Teny ho eritreretina avy ao amin’ny bokin’i Jeremia sy Matio

1/2 >  Jeremia 32 (Tsara raha vakina manontolo ao amin’ny Baiboly)

2/2 > Jeremia  32 :42

Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra « Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ity firenena ity, dia arak’izany kosa no hampahatongavako ny soa rehetra nokasaiko ho azy »

3/2 > Jeremia  33 : 3

 » Antsoy Aho, dia hovaliako ianao. Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao »

4/2 > Jeremia  33: 22

« Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azo isaina. Ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra. Dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davida mpanompoko. Sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy ».

5/2 >Jeremia  34: 16

« Kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny indray ! »

6/2 > Jeremia  35: 15

Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra,  – eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin’ny làlanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo.Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin’ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo, nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.

7/2  > Jeremia  36:

Ilay taratasin’i Jeremia (Tsara vakina andininy 1-15))

8/2 > Jeremia  36:

Ilay taratasin’i Jeremia (Tsara vakina andininy 16 -32)

9/2 > Jeremia 37: 15

Ary tezitra tamin’i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ny tranon’i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony tao an-trano maizina.

10/2 > Jeremia  38: 6

Ary naka an’i Jeremia izy dia nandatsaka azy tao amin’ny lavaka famorian-dranon’i Malkia, zanak’andriana, izay tao amin’ny kianjan’ny trano fiambenana, ary nampidininy tamin’ny mahazaka i Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ny lavaka, fa fotaka fotsiny, ka dia nilentika tamin’ny fotaka i Jeremia.

11/2 > Jeremia  38: 15

Ary hoy Jeremia tamin’i Zedekia : Raha ambarako aminao, dia tsy ho vonoinao tokoa va re aho ?Fa na dia omeko saina aza ianao , dia tsy hihaino ahy tsinona.

12/2  > Jeremia  39 : 17-18

Nefa hovonjeko ianao amin’izany andro izany, hoy ny Tompo Andriamanitra, fa tsy mba atolotra eo an-tànan’ny olona izay atahoranao. Fa ho vonjeko tokoa  ianao ka tsy ho lavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy hoy ny Tompo.

13/2 > Jeremia  40

Ity toko ity dia mitantara ny nanafahana an’i Jeremia tany am-pigadrana sy ny fiverenan’ny olona maro ao amin’ny tany.

14/2 > Jeremia  41: 8

Fa nisy folo lahy tamin’ireo nanao tamin’i Ismaela hoe : « Aza vonoina izahay fa manana tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritrika sy vary hordea sy diloilo ary tantely ». Ka dia nijanona izy fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ny namany.

15/2 >Jeremia 42: 10-11

Raha mbola honina amin’ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo fa tsy hongotako …Aza matahotra ny mpanjakan’i Babylona izay atahoranareo. Eny, aza matahotra azy, hoy ny Tompo Andriamanitra, fa momba anareo Aho, hamonjy sy hanafaka anreo amin’ny tànany.

16/2 > Jeremia  43:  13

Ary hotorotoroiny ny tsangam-bato-tsampy ao Beti-semesy…

17/2 >Jeremia 44:10

Tsy torotoro fo izy na dia mandraka andro-any  azasady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan’ny razanareo.

18/2 >Jeremia 44:

Fananarana ny jiosy tsy hanompo sampy.

19/2 >Jeremia 45: 4

Indro , harovako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.

20/2  > Salamo 119 : 96

Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra;

Malalaka indrindra ny didinao

21/2 > Matio 9 : 36

Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany  » Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny tompon’ny vokatra mba hampahandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

22/2> Matio 10 : 38

« Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy »

23/2  > Matio 10 : 40

« Izay manadray anareo dia mandray Ahy. Ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy ».

24/2  > Matio  11 : 19

 » … Fa ny fahendrena dia hamarinin’ny asany ».

25/2  > Matio 11 : 26

« Eny, Raiko, fa izany no sitraponao »…

26/2  > Matio 12 : 8

« Fa tompon’ny Sabata ny Zanak’olona ».

27/2 > Matio 12 : 21 (Isaia 42: . ..4)

… »Ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa »

28/2  > Matio 12 : 33

… Fa ny voany no hahafantarana ny hazo… »