Teny ho eritreretina


1/1 > Matio 4 : 10

Ny Tompo Andriamanitra irery ihany no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao »(Jereo koa Deotoronomia 6:13)

2/1 > Matio 5 : 1


Ary Jesosy nony nahita ny vahoaka teo an-tendrombohitra ; ary rehefa tafapetraka Izy dia nanatona Azy ny mpianany.

3/1 > Matio 5 : 13

Ianareo no fanasin’ny tany ; fa raha ny fanasina no tonga matsato, inona indray no hahasira azy ? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.

4/1 > Matio 5:17

Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany ; tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka.

5/1 > Matio 5 : 27-28

Efa renareo fa voalaza hoe :  » Aza mijangajanga » (Eksodosy 20 : 14). Fa Izaho (Jesosy) kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

6/1 > Matio 5 :43-45

Efa renareo fa voalaza hoe : « Tiava ny namanao »(Levitika 19:18), ary mankahalà ny fahavalonao.

fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo — mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo ; fa Izy no mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanhy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.

Vous avez entendu qu’il a été dit : Tu aimeras ton prochain et tu détesteras ton ennemi. Mais, moi, je vous dis : Aimez vos ennemis et priez pour ceux ceux qui vous persécutent. Alors vous serez fils de votre Père qui est dans les cieux, car il fait lever son soleil sur les mauvais et sur les bons, et il fait pleuvoir sur les justes et les injustes.

7/1 > Matio 6 : 14 – 15

Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra

Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

8/1 > Matio 6 : 24

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa ; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany ; na ny anankiray hombany, na ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamona miaraka ianareo.

9/1 > Matio 6 : 33

Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ny zavatra rehetra.

10/1 > Matio 7 : 12

Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ; fa izany no lalàna sy mpaminany .

11/1 > Matio 7 :18

Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.

12/1 > Jeremia 25 : 3

…eny, nifoha maraina koa aho ka lilaza; nefa tsy nihaino ianareo

13/1 > Jeremia 25 :15-32

14/1 > Jeremia 26:13

Koa ankehitriny ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’Andriamanitrareo…

15/1  > Jeremia 27

16/1 > Jeremia 28: 15

Hoy Jeremia tamin’i Hanania :  » Henoy, tsy naniraka anao ny Tompo Andriamanitra, fa ianao no mampitoky an’ity firenena ity amin’ny lainga. »

17/1 > Jeremia 29 : 11

Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo,hoy ny Tompo Andriamanitra, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo ny fanantenana ny amin’ny farany.

18/1 >  Jeremia 29 : 15-32

19/1 > Jeremia 30 :  15

Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao tsy azo atsahatra ? …

20/1 > Jeremia 30 : 22

Ary ianareo ho oloko

Ary Izaho ho Andriamanitrareo.

21/1 > Jeremia 31 : 3

Tamin’ny fahiny no nisehoan’ny Tompo Andriamanitra ka manao hoe «  »Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao. Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao ».

22/1 > Jeremia 31:25-26

« Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko; ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.

Ary tamin’izany aho dia nahatsiaro aho ka nahita,; ary mamiko ny torimasoko. »

23/1 > Salamo 119 : 10

Tamin’ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hiala amin’ny didinao aho.

24/1 > Salamo 119 :45

Ary handeha amin’ny fahafahana aho, fa ny didinao no tadiaviko.

25/1 > Matio 8 : 17 =Isaia 53:4

Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny arentitsika.

26/1 > Matio 8 :22

Fa hoy ny Tompo taminy « Manaraha Ahy, ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy ».

27/1 > Matio 8 : 29

Hoy ilay demoniaka « Moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak’Andriamanitra ? Tonga aty va Ianao hampijaly anay alohan’ny fotoana ? ….

28/1 >Matio 9 : 5

Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va : « Voavela ny heloka, sa ny manao hoe : Mitsangana ka mandehana?

29/1 > Matio 9 : 12

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary.

30/1 > Matio 9 : 21

Fa hoy ilay ravehivavy « Fa na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho voavonjy aho.

31/1 > Matio 9 : 27

Hoy ny Tompo « Tongava aminareo izay irinareo »