Matio 2 : 13 – 23
Tantara feno fitsapana ny an’i Josefa sy Maria ary Jesosy. Tezitra tamin’izy ireo Heroda. Tsy ekeny izao fahaterahana izao sy ny fisin’io zaza io eo amin’ny fanjakany.
Kanjo, tsy nampoizina ny re tamin’ny nofin’i Josefa.
Ny voalohany : « Mitsangana ianao, ka ento ny zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta ary mitoera any ambara-pilazako aminao ny fotoana hiverenanao… ».Azo hadika koa hoe : « Tonga saina ianao izao ka aza variana . Mialà eo amin’ny taninao. Satria Heroda dia tonga fofona ka te-hamono ny zaza. Dieny izao tsy misy hatak’andro, miainga ianareo”.
Andraikitr’i Josefa ny miaro ny ain’ity zaza ity. Tsy maintsy mitsaoka. Ary any Egypta no tany hialokalofana.Tsy nisalasala nandositra i Josefa nitondra ny ankohonany.
Heroda etsy an-daniny dia tsy nisalasala koa nampaniraka hamono ny zaza latsaky ny roa taona teo amin’ny fanjakany.
Hay ve, na dia zaza menavava aza Jesosy dia mananotanona azy ny fahafatesana avy amin’ny mpitondra fanjakana.Natahotra mafy mantsy ny Mpanjaka fa raha mihalehibe ity zaza ity dia mety hanongana ny fanjakany ary haka ny toerany. Mitaintaina andro aman’alina izy. Tahaka ireo mpitondra fanjakana rehetra izay manana fahefana ao amin’ny taniny. Tsy manana fiadanan-tsaina. Sao very fahefana.
Mbola kely Jesosy dia nandalo fitsapana lehibe sahady. Toy ireny “olona nitsaoka ireny”. Na dia tsy nanana fahadisoana aza. Ny mety hahalasa azy ho Mpanjaka, izay no fahadisoany teo anatrehan’i Heroda.
Egypta, tany hialofana dia mampahatsiaro ireo razamben’i Jesosy niaina tany tamin’ny andron’i Farao. Nangirifiry tokoa ny fiainana tany satria fotoanan’ny fahababona. Ren’Andriamanitra anefa ny ranomaso sy hikika ary dia navoakany niala an’i Egypta ny fireneny. Na dia tao aza ny fanenjehana an’i Josefa sy Maria ary Jesosy dia nanokatra ny varavarany ny Egyptiana ary nandray azy. Tany fialofana ary tany nampiantrano ny henjehina.
Mampahatsiaro ireo olona maro izay mitsaoka ny taniny satria tandidon’ny loza ny ainy. Tsy misy olona na iray aza afaka hiaro azy eo amin’ny taniny. Ny olona mitsaoka tsy manao izany am-pifaliana akory. Satria feno tebiteby : asa na ho tafita na ho rendrika an-dàlana. Tsy maintsy mandeha na inona na inona no ho aviny.Ny filazantsaran’i Matio dia tsy milaza ny fiainan’i Jessosy tany Egypta. Zava-dehibe dia ny tsy nahatafasaraka azy telo mianaka.Tsy mana-tsafidy i Jesosy amin’ny maha-zaza azy fa nentin’ny ray amandreniny. Ary Maria dia nankato ny nitondran’i Josefa azy.Tany Egypta rizareo no nanohy ny fiainany indray. Ny tena marina dia lasa sesi-tany tany Egypta izy telo mianaka.
Ny faharoa dia ny filazana hoe “ Mitsangana ianao, ka ento ny zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Israely ; fa efa maty izay nitady ny ain’ny zazakely…”. Milamindamina ny tany izany ka ho avy rizareo. Hitsahatra ve ny fanenjehana ?
Ny fahavalo dia tsy fahavalo amin’ny fitenena fotsiny fa ny mikasa hamono ny aina satria feno fahankahalana sy fahatezerana.
Raha miresaka ny sesi-tany nanjo an’i Jesosy dia azo lazaina fa tahaka ireny Mpanjaka na mpitondra fanjakana ireny . Izy moa dia natahoran’i Heroda ho lasa Mpanjaka. Ny lasa sesitany dia ny mpitondra resy. Resy an-ady. Nalana teo aminy ny fahefana. Kanefa ny an’i Jesosy tsy nanjaka akory izy fa mbola zaza. Tsy tantin’i Heroda raha very ny fahefany.
Ny teny hoe “sesi-tany” dia nampiasana indrindra tamin’ny fotoana fanenjehana ka nandositra ny olona. Satria voahosihosy ny zony, ary voahitsakitsaka ny maha-olona azy. Tao ny fisin’olona ratsy saina ka tsy natahotra ny hamono na handringana satria te-hanapatra ny fahefany.
Tamin’ny andron’i Jeremia, rehefa lasa sesi-tany ny mponina dia nihevitra ny olona fa vetivety dia hifarana izany. Kanefa dia nilaza i Jeremia fa haharitra izany. Ary izy aza dia maty tany an-tsesi-tany tany tamin’ny fahababoana.
Ny olona tratran’ny sesi-tany dia manontany tena raha ho tafaverina amin’ny taniny. . Kanefa i Josefa kosa dia natoky izay nolazain’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’ny nofy.Tsy nametra-panontaniana izy fa tonga dia niainga.Tsy nahatondra n’inona, fa izay teny an-koditra sisa no entina. Mihonona amin’izay fitaovana kely azo entina. Afoy ny havana aman-sakaiza. Afoy ny tany, afoy ny fananana. Impiry moa no nahitantsika tantaran’olona maro nandao tsy an-tsitrapo ny taniny.
Ny zavatra mahavariana nandritran’izao fitsapana izao dia tony dia tony i Josefa. Tahka izany koa ny renin’ny zaza satria tsy nanohitra ny hanaraka an’i Josefa izy. Nankato izay nolazainy. Nahatsiaro koa izy fa izao fialany amin’ny tany izao dia tsy mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Mijanona any, hoy ny nofy mba tsy ho faty ianao. Fa rehefa tonga ny fotoan’andro dia ho lazaiko ianao ny amin’ny fiverenanao. Tsy noraisin’i Josefa kivazivazy ny tenin’ilay anjely tao amin’ny nofy.
Natoky i Josefa fa tsy maintsy ho tafaverina araka ny nampanantenain’Andriamanitra. Satria Andriamanitra miaraka aminy. Tsy nataotao foana ilay anarana hoe “Imanoel” izay midika hoe “ amintsika Andriamanitra”. Imanoela ange io zaza miaraka amin’i Josefa io.
Ity tantara ity dia mampisongadina hevitra vitsivitsy ary ianao mety hanampy na hanaisotra izay voalaza etoana.
Ny fialonana’i Heroda satria nanidy ny fony ho fo vato izy.. Nanao heloka be vava ary dia tsy nijanona teo fa te hamono ny ankizy tsy manan-tsiny. Herisetra tsy mety mitsahatra sy tsy mifanaraka amin’izay maha-olombelona.
Ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainan’ny tsirairay dia tsy takatry ny saina. Nasaina nandao ny taniny Josefa. Nisy niantra ihany izy ka nana-kialofana. Andriamanitra manokatra làlana ho an’ny olony. Ary manokatra koa ny fon’ny olona amin’ny fitsinjovana sy ny fandraisana ny hafa na dia avy amin’ny firenen-kafa aza. Tsy ratsy daholo akory ny olona iray fihavina amin’ny tena.
Ny faharetana eo amin’ny fotoana mety hitrangan’ny loza , na ny korontana, na ny ady izay tsy fantara na oviana no hifarana. Ao ny fangirifirina sy ny ranomaso noho ny vono atao amin’ny tsy mana-tsiny
.
Misy fotoana ny zava- drehetra satria tafaverina amin’ny tany izay nilaozany i Josefa. Saingy tsy maintsy mitandrina izy fa na dia maty aza ny fahavalony dia mbola manohy ny asa ratsiny ireo zanany aty aoriana.
Rehefa tafaverina Jesosy taty aorina ary nihalehibe dia tao ny be fialonana ary nanenjika azy koa. Maro ny olona nandao ny tanindrazany noho ny antony maro. Nefa rehefa tafaverina izy ireny dia tsy mahafaly ary toa henjehina na hahilikilika aza. Na dia hoe tsy lasa sesi-tany aza fa nanohy fianarana any amin’ny firenan-kafa dia heverina fa ho mpiafaninana amin’ny tena. Momba an’iJesosy moa dia nanao ny asany izy nefa dia niafara tamin’ny fahafatesana ihany izany. Soa fa nitsangana tamin’ny maty izy ho famonjena izao tontolo izao.
Ho famaranana dia tsy misy fisalasalana ilazana fa tompon’andraikitra eo amin’ny zava mitranga isan’andro eo amin’izao tontolo izao ny olombelona tsirairay.
Fa raha mihaino ny tenin’Andriamanitra izy dia hiala aminy ny sain-dratsy toy ny fitiavan-kamono olona. Tsy misy mpamono olona ka milaza fa tia an’Andriamanitra. Olona hitany aza tsy tiany ka maika fa Andriamanitra tsy hitan’ny masony. Izay manao izany dia mamono ny tenany ary mamono ny taniny no miala amin’Andriamanitra.
Mety te hampitaha izao tantara izao amin’ny tantaran’olona maro eto amin’izao tontolo izao ianao. Izay no zava-dehibe amiko sa hoe “ inona no hanirahan’Andriamanitra ahy eto amin’izao tontolo izao ? Ary mifanaraka amin’ny sitrapony ve ny asa ataoko. Mihaino ny Teniny ve aho ?” Anjaran’ny tsirairay ny mieritreitra sy mamaly izany. Jereo aloha ny asa ataon’ny tena fa aza maika hijery ny an’ny hafa. Raha tody izany dia hizotra amin’ny fiainana sy lalam-baovao izay hatoron’Andriamanitra ianao. Raha tianao izany dia ho tanteraka.
Amena
Comments by Julia DARSOT