana
- Tsy ny akanjo no zava-dehibe fa ny teny izay lazaina.
Nandeha ny fotoana sy ny andro dia maro indray ireo mpitandrina izay niverina ny hitondra « «Robe » sy ny tanora taty aoriana satria nisy fandinihina lalina ny antony hitondran’ny mpitandrina izany. Tsy noho ny fampitovizana fa ny fanekena fa natao ho amin’io asa io izy. No fijorona ho vavolombelona koa. Ny isan’ny protestanta moa dia vitsy ( 3 millions raha betsaka ao Frantsa).
Fa raha mandinika ny fiainan’i Jesosy tamin’izy nitory teny isika.Inona no fitafiana nataony. Lamba. Ny akanjony andavan’andro. Izay nokasian’ny olona nefa tsy fantatra mazava satria betsaka no nitady sy nanaraka azy . Iny no nahafantarana azy fa izy no mpitondra ny Teny ary ny olona no nanome ny anarana azy hoe « Rabony » fa tsy Izy akory. Nozarainy ny teny satria fizarana amin’ny hafa. Nampihena ny heriny ara-batana izany raha nokasihan’ilay ravehivavy ny akanjony.Nisy hery niala.
Heveriko fa izay koa ny ilana ny hipetrahan’ny mpitandrina rehefa avy mitoriteny fa somary misy aina niala tao. Ka misy ilay mozika kely.
Ny akanjon’ny mpiandry
Efa somary voalaza ihany fa tsara marihina. Taloha tamin’ny fiandohan’ny fifohazam-panahy teto Madagasikara dia ireo izay natsoina hoe : fifohazana dia nanao akanjo fotsy daholo. Tsaroako izany rehefa tonga tao amin’ny ray amandreninay nivahiny efa ho folo andro tao rehefa manasa lamba rizareo miaraka amin’i Mama Ravelonjanahary sy Nenilava, dia feno lamba sy akanjo fotsy miaha eran’ny tokotany tamin’ny 1956. Madio fotsy ary nasiana « bleu » mba hampaharitra ilay lamba. Taty aoriana vao niova tsikelikeky. Tamin’izany fotoana izany tsy afaka nanao ravaka indrindra ny volamena ny vehivavy, ny peratra tamin’ny fanambadiana ihany no teny amin’ny tena, ny kiraro avo voditongotra nesorina, ny akanjo fohy tsy natao, ny lokomena, ny poudra, ny manja maso navela daholo. Hitanao izany fa amin’izao fotoana izao dia hafa no zavatra mitranga.
Ilay saron-doha teny amin’ny mpiandry sasany (misy ny Toby izay tsy manao azy) dia natao hanaronana ny volo tahaka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Nefa koa hoy Nenilava mba tsy hahajejo ny olona eo am-panaovana ny asa amin’ny maha mpiandry azy.Ny tanavoho, ny randrana, ny toko roa ihany ny volon’ny vehivavy.Fa ny tapabolo, sy ny « chignon » dia tsy azo natao. Ny « bigoudi » koa tsy hita.
Ny zavatra iray tiako ho marihina eto amin’ny tantaran’ny fifohazana dia ny fanirian’ireo olona sasany izay niara-niasa tamin’i Nenilava Volahavana ny hampiakanjona azy tahaka an’i Arona sy hanaovana koraona ho azy. Adi-hevitra tsy nisy ohatr’izany tamin’izany fotoana izany.Tsy nahatohatra ireo i Nenilava ary nanaiky tsy fidiny ary hitanareo iny ny sary any Ankarmalaza.Nefa dia nilaza koa izy ny alahelony.
Ankehitriny dia maika ny olona hampiseho io sary.Tsy azo hafenina noho ny tantara izay vita.Nefa dia toa mivavaka amin’y Nenilava ihany izany.Mivavaka amin’ny olombelona. Tahaka ny manao hoe :Jereo i Neny no mpanjakatsika. Nefa izy aza tsy dia nankasitraka loatra ny iantsoana azy ho mpaminany. Ny manodidina ahy no tia rendrarendra fa tsy izaho hoy izy. Tsara ny hahalalana izany satria ny tsy fahafantarana ny tantara no manimba zavatra eo amin’ny Fiangonana sy ny firenena. (Tsy ny sary no ratsy fa ilay koroana no diso fipetraka)
Anjaran’ny teolojiana sy mpitandrina no manazava ny sain’ny olona.Fa tsy mety ny manarosarona ny zavatra hita izao fa tsy mifanaraka amin’ny Filazantsara. Tsy ny fanana diplôme na fahaizana akory no inona ka handresen-dahatra olona tsy mahay mamaky teny na manoratra.
Betsaka ny azo resahana momba ity lohateny ity.Fa fitarihana ihany izao ataoko izao. Samia mikaroka fa mahasoa antsika ny mandalina izany.
Comments by Julia DARSOT